Voangory,valala,voarointsaka... (Elysé Azrael)
Pejy 1
Zavatra tsy hain'ny ankizy tandrenivohitra izany mitono voangory, mitono valala, mihinana voarointsaka na voanatsindrana eny an-tsaha... Ny karazan-tsakafo madinidinika fihinan'ny ankizy eny ambanivohitra eny ireo, ary santionany ihany ireo voalaza ireo: misy fotoana koa ohatra fakàna goavy fotsiny rehefa migadona ny volana Martsa sy Aprily iny, "rehefa vokatra ny paiso, tsy mividy fa milaiso", hoy koa ny tsianjerinay izay. Misy an'izany maka tavolo hatao lafarinina: ity tavolo ity dia zavatra tahaka ny vomanga hafahafa ka kikisana, dia fiazana ny ranony, ka lasa lafarinina. Misy an'izany mangady sahobaka: ny sahobaka indray dia karazana sakovy na kitra, fa fotsifotsy indray ny lokony.Fahafinaretana ihany koa izany manihika amin'ny tandroho ho an'ny tovovavy rehefa te hihinana pirina. Rehefa fivoahan'ny sokina sy ny sora ary ny trandraka indray, dia izay mahay mihaza no voky hena; kinga mihitsy ny alika sasany amin'izany fihazana izany...

Hametraka hevitra
Midira aloha