DIARIN'NY MPITANDRINA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 54
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Milazalaza ny momba ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy
Pejy 1
Diarin’ny Mpitandrina

Ny volana Septambra 2021 no nivoka farany ny gazety Taniketsa. Maro ny zava-niseho teto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana raha tsy hilaza afatsy ny momba ny Mpitandrina ihany. Indro atolotra anao ny Diarin’ny Mpitandrina ahalalanao ny tantaran’ny Fiangonana.

Jobily Ny Fihavanantsika

Ny Alahady 1 Aogositra 2021, fidirana tamin’ny folo ora, no nanokafana tamin’ny fombam-piangonana ny Jobily fisotroandronon’ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy sy ny faha telopolo taonan’ny fiaraha-manompo amin’ny Fiangonana Andrainarivo Fahasoavana (1991-2021), afoezina amin’ny teny hoe: Jobily Ny Fihavanantsika.  Sady fanokafana ny Jobily no Alahadin’ny Mpitandrina io 1 Aogositra 2021 io. Fotoana niavaka satria tsy teo intsony Rtoa Lalatiana sy ny tsikitsikiny, noho ny fodiamandriny roa volana mahery kely lasa izay.
Fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, notronin’ny Foibe FJKM tamin’ny alalan’ny Tonian’ny Departementan’ny Fiangonana, Rakotonindrainy Jaona, Mpitandrina, izay nitory ny teny faneva hoe: «Kristy no fihavanantsika» (Efe 2. 14a). Nitarika ny fotoana Ramparany Tiana, Filohan’ny Komity Jobily sady Tonian’ny Fiangonana.
Hoy ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy: «Dera sy voninahitra ho an’Andriamanitra fa tontosa ny fanokafana ny Jobily ny fihavanantsika. Ankasitrahana sy isaorana ny rehetra tamin’ny fiaraha-mientana fa tena feno fisaorana ny Tompo tokoa ny fo sy fanahy».

Tafapetraka ny vatofehizoro

Ny Sabotsy 4 Desambra 2021 no nametrahana ny vatofehizoron’ny tranon’ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy, “Villa Fihavanantsika”, eny amin’ny Kaominina Bongatsara, fokontany Ambohibao. Trano fonenana misy fanaka no hatsangana.
Solotenan’ny Fiangonana ihany no nanatrika izany, izay notarihin’ny komitin’ny fanorenana sy ny Mpitandrina mianakavy. Teo koa ny Mpitandrina miza-draharaha Rakotomahefa Désiré izay nitondra ny tenin’Andriamanitra ka nampahatsiahy fa “mampiseho ny maha izy azy an’Andriamanitra ny asan’ny Fiangonana toa izao satria mpanampy tandrify Izy no mpiaro azo antoka ary anton’ny zavatra rehetra”.
Ny Filoha Mpanampy ny komity Rakoto Bruno Rodolphe no nitondra fanazavana mikasika ny tany izay efa vita titre misoratra amin'ny anaran’ny Mpitandrina sy ny permis de construire. Ary nolazainy amin’ny maha Filohan’ny FILODIA azy fa “ny fototra rehetra dia ataon’ny Loholona sy Diakona ho voninahitr’Andriamanitra”. Niaraka niredona ny hira "Jesoa vato fehizoro" ny rehetra sady nidina teny amin’ny toerana hanorenana ny trano. "Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy no anatsatohana izao angady izao", hoy ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy sady nitehaka ny rehetra.

Famaranana ny Jobily Ny Fihavantsika

Andro roa no nentina namaranana ny Jobily Ny Fihavanantsika dia ny Sabotsy 10 Desambra 2022 niarahana tamin’ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana ary ny Alahady 11 Desambra 2022 nifanotronan’ny reny Fiangonana sy ny zanaka am-pielezana sady fitokanana ny Villa Fihavanantsika.

