DIARIN'NY MPITANDRINA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 133
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 133
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Milazalaza ny momba ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy
Pejy 2
12 taona (2011-2023) nanompoana tao Ambohidanerana ny Mpitandrina Rajarison NirinaNisy soloten’ny Fiangonana, notarihan’ny Tonian’ny Fiangonana Ramparany Tiana, nanatrika ny fanaovam-beloma ny Mpitandrina Rajarison Nirina tany amin’ny FJKM Ambohidanerana Fahazavana ny Alahady 12 Martsa 2023.
Ny Mpitandrina Delege, Atoa Olivier avy ao amin’ny FJKM Ambohibao Ziona izay nitarika sy nitory ny tenin’Andriamanitra no nandrindra fotoana. Hoy izy raha nitodika tamin’ny Mpitandrina Rajarison Nirina mianakavy: “Izao no ambaran’ny Soratra Masina ho anareo mianakavy kely izay irahin’ny Tompo indray hitondra ny Fitandremana any amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana (Efs 4. 1-3). Mahereza sy mahatanjaha ry izy mianakavy. Mbola tsy nahita ohatra izao aloha izahay dia ny fanatrehan’ilay Fiangonana hovantanina amin’ny fanaovam-beloma. Mankasitraka anareo. Soa fianatra”.
Nandray fitenenana ny solotenan’ny Fitandremana Ambohidanerana Fahazavana: “Eo anatrehan’izany firarian-tsoa mahafinaritra nomen’ny Pasteur Olivier izany ry havana dia mbola mamerina hatrany koa fa na nisy aza ny zavatra nanahirana dia tsapan’ny Fiangonana fa nitarika anay amin’ny fahamarinana ianareo ary haneho izany fankasitrahana izany ny Fiangonana amin’ny marika hita maso. Amin’ny fo feno fitiavana no anolorantsika izany. Ny asa Pastoraly natao teto Ambohidanerana no mifarana fa ny fifaneraserana eny anivon’ny fiaraha-monina sy eto amin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana dia mbola mitohy hatrany. Isan’ny mpanompo nikely aina tamintsika izy ka anefantsika ny marika hita maso am-pitiavana. Misaotra tompoko”.
Nitondra teny fisaorana ny Mpitandrina Rajarison Nirina: “Misaora amin’ny zavatra rehetra. Misaotra antsika tsirairay avy, ataoko hoe isika fa tsy ianareo, satria iray ihany isika ao amin’ny Tompo. Ny zava-dehibe dia andeha isika hifankatia hatrany, araka ny didy nomen’ny Tompo antsika. Misaotra anareo fa mbola mandeha daholo ny asa rehetra; toy ny maraim-baovao, ny tafika masina. Aza hadinoina ny mofon’aina, vakio fa mahasoa antsika ireny ary mitondra hery antsika fa tsy alahelo. Aleo mifaly fa tsy lavitra izahay. Raha misy zavatra atao dia antsoy fa afaka mifanotrona, raha misy zavatra ataonay koa any dia antsoinay ianareo satria iray ihany isika. Mankasitraka indrindra tompoko amin’ny vola aman-karena ny Tompo hampitombo avy zato arivo heny ny paosy nialan’izany. Ny asa vita teo dia tsy izahay no isaorana fa ny Tompo nanome hery nahazoana nanatanteraka izany asa izany. Ny Tompo homba anareo hatrany. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra”.
Fiaraha-misakafo tao amin’ny akany no namarana ny fotoana.
Tonga teto Andrainarivo, Ambohidanerana
Ny Alahady 26 Martsa 2023, mialohan’ny filazan-draharaha no nandray fitenenana ny solotenan’ny FJKM Ambohidanerana Fahazavana toerana niasan’ny Mpitandrina Rajarison Nirina teo aloha.
“Ny voalohan-teny ry havana dia misaotra an’Andriamanitra lehibe isika nampihaoniny amin’izao Alahady izao ary fifaliana ho anay Ambohidanerana no miarahaba anareo rehetra izay tonga eto. Nambaran’ny ray aman-dreny teo fa hanatitra an’i Pasitera izahay, kanefa raha ny marina dia efa tonga aty aminareo izy fa izahay kosa avy hitsidika anareo noho ny taona maro lasa niarahanay Fiangonana taminy. Fifaliana lehibe ho anay ny mampahalala anareo ny tantara foy izay niainanay niaraka taminy sy izay tsara ho fantatra ihany koa eo amin’ny fiainan’izany ray aman-dreny Mpitandrina izany.
