TSIAHY SY TADIDY GEN Z (Elysé Azrael)
Pejy 2
-Fahaefatra dia marina tokoa ilay teny navoakan'ny Banky anankiray hoe NIVEAU T2 ny ankamaroan'ny Malagasy! Ny dikan'izany dia izao: TSY MISAINA NO BETSAKA AMINTSIKA! Sady tsy fantantsika ny ZONTSIKA, no tsy fantatsika izay MAHASOA antsika, ka raha tsy ataon'ny sasany fitaovana politika isika, dia itsahiny tampon-doha, satria tsy mandinika, ary indrindra tsy misintona lesona amin'ny lasa!-Farany dia izao:TSISY TIA TANINDRAZANA IZANY ETO NA MPITONDRA NA VAHOAKA! Samy manao izay ihinany daholo! Zaran'ny mpitondra aza misy Mpanohitra hanilihana andraikitra amin'ny fitavozavozana sy ny tsy fandraisana andraikitra! Zaran'ny mpanohitra aza misy fihetseham-bahoaka hosavihina hanonganam-panjakana sy hakana seza! Zaran'ny mpandroba aza misy grevy hanaovana rotaka amin'ny Karàna sy ny Sinoa!
Hametraka hevitra
Midira aloha