Ny Sabotsy dia fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra notarihin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana tamin’ny alalan’ny Prezidà Synodaly Alioliharimanarivo Mahabo Saotra Samoela Mpitandrina. Nitory ny hafatr’Andriamanitra kosa ny Filoha Mpanampin’ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM Andriamampianina Zaka Hary Masy, Mpitandrina.
Teo amin’ny asa vavolombelona dia nanolotra takelaka fahatsiarovana ho an’ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy ny Synodamparitany. Niampy baiboly lehibe iray avy amin’ny Fiangonana Andrainarivo. Raha nandray fitenenana ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy dia hoy izy: “Misaotra tompoko, mirary soa”.
Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ho an’ireo nasaina ny fotoana.

Ny Alahady kosa dia somebiseby vao maraina Andrainarivo fa hiatrika ny fotoana iray toa zato dia ny famaranana ny Jobily Ny Fihavanantsika. Nisoritra teny amin’ny endriky ny tsirairay ny fifaliana ary ny ankamaroany dia samy nanao fitafiana fotsy ho mariky ny fiombonana. Niditra tamin’ny 8 ora sy sasany ny Fiangonana noho izany fotoan-dehibe izany.
Ny Filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina mivady no tonga nanotrona sy nitondra ny hafatr’Andriamanitra. “Roa ny hafatra nampitondrain’ny Tompo ahy homena anareo dia izao, voalohany miorena tsara ao amin’i Kristy ary ny faharoa, dia mihavana tsara ao amin’i Kristy”. Liana, nifantoka, nitsiky, nihomehy tamin’ny fampianaran’ny Filohan’ny FJKM ny Fiangonana manontolo ka na nolazainy aza fa lava ny toriteny (naharitra 41 minitra) dia nataony izany satria io no fotoana iray ihaonany amin’ny Fiangonana noho ny hamaroan’ny Fiangonana FJKM tsy maintsy tsidihany.
Taorian’ny asa vavolombelona dia nitsangana ny Filohan’ny FJKM nilaza am-pahibemaso ny fikatonan’ny fankalazana. Nofaranany tamin’ny vavaka izany.
Nitodidoha nankeny Iavoloha ny rehetra ka teo amin’ny toerana malalaka ambanin’ny Villa Fihavanantsika no nisy chapiteau lehibe nandraisana ny Kristiana sy ireo vahiny nasaina. Nataon’ny Mpitandrina Rakotomahefa Désiré ny vavaka dia nihinana ny sakafo agape ny rehetra (laoka: Henankisoa sy henomby). Rehefa vita ny sakafo dia nitanjozotra niditra nijery ny tao amin’ny Villa Fihavanantsika ny rehetra ka nanazava ny toerana isaky ny efitra ny Komity ary ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy kosa nisaotra teo ambaravarana nivoahana. Tsara ny andro, nafana toy ny toe-trandro koa ny fotoana rehetra natrehina tamin’io.

Famaranana ny asa maha Mpitandrina

Sabotsy 31 Desambra 2022, faran’ny taona sady famaranana ny asa maha Mpitandrina an-dRalambomahay Hendrinoinosy eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Fanompoam-pivavahana famaranan-taona no natao teto Andrainarivo ny tolakandro nanomboka tamin’ny 4 ora sy fahefany. Nitarika ny fotoana ny Mpitandrina miza-draharaha, Raherimpirenana Arthur ary nitory ny tenin’Andriamanitra ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy. Ny Lioka 17. 10b no nakany ny hafatr’Andriamanitra izay manao hoe: “Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay”. Nisy batisan-jaza iray natao tamin’io fa tsy nisy kosa ny reveillon satria Alahady ny 1 Janoary 2023.
Toa izao kosa ny fizotran’ny asa vavolombelona:
Voalohany, lohahevitra: “Fankasitrahana”. Notarihin’ny Sampati sy ny STKZa
Faharoa, lohahevitra: “Fibebahana”. Nataon’ny Safif sy ny Mi-Ray
Fahatelo, lohahevitra: “Fihavaozana”. Nentin’ny Vondrona Setela sy Sefala
Fahaefatra, lohahevitra: “Fanandratana fiderana”. Nataon’ny AMAM
Fahadimy, lohahevitra: “Fiantorahana”. Nofaranan’ny AFF sy ny Fiangonana
Nolaroina hira fiderana, dihy, Soratra Masina, fanentanana, vavaka, fijoroana vavolombelona izany rehetra izany. Nisy ny fitondrana am-bavaka manokana ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy, ka nifampitantana ny rehetra sady nitsangana fa izy kosa nasaina nipetraka, sy ny fametrahana amin’Andriamanitra ny Mpitandrina vaovao hisolo azy. Tsy nisaraka ny rehetra raha tsy tamin’ny 8 ora sy 33 minitra ary samy nahazo gouter (jus, petit pâté, pain raisins roa).