Ny anarana izay nomen’ny ray aman-dreniny azy dia Rajarison Nirina Mamihanitriniaina. Mpitandrina izy ankehitriny. Fito mianaka izy no tonga tany amin’ny FJKM Ambohidanerana Fahazavana ny faran’ny Martsa 2011, niaraka tamin’ny vady aman-janany sy ny zafiny, avy tany amin’ny FJKM Ambohitsimeloka Fahazavana. Izany hoe misy hazavana mandrakariva ny miaraka aminy dia tonga aty aminareo indray ka lasa fahasoavana.
Maro ny asa izay nosahaniny tao Ambohidanerana toy ny fitoriana ny Filazantsara, ny fitsidihana ny marary, fampandraisana an-trano mitety vohitra, ny fananganana ireo fikambanana samihafa tao amin’ny Fiangonana, ny fananganana vondrom-bavaka, ny fanentanana ny Sampana velona miisa enina.
Teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia anisan’ny zava-dehibe aminay Ambohidanerana ny naha voafidy azy hisolo tena ny Mpitandrina eto amin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana tamin’ny Synoda Lehibe faha 18 natao tany Antsirabe. Izy koa no Filohan’ny firahalahian’ny Mpitandrina teto amin’ny SPAA teo aloha ary ankehitriny dia Filohan’ny FIFAMPI eto amin’ny Synodamparitany.
Nandalo dingana maro izy teo amin’ny fiainana talohan’ny nahatongavany amin’izao maha Mpitandrina azy izao satria nandalo ny maha Mpandray ny fanasan’ny Tompo, Mpiandry sy Katekista. Midika izany fa azo dinganina daholo izany eo amin’ny sehatry ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy nikely soroka koa izy teo amin’ny fampitomboana ny fahalalana momba ny fahafantarana an’Andriamanitra, ka nianatra ary nahazo ny Master II en Théologie mikasika ny ancien Testament.
Nanamarika ny fiainany koa ny namoizany ny vadiny voalohany tamin’ny andron’ny covid (2021). Na tantely amam-bahona aza ny fiainana dia namoaka ireo zanany roa vavy tao Ambohidanerana ho amin’ny fanambadiana izy.
Ary amin’izao fanateranay azy izao dia navesatra taminay Ambohidanerana tokoa ny nialany tany aminay nefa noho ny fampianarana izay nataony taminay manao hoe: “Tsy ho anareo ihany ny fitoriana ny Filazantsara sy ny asa izay ataoko fa natao ho an’ny rehetra” dia faly izahay fa tonga aty aminareo izy hitory ny Filazantsara mba hisy fanahy velona ho amin’ny fiainana mandrakizay hanatevina ny efa lasa sy ho antsika koa satria samy ho any isika rehetra. Nampibebaka sy namonjy fanahin’olona maro izy ry havana araka ny Jak 5. 19-20 hoe: Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
Ny hira ahatsiarovanay an’i Pasteur Rajarison Nirina dia ny Fihirana Fanampiny faha 16 ary ny tenin’Andriamanitra izay anisany napetrany taminay sy nosafidiny ho filamatra eo amin’ny fiainany dia Asa 20. 24 manao hoe: Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny Filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra. Izany teny izany ry havana no nitaizan’ity ray aman-dreny ity anay ary nanehoany koa ny fikirizany sy ny hirifiry samihafa teo amin’ny fiainany. Mankasitraka sy misaotra anao izahay Pasteur.
Eto am-pamaranana ry havana dia tianay ny miarahaba ihany koa an-dRamatoa na Neny Razakarivelo Nantenaina, izay vao haingana ihany no tonga tao aminay nefa efa lasanareo aty. Mahefà be amin’ny asan’ny Tompo Ramatoa.
Fiangonana Ambohidanerana Fahazavana dia mampita ny fisaorana sy ny fankasitrahana anareo eto Andrainarivo Fahasoavana noho ny fanateranay sy nanasanareo anay ihany koa mba hiatrika izao fanompoam-pivavahana izao. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra”.
Fisaorana ny Mpitandrina Delege Rakotomavo Mino Harivony
Natao ny Alahady 23 Aprily 2023 ny fisaorana ny Mpitandrina Delege Rakotomavo Mino Harivony mivady izay nitondra ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana nandritra ny telo volana. Ny Mpitandrina Rajarison Nirina no nitarika ny asa vavolombelona.
