DIARIN'NY MPITANDRINA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 134
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 134
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Milazalaza ny momba ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy
Pejy 3
Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina Mamihanitriniaina, mivadyTanteraka ny Alakamisy 12 Desambra 2024 teto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina Mamihanitriniaina mivady. Fotoana izay notarihin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana.
Ny fandraisan-tanana dia tanterahina amin’ny Mpitandrina voatokana ka atolotry ny Synodamparitany ampahibemaso amin’ny Fitandremana nanendrena azy, rehefa niasa tao nandritra ny herintaona. Izany no tanterahina dia mba ho fanehoan’ilay Mpitandrina sy ny Fitandremana iasany ny fahavononan’izy ireo hiaraka hiasa.
Raha nanambara ny fikasany sy izay ho tanterahiny amin’ny Fiangonana ny Mpitandrina dia hoy izy: “Mpanompoko ianao efa nofidiako ka tsy mba nariako (Isa 41:9b). Eto anatrehan’Andriamanitra izay niantso ahy sy Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy ahy ary ny Fanahy Masina Mpampahery, izaho Rajarison Nirina Mamihanitriniaina Mpitandrina dia manao izao fanekena izao. Tsy hikely soroka ary mbola hampiroborobo hatrany ny fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy, tsy eto Andrainarivo Fahasoavana ihany fa hatramin’ny rafitra isan’ambaratongany eto amin’ny FJKM. Hitandrina toy ny anakandriamaso ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Hitaiza sy hampianatra mandrakariva ny foto-pinoana. Hiezaka hijoro hatrany ho ray aman-dreny hampiombona ny Fiangonana. Hanamafy hatrany ny fitsidihana tokantrano. Hanao izay hahalavorary ny fivoriana rehetra eto amin’ny Fiangonana. Hanohy sy hanatsara ny maraim-baovao sy ny mofon’aina izay zaraina isan’andro amin’ny Facebook. Hanao zava-dehibe ny fampianaram-pinoana sy ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho simba ary hananatra izay tsy mitoetra tsara amin’ny finoana. Handray andraikitra hatrany eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina manoloana ny raharaha sarotra. Hiezaka hanangana ireo vaomiera samihafa eto amin’ny Fitandremana. Ny herin’Andriamanitra izay homem-boninanhitra no iankinako hahatanterahako izany”.
Hoy kosa ny Mpitantsoratry ny Fivoriana voalohany, Rtoa Yip Chin Pang Andriamiarimbola Muriel raha nitondra ny tenin’ny vahoakan’Andriamanitra: «Ry havana malala ao amin’ny Tompo, faly miarahaba anareo rehetra amin’ny alalan’ny Tompontsika. Ny Biraon’ny Fiangonana, ny Firahalahian’ny Loholona sy Diakona, ny Sampana velona rehetra, ny Fiangonana manontolo sy ny zanaka am-pielezana, amin’izao fandraisan-tanana ny Mpitandrina izao, dia mitondra izao teny izao ny tenako. Manamafy izahay fa ho mpiara-miasa aminao hampiroborobo hatrany ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hitandro mandrakariva ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho simba amin’ny fankatoavana ny ray aman-dreny Mpitandrina mivady satria zanakareo izahay; araka ny tenin’Andriamanitra hoe: Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany. Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao hamoy fo izy (Kol 3: 20-21). Hampandroso ny Fiangonana na eto Andrainarivo na eo amin’ny Synodamparitany na eo anivon’ny Foibe FJKM amin’ireo adidy samihafa izay hiantsorohanay. Zanaka sy ray aman-dreny miaraka manome voninahitra an’Andriamanitra eto amin’izao Fitandremana Andrainarivo Fahasoavana izao isika ka fifandraisan-tanana manamafy fihavanana, iandrandrana fiadanana eto Andrainarivo Fahasoavana. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra, misaotra tompoko».
Notoloran’ny Prezida Synodaly ny takela-pahatsiarovana ny Mpitandrina sy ny Fitandremana Andrainarivo Fahasoavana sady nanazava ny anton’ny fanolorana baiboly izy: «Ny Mpitandrina no mpanompon’ny teny. Amin’ny fotoana tahaka izao dia marihana mandrakariva amin’ny fanolorana baiboly izany maha mpanompon’ny teny ny Mpitandrina izany. Atolotra ny baiboly hihavaozan’ny Mpitandrina amin’ny fampianarana. Atolotra ny baiboly hihavaozan’ny Mpitandrina amin’ny fitorian-teny sy ny fitarihana ny Fiangonana hifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny sitrapon’Andriamanitra, ary ny asa sy ny fanompoana izay tanterahin’ny Fiangonana. Ny Mpitandrina no Ministre de la parole. Ianao izany no Minisitra voalohany eto. Tolorana ireto baiboly roa ireto ianao, ny iray amin’ny teny frantsay ary ny iray hafa amin’ny teny Malagasy. Hoy ny Soratra Masina, raiso ity horonan-taratasy ity ka hano dia mandehana ka mitenena ihany».
Nanolotra robe pastorale sy zionga amin’ny lokony rehetra ny Fiangonana ary ny tsodrano. Nampitafy azy mianakavy ihany koa. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.
Fanamarihana ny fandraisan-tanana niarahana tamin’ny Fiangonana sy zanaka am-pielezana
Ny Alahady 22 Desambra 2024 no nanamarihana ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina mianakavy niaraka tamin’ny Fiangonana sy ny Zanaka ampielezana. Niditra tamin’ny 9 ora ny fanompoam-pivavahana. Nitarika ny fotoana ny Filohan’ny Komity, Rakoto Mahefarinoro William René, nitory ny tenin’Andriamanitra ny Mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana Kaleba, Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe.
Toa izao ny fizotran’ny asa vavolombelona: Nohiraina ny hira faneva izay noforonin’i Zo Mandroso Nantenaina, nanolotra tsodrano ny Sampana sy Fikambanana samihafa, nandray anjara fitenenana ny Filohan’ny Komity, nitondra ny teny fisaorana ny Mpitandrina Rajarison Nirina, nitondra ny tenin’ny Fiangonana kosa ny Mpitantsoratry ny Fivoriana Yip Chin Pang Andriamiarimbola Muriel, ary namarana ny fotoana ny Mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana Kaleba sady nivavaka.
Narahin’ny fiaraha-misakafo izany ka tsaramaso sy saosisy ny laoka.
Nanangona: JR
Hametraka hevitra
Midira aloha