Voatendry ny Mpitandrina Delege

Namangy ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny Alahady 1 Janoary 2023, taom-baovao, ny Mpitandrina Alioliharimanarivo Mahabo Saotra Samoela mivady, izay Prezidà Synodaly Antananarivo Atsinanana. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra sy nanao batisa ary nanokana Katekomena ho Mpandray niaraka tamin’ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy izy.
Anton’ny fahatongavany ny hanambara ny vaovaon’ny Synodamparitany ka isan’izany ny fanendrena Mpitandrina Delege eto Andrainarivo. Hoy izy: “Efa voatendrin’ny Mpihevi-draharahan’ny Synodamparitrany tamin’ny 13 Desambra 2022 teo izay ho Mpitandrina Delege hitondra anareo. Fifaliana ho ahy ny manolotra azy eto aminareo na tsy eto aza izy dia Rtoa Rakotomavo Mino Harivony, Mpitandrina ao amin’ny FJKM Ambatomaro Fehizoro. Tsy maharitra akory izany fa amin’ny maha Mpitandrina Delege azy dia izy no misahana ny fampandehanan-draharaha rehetra eo amin’ny vanim-potoana tsy fisian’ny Mpitandrina eto aminareo. Ny azo antoka ary tsara ampanantenaina anareo dia mahazo Mpitandrina ianareo amin’ity taona 2023 ity. Ny fivorian’ny Mpihevi-draharahan’ny Synodamparitany irery ihany no manendry izay ho Mpitandrina eto aminareo. Homba anareo ny Tompo ry havana ary mampahery indrindra ho voninahitry ny Tompo irery ihany”.

Nandray ny asany ny Mpitandrina Delege

Niditra tamin’ny 8 ora sy sasany ny Fiangonana Andrainarivo Fahasoavana ny Alahady 8 Janoary 2023.  Andro voalohany nitondran’ny Mpitandrina Delege Rakotomavo Mino Harivony androany. Izy no nitarika sy nitory ny tenin’Andriamanitra ary nanao ny vavaka fangatahana. Hoy izy teo amin’ny toriteny nalaina tao amin’ny Matio 14. 13-23: “Iaino tsara fa Jesoa Kristy dia OMM na Onena, Mamelona, Mivavaka”.
Teo amin’ny filazan-draharaha no niarahaban’ny Tonian’ny Fiangonana, Ratsifandrihamanana Lanto ny Mpitandrina Delege mianakavy. Hoy izy: “Amin’ny fifaliana tompoko no iarahabanay anareo. Mandray anareo eto amin’ny Fiangonana Andrainarivo Fahasoavana izahay araka ny naha voatendrin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana anareo. Ny Fanahy Masina no irinay indrindra hitari-dalana anareo amin’ny asa fanompoana izay iandraiketanareo eto. Ny fiadanan’i Jesoa Kristy ho aminareo mandrakariva”.
Rehefa vita avokoa ny filazana ny raharaham-piangonana dia nandray fitenenana ny Mpitandrina Delege. Hoy izy: “Mankasitraka ny amin’ny fandraisana anay dimy mianaka. Mino sy manantena aho ry havako malala fa tena hiara-miasa isika ary izahay koa dia hiezaka araka izay hery omen’ny Tompo anay ao anatin’izay volana vitsivitsy andefasana anay eto; ary fantatray fa misy iraka ampanaovin’ny Tompo anay eto na dia fotoana fohy monja aza. Inoanay fa tena ho tsara ny fiombonana sy fiaraha-miasa, manomboka amin’ny Biraom-piangonana, ny Diakona, ny Mpitandrina stagiaire”.