Hoy ny Mpitandrina Delege: “Misaotra ny Biraom-piangonana tamin’ny fiaraha-miasa. Mankasitraka ny vadin’izy ireo ihany koa. Ialanatsiny sy anaovana azafady raha nisy tsy tanteraka. Misaotra ny Mpitandrina miza-draharaha ary mirary hotafitasoa amin’ny fianarana izay atao. Mankasitraka ny Filodia sy ny mpihevi-draharaha. Kely ny fotoana niarahana fa nafonja ny fiaraha-miasa. Misaotra ny Fiangonana manontolo. Misaotra anareo nizaka ny fahalemeko amin’ny toriteny lava. Misaotra ny Mpitandrina Nirina mivady. Hanao ny asan’Andriamanitra amin’ny fifaliana anie ianareo. Misaotra amin’ny certificat sy ny tononkalo. Misaotra amin’ny rakitra fahatelo fa feno fahasoavana izahay. Misaotra fa nataonareo tamin’ny fitiavana izany. Ny tenin’Andriamaitra izay notorina anie hamoa any am-poanareo. Ny Salamo faha 118 andininy faha 26 no atolotray anareo: Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo”.
Alahadin’ny Mpitandrina Rajarison Nirina mianakavy
Alahady 6 Aogositra 2023, Alahadin’ny Mpitandrina eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Ity no Alahadin’ny Mpitandrina voalohany ho an’ny Pasteur Rajarison Nirina mianakavy. Ny Mpitandrina miza-draharaha Raherimpirenena Arthur no nitarika sy nitondra ny Tenin’Andriamanitra nalaina tao amin’ny Asan’ny Apostoly 20. 22-24. Ny andininy faha 24 no nosafidian’izy mianakavy ho toriana, izay manao hoe: “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra”.
Teo amin’ny asa vavolombelona dia nohirain’ny AMAM ny hira mitondra ny lohateny hoe: “Havaoziko ilay voady” (FF 53), izay fangatahan’izy mivady ary taorian’izay dia nitondra ny tenin’ny Fiangonana ny Tonia Ramparany Tiana. Ny Isaia 43. 1-5 sy ny I Jao 3. 18 ary ny Gal 6. 6 no firarian-tsoa nomeny.
Raha nandray fitenenana ny Mpitandrina Rajarison Nirina dia hoy izy: “Finaritra ry havana (sady nahofahofany ny tanany an-kavanana). Ny teny voalohany dia fisaorana an’Andriamanitra, fa ny faharoa dia mankasitraka ny Fiangonana sy ny tsirairay. Misaotra, misaotra, misaotra. Mbola kely ny vitanay teto fa ny vavaka nataonareo dia zava-dehibe. Misaotra ireo fianakaviana manotrona. Ny asa natao dia foafehin’ny hira sy ny Soratra Masina nosafidianay. Afaka manontany ireo toerana rehetra efa naleha sy niasanay ianareo, fa rehefa miasa izahay dia miasa. Mivavaha ho anay fa bitika ihany izahay. Betsaka ianareo no manatona ahy fa mila mifampivavaka isika. Tsy manavakavana izahay fa mitovy avokoa ianareo rehetra”.
Ny hiran’i Mialy Rakotomamonjy mitondra ny lohateny hoe: “Tiako loatra” no nohirain’izy mivady niaraka tamin’ny zanany vavy sy ny vadiny.
Lany ho Mpitandrina raikitra eto Andrainarivo Rajarison Nirina
Fivorian’ny Mpihevi-draharahan’ny Fiangonana Andrainarivo Fahasoavana ny Sabotsy 16 Martsa 2024. Ny lahadinika dia ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina mivady. Nitondra ny fanazavana ny Tonian’ny Fiangonana, Ramparany Tiana. Hoy izy: “Ny 5 Martsa 2023 no nanateran’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana ny Mpitandrina teto amintsika. Feno herintaona izany ka raha ny voalazan’ny foto-dalana sy fitsipika FJKM izay hamafisin’ny fitsipiky ny Synodamparitany dia atao ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina, ka ialohavan’ny latsa-batom-pitokisana ataon’ny Mpihevi-draharaha sy ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo”.
