FAMPIOFANANA SY FIOFANANA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 34
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
FAMPIOFANANA NATAON'NY AFIFAB FJKM
Pejy 1
Fifanakalozana traikefa sy fifampiofanana momba ny Gazetim-piangonana sy ny Fampahalalam-baovao kristiana no niompanan' ny dinika sy ny atrikasa natao teny amin' ny CFD Ampandrana Antananarivo ny tontolo andron' ny Alakamisy faha-9 Jona 2016 teo. Maro ireo hevitra nivoitra nandtritr' izany ka nampanankarena ny fifanakalozana teo amin' ny mpandray anjara rehetra.
Avy amin' ny faritra samihafa, ny Foibe, Synodamparitany samihafa sy Fitandremana samihafa ireo mpandray anjara izay nahatratra 60 mahery. Misaotra antsika rehetra nametraka ho zava-dehibe iny fotoana iny; tsy nahalavi-tany ho an-dry zareo avy any Faratsiho!
Fisaorana no atolotry ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao anareo rehetra na alavitra na akaiky; ny mpampiofana, ny mpiara-miasa rehetra teto amin' ny AFIFAB, ny Komitin' ny AFIFAB Foibe ary ireo nanampy tamin' ny fahatontosana izany dinikasa izany.
Hampandroso ny gazetim-piangonana anie izay norantovintsika ary hampitombo ny ambaindain' ny Fitoriana ny Filazantsara .
Isaorana ihany koa ny Raiamandreny, Sekretera Jeneralin' ny FJKM,ny Mpitandrina Marinasy nitondra ny Hafatra ho an' ireo Mpandray anjara rehetra! Izy moa raha tsiahivina no Talen' ny Famoahana ho an' ny Gazety Marturia Vavolombelona.
Mirary soa dia tahian' ny Tompo isika rehetra.
Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao Foibe (AFIFAB/FJKM)
34

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1385