Voangory,valala,voarointsaka... (Elysé Azrael)
Pejy 2
Ny laoka indray dia tsy mahaory mihitsy eny ambanivohitra, fa dia tsongoina eny ny anantsinahy, ny tsipolitra tanora, ny anantarika, ny anamenaka, ny jaky mena, ny anamamy dia, sns. dia vita ny laoka. Azo atao laoka ihany koa ny voanketsihetsy, izay voatavo-dia misorantsoratra sy maniriniry foana tsy ambolena eny an-tanimboly eny... Azo atao laoka ihany torak'izany koa ny holatra (champignon), toy ny hola-kesika miloko mavomavo somary mivelatra toy ny elo, ny hola-taboka miloko fotsy somary boribory botabota. Mila mitandrina fatratra anefa amin'ny fihinanana holatra, fandrao mihinana ny tsy fihinanana: misy mantsy ohatra ny atao hoe "hola-gaigy" izay holatra misy drogue ka mampahalasa gaigy na adala ara-bakiteny ny fihinanana azy!!!.Tsaroako fanaonay koa ny mampifangaro anandrebaka amin'ny laingon'ny ambiaty rehefa tsy ampy ilay anana. Fehiny: mora ivelomana eny ambanivohitra, indrindra fa raha mamboly sy miompy tokoa ianao, ka miampy fahaiza-manao kely fotsiny, dia milamina ny fiainanao ara-tsakafo.

Hametraka hevitra
Midira aloha