Nasaina nitsangana hanambara ny mombamoba azy ny Mpitandrina ary teo am-pamaranana ny teniny dia hoy izy: “Tsy mangataka aminareo ny hankalazana ny faha 25 taona maha Mpitandrina ahy aho fa ny hany angatahiko amin’ny Fiangonana dia baiboly misy ny soratra fahatsiarovana izany fotoana izany sy fanatanterahana fanompoam-pivavahana”.
Nasaina nivoaka ny Mpitandrina fa handinika ny Mpihevi-draharaha. Niroso tamin’ny latsabato miafina ny mpivory ka toa izao ny vokatra.
Mpihevi-draharaha: 211
Tonga nifidy: 125
ENY: 104
TSIA: 20
Vato maty: 1
Taham-pahavitrihana: 59,24%
Nasaina niditra ny Mpitandrina ka raha vao niditra ny varavarana izy dia tehaka sy hoby no nandraisan’ny maro azy. Nambaran’ny Tonia ny fanapahan-kevitry ny Mpihevi-draharaha. Hoy ny Mpitandrina raha namaly izany: “Misaotra anareo. Misaotra ny Tompo koa. Manomboka eto ny asa. Misaotra anareo fa tsy notsipahinareo ny mpanompokelin’ny Tompo.”
Fankatoavana ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina
Nentina teo amin’ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, ny Alahady 24 Martsa 2024 ny fanapahan-kevitry ny Mpihevi-draharaha.
Mialohan’ny fankatoavan’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia nilazalaza ny momba azy ny Mpitandrina Rajarison Nirina:
«Rajarison Nirina Mamihanintriniaina, teraka ny 8 Aprily 1965 tao Toliara, zanaky Rajarison Jules Aubertin, mpampianatra sy Rajosoarizanany Mariette Michelle, mpiasa birao. Papa efa maty fa ny Mamanay mbola velona, 69 taona izy izao.
Ny Fiangonana nihavianay dia ny FJKM Ambatolampy antampon-tanàna izay nanolotra anay sy ny FJKM Arivonimamo ary ny FJKM Ambohijanahary. Io fasana ao Befelatanana io no fasan-drazanay.
Manambady an-dRtoa Razakarivelo Nantenaina. Manan-janaka enina izahay, fito hatramin’ilay zanakay natsangana, izay efa any amin’ny ray aman-dreniny ankehitriny. Ny zanakay telo no efa manambady ary ny zafikely efa misy dimy.
Nianatra tao amin’ny Masera tamin’ny taona 1974, nanohy tany Arivonimamo, Miarinarivo, Ambatolampy, Lycée Botokeky Toliara.
Niomana ho Mpiandry ary notokanana ny 9 Septambra 1996 tao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Ny toerana niomana tamin’izany dia tany Miarinarivo, tao Ampasamanatongotra, tao Arivonimamo, tany Ambatolampy. Izany hoe nifindra toerana dia nitondra taratasy hatrany. Nivoaka Katekista (Sefala) tamin’ny 1998, ka izahay no andiany voalohany tamin’ny Sefala. Nianatra tany amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina tany Fianarantsoa ary nivoaka ho Mpitandrina tamin’ny 2002 (Baccalauréat en Théologie). Nanohy nianatra tao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga ka nahazo ny licence en Théologie tamin’ny 2007, ny taona 2010 nahazo ny Maitrise en Théologie, ny taona 2014 nahazo ny Master en Théologie, andiany niaraka taminay ry Pasteur Fidimalala ao amin’ny FJKM Avaratr’Andohalo sy Pasteur Charlot Razakarivony, Tonian’ny Sekoly Alahady Foibe FJKM. Fandalinana momba ny Testamenta Taloha no natao.
Ny Fiangonana efa nolalovana dia Anivorano Maromamy, Kaominina valo no nosahanina tamin’izany. Tao amin’ny FJKM Avaratr’Andohalo, Mpitandrina mpanampy nandritra ny herintaona. Aumonier tao amin’ny Librerie Antso sy Trano Printy Imarivolanitra. Nitondra Fiangonana telo tany amin’ny faritra Isoavina dia Ambohitsimeloka, Isoavina, Ambohibary sady nampianatra tao amin’ny Lycée ary nanenjika Sefala tao Ambatomanga sy Mantasoa. Niharan’ny lozam-parakodia no namindrana anay tany amin’ny FJKM Ambohidanerana Fahazavana. Nasaina nisafidy tamin’ny Fiangonana telo izahay tamin’izany ka izay misy Lycée no nandehanana. Efa talen’ny Sefala, efa Filohan’ny firahalahian’ny Mpitandrina Synodamparitany Antananarivo Atsinanana, ary mbola Filohan’ny FIFAMPI Synodamparitany. Raha misy olana tsy vitan’ny Synodamparitany eo amin’ny Mpitandrina vao miakatra ao amin’ny FIFAMPI. Ny FIFAMPI koa no manokana Mpitandrina miaraka amin’ny Filohan’ny FJKM na ny Prezida Synodaly. Nalefan’ny Synodamparitany eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izahay ankehitriny.
