NY FANAMBADIANA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 7
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 7
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Ny Fanambadiana
Andeha hojerentsika ny mahakasika azy io, eo amin’ny Finoana Kristiana sy ny Jodaisma ary ny Silamo.
Pejy 1
Ny FanambadianaAndeha hojerentsika ny mahakasika azy io, eo amin’ny Finoana Kristiana sy ny Jodaisma ary ny Silamo.
Ny Kristiana sy ny Jodaisma:
Samy manamafy izy ireo fa i "
Adama "; no notoloran’Andriamanitra an’i Eva ho vadiny. Nandika izany Abrahama ka naka an’i Hagara mpanompovaviny ho vadiny faharoa. Voatery nandroaka azy izy satria hoy Jehovah taminy: " Avy amin’Isaka no hiantsoina izay taranaka ho anao ". Nitohy izany ka Rebeka ihany no vadin’Isaka.
Ny mpanjakan’Israely dia nodidian’i Jehovah hoe: " Aoka tsy hampirafy izy, fandrao hivily ny fony. Nanimba an’i Solomona ny vady maro satria fandavany ny tenin’i jehovah izany: " Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena...; ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo...; hanaraka andriamani-kafa...; ary Jehovah tezitra tamin’i Solomona...; izay nandidy azy tsy hanao izany...; nefa tsy nitandrina izay nandidian’i Jehovah...; Ka dia hoy Jehovah tamin’i Solomona...; Hendahiko ho afaka aminao ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao " I Mpanj 11.
Manamafy ny maha tokana ny vady ny Testamenta Vaovao araka izany, ka hoy Paoly raha nanoratra: " Ny Mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manatsiny, manambady tokana " ITim 3:2.
Raha niresaka tamin’i Jesoa ilay vehivavy Samaritana, teo am-pantsakana: "...; fa efa nanambady in-dimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao
ankehitriny"
Mazava amin’izany ary fa tokana ihany ny vady ara-dalana, na ao amin’ny Testamenta Taloha Baibolin’ny Jodaisma na araka ny Baiboly manontolo Tenin’Andriamanitry ny Kristiana. Mazava ny fifampitondran’ny mpivady araka ny Soratra Masina: " Ianareo vehivavy maneke ny vadinareo, tahaka ny anekena ny Tompo " sy ny hoe: " Ianareo Lehilahy tiava ny vadinareo " Efes 5.
Na ny Kristiana izany na ny
Jodaisma, dia samy manamafy fa tokana ny vady araka ny Tenin’Andriamanitra, ary fitiavana sy fifanajana no fitsipiky ny fanambadiana.
Ny Silamo:
Mitovy amin’izany ve ny an’i Silamo?
Toy izao no voasoratra ao amin’ny Korana izay boky masina ampiasain’ny Silamo: " azo atao tsara ny manambady roa na telo na efatra amin’ny vehivavy mahafinaritra anareo
, nefa raha matahotra ny tsy ho marina amin’izy ireo ianareo dia aoka ho iray na ireo mpanompo andevo anananareo no ho vadinareo ".
" les hommes ont autorité sur les femmes des faveurs qu’allah accorde à ceux-là sur celles-ci...; Les femmes vertueueses sont obéissantes à leur mari...; et quant à celles donts vous craignez de désobéissance exhortez-les, éloignez-vous d’elles dans leurs lits et frappez-les ".
Araka izany dia manam-pahefana amin’ny vehivavy ny lehilahy araka ny fahefana omen’i Allah azy ireo... Ny vehivavy mahatoky dia mankatoa ny vadiny, nefa ho an’ireo vehivavy (vady) izay ahianareo tsy hankato dia hanaro aloha manalavira azy eo am-pandriany ary faizo izy.
Ny mpaminany Mohameta, dia nanambady efatra ambin’ny folo; ary saika vehivavy avy amin’ireo foko na firenena resiny no nalainy vady. Noho izany tsy fitovizan’ny fampianarana izany dia izao no voasoratra ao amin’ny Korana: " O! ry mpino. Aza mifandray amin’i Jiosy sy Kristiana. Avelao izy hiray hina. Izay misakaiza aminy dia hitovy aminy, ary Andriamanitra dia tsy hitari-dàlana ny mpivadibadika ".
Ny Mpitandrina, RAZAFIARISON Emilien

Hametraka hevitra
Midira aloha