Nifarana ny asan’ny Mpitandrina Delege


Ny Alahady 26 Febroary 2023 nitarihan’ny Mpitandrina Rakotomavo Mino ny ankatoka farany amin’ny maha Mpitandrina Delege azy eto Andrainarivo Fahasoavana no nanapahana fa “ny voatsinapy sy ny rakitra fahatelo dia atokana ho fanatanterahana ny asa fanamboarana ny trano vadim-piangonana handraisana ny Mpitandrina vaovao”. Nofaranany tamin’ny teny fisaorana ny Fiangonana izany. “Tao anatin’izay roa volana izay nisian’ny fiaraha-miasa sy fiombonantsika izay dia mankasitraka ny amin’ny fandraisana sy izay niarahantsika rehetra ny tenako fa izany no anjara asan’ny Mpitandrina Delege dia ny manomana ny Fiangonana handray Mpitandrina vaovao. Miandry ny toro-marika avy any amin’ny Prezida Synodaly isika, ka irariako indrindra mba ho tena amin’ny fo feno fifaliana sy amin’ny fo feno fitiavana no handraisantsika ny Mpitandrina mianakavy voatendry eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ry havako malala”.

Nahazo Mpitandrina vaovao ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana

Alahady 5 Martsa 2023. Andro iray miavaka eo amin’ny tantaran’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana satria tonga namangy ny Fiangonana ny Prezida Synodaly Antananarivo Atsinanana, ny Mpitandrina Alioliharimanarivo Mahabo Saotra Samoela niaraka tamin’ny Mpitandrina vaovao, Rajarison Nirina Mamihanitriniaina mianakavy izay voatendrin’ny Synodamparitany hiasa eto Andrainarivo Fahasoavana.
Hoy ny Prezida Synodaly: “Ry Fiangonana malala. Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny amin’ny fijereny sy ny fandinihana ny fiainan’ny Fiangonana ka nahafahan’ny mpihevi-draharahan’ny Synodamparitany nandinika sy nanendry ny Mpitandrina ho eto aminareo. Koa hotanterahintsika amin’ity fanombohan’ny fanompoam-pivavahana ity izany fametrahana Mpitandrina izany mba hahazoany miroso avy hatrany ho amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana sy fitoriana ny Tenin’Andriamanitra”.
Ny Mpitandrina Rakotomavo Mino no namaky ny fanapahan-kevitry ny mpihevi-draharaha:
“Ry havana. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny mpihevi-draharahan’ny Synodamparitany izay nivory ny Alakamisy faha 16 Febroary 2023 tao amin’ny FJKM Ambohitantely dia manendry an’Atoa Rajarison Nirina Mamihanitriniaina Mpitandrina, mivady ho eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
Noho izany, ampiomanina ianareo amin’ireto: Ny famindran-draharaha rehetra, ny taratasy samihafa, ny fitaovana sy ny fanaka, ny fitantanam-bola sns. Handinika ny fomba hanatanterahana ny fankasitrahana ny Mpitandrina Delege izay voatendry niasa teto aminareo. Ny fametrahana azy amin’ny fomban’ny Fiangonana ny Alahady faha 5 Martsa 2023 amin’ny 9 ora maraina, ary mandray ny asany avy hatrany izy aorian’izany. Ny fotoana manokana handraisanareo azy mianakavy kosa dia apetraka feno amin’ny fandaminan’ny Fiangonana. Misaotra amin’ny fiaraha-miasa ary mankasitraka ny fanekena ny fandaminana”.