Mikasika ny faha 25 taona maha Mpitandrina anay dia tsy ankalazaina fa marihina kosa amin’ny alalan’ny vavaka izay takiako ary ny zavatra atolotrareo dia baiboly misy soratra hoe faha 25 taona maha Mpitandrina. Mankasitraka tompoko».
Nitehaka ny Fiangonana rehefa vita ny fandraisany fitenenana.
Nasaina nivoaka ny Mpitandrina mivady sy ny Mpitandrina miza-draharaha ka rehefa niverina izy dia hoy ny Tonia, Ramparany Tiana. «Eny Pasteur, nankatoavin’ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny irosoana amin’ny fandraisan-tanana anareo mianakavy».
Hoy ny Mpitandrina Rajarison Nirina namaly izany: «Mankasitraka ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo tsy nanilika anay madiniky ny Tompo. Ny angatahiko mafy dia mifampivavaka isika, mila mifankatia dia ho hitantsika ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra. Mankasitraka tompoko».
Trano no atolotra ho fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina
Ny Alahady 17 Novambra 2024. Taorian’ny tsodrano ary mialohan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia nitsangana ny Mpitantsoratry ny Fivoriana voalohany Andriamiarimbola Muriel (MSF) nilaza fa misy fivorian’ny Mpandray tsy ara-potoana hanapahana ny momba ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rajarison Nirina. Niakatra teo amin’ny polipitra nandray fitenenana ny Filohan’ny Komity Rakoto Mahefarinoro William René.
«Araka ny efa notapahintsika dia tany no atolotra ny Mpitandriana mianakavy noho ny fandraisan-tanana azy. Efa nijery tany ny komity na teto andrenivohitra fa indrindra tany Ambatolampy tanindrazan’ny Mpitandrina. Nisy ireo tany hita nefa tsy mbola tanteraka araka ny tokony ho izy. Nisy ny hevitra vaovao avy amin’ny Mpitandrina ray aman-dreny sy ireo iray tampo aminy, izay nahazo tsodrano avy amin’ny reniny manao hoe: Manana trano ao Ambatolampy ry zareo ka raha manaiky ny Fiangonana dia izany trano izany no vidin’ny Fiangonana ho fandraisan-tanana sy fitsinjovana sahady ny fisotroan-drononon’ny Mpitandrina afaka dimy taona (2030). Mitentina eo amin’ny 50 tapitrisa Ariary izany ka ny 15 tapitrisa Ariary noheverina hividianana tany no atolotra amin’ny fandraisan-tanana. Nodinihina teo amin’ny fiheveran-draharaha natao omaly Sabotsy 16 Novambra 2024 izany ka neken’ny mpihevi-draharaha ary entina eto anivon’ny mpandray ny fanasan’ny Tompo raha tapakareo. Mijery antsika Fiangonana ny Mpitandrina ray aman-dreny ka manao izay tsy hahavaky tratra antsika satria tsy nanaiky ny hankalazana ny faha 25 taona maha Mpitandrina azy izy fa fanamarihana amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ihany. Eo koa ny mbola handraisantsika Mpitandrina vaovao rehefa misotro ronono izy».
Tsy nisy ny fangatahana fanazavana fanampiny. Natao ny tsangan-tànana ka lany tsy nisy nitsipaka ny hevitra. Nasain’ny Filohan’ny komity nitsangana ny Fiangonana ary nitodika tany amin’ny Mpitandrina Rajarison Nirina izy: «Eny ry izy mivady, tapaky ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo fa io trano io no atolotra anareo». Narahin’ny rehetra tehaka izany.
Namaly izany ny Mpitandrina ka hoy izy: «Misaotra anareo Fiangonana. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra».
Hametraka hevitra
Midira aloha