Solotenan’ny Fiangonana Andrainarivo nanambara sy nanamafy ny fanekena, handraisana ny Mpitandrina ny Tonia Ratsifandrihamanana Lanto. Nasainy nitsangana ny Fiangonana dia hoy izy: “Faly misaotra an’Andriamanitra izahay noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina ka nanendrena an’Atoa Rajarison Nirina Mamihanitriniaina mivady mba ho Mpitandrina eto aminay. Mankatoa izany fanendrena izany amin’ny fo feno fifaliana izahay Fiangonana ka maneho eto imason’Andriamanitra sy ny Synodamparitany ny fahavononana hiara-miasa aminy ho fampandrosoana ny Fiangonana. Manaiky ny fitarihany araka ny fanekena efa nataony teo amin’ny fitsofandrano namoahana azy ho Mpitandrina izahay. Manohana azy amin’ny zavatra rehetra mety ilainy araka ny herin’ny Fiangonana hampandeha tsara ny asan’Andriamanitra izahay. Tandrovanay fatratra amin’izany rehetra izany ny fanekena sy ny fanoavana azy amin’ny maha iraka solotenan’i Kristy azy eto aminay. Ary hiezaka izahay hanaja ny fitsipika fifampitondrana eto amin’ny FJKM. Raisinay ho adidy ny mitrotro azy am-bavaka isan’andro hampandeha faingana ny asan’ny Tompo”. Tao anatin’ny fahanginana tanteraka no nanatanterahana izany faneken’ny Fiangonana izany.
Hoy ny Prezida Synodaly. “Araka izany Atoa Mpitandrina Rajarison Nirina Mamihanitriniaina, mangataka anao izahay mba hamaly ny fanekena sy ny finiavan’ny Fiangonana amin’ny fiaraha-miasa aminao”.
Nandray fitenenana ny Mpitandrina vaovao: “Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho izany teny mamy mampitombo hery sy hetaheta hiara-manompo ny Fiangonana izany. Zava-dehibe aminay tokoa ry havana ny fandraisana sy fahavononana ary ny fanomezan-tokin’ny Fiangonana. Ekenay ny fankatoavana ny foto-dalana sy fitsipiky ny FJKM sy ny fiaraha-miasa amin’ny Synodamparitany ary amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Harahin’ny fahasoavan’Andriamanitra anie ny fiaraha-miasantsika, dia ho voninahitry ny anaran’Andriamanitra irery anie izany. Mankasitraka tompoko”. Nitehaka ny Fiangonana.
Namarana ny fandraisam-pitenenana ny Prezida Synodaly: “Mety izany matoa mitehaka. Noho izany rehetra izany dia amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, amin’ny anaran’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana dia mametraka ny Mpitandrina Rajarison Nirina Mamihanitriniaina mivady eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izahay ho amin’izao fitandremana ny Fiangonan’Andriamanitra izao; sady mandray an-tanana no mitsodrano ny Fiangonana ihany koa noho ny amin’ny fanekena izay nataonareo ho amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy handray ny Mpitandrina izay vao napetraka. Andriamanitry ny fahasoavana anie hanome anareo araka ny haben’ny voninahiny mba ho hatanjahin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo ka hahatanterahanareo izay rehetra nekenareo sy kasainareo hatao eto amin’izao Fiangonan’Andriamanitra FJKM Andrainarivo Fahasoavana izao. Ny hafatra tsara apetraka dia izao ry havana. Tsy misy kopi kole. Izaho tsy nametraka Pasteur Ralambomahay Hendrininosy fa ny napetrako androany dia Rajarison Nirina Mamihanitriniaina. Ao ve? Manomboka eto isika dia mahita zavatra mety miova, mety ho vaovao, mety ho hafa, nefa koa mety ho ilay teo ihany fa mbola halalinina tsara. Dia mampahery antsika Fiangonana ry havana”.
54

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0319