NY TANTARA NIANDOHAN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FJKM (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 16
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 16
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
TANTARA FIANDOHANA
Pejy 2
“ Mandehana, ilazao ny Protestanta Malagasy fa i Frantsa reninay dia tsy mba manadino ny zanany amin’izay finoana na fivavahana arahiny, fa efa nosoratany eo an-dohan’ny lalàny ilay lalàna lehibe ahazoan’ny olona rehetra mivavaka araka izay lazain’ny fietritreretany avy ho mety ”.Ny 01 Martsa 1896 indray izy ireo dia nisantatra fanompoam-pivavahana amin’ny teny Frantsay teto Antananarivo, tao amin’ny sekolin-jazavavy tao Ambatonakanga.
Nanatrika an’io fotoam-bavaka io Atoa Hippolitte , izay voatendry hisolo ny Résident Général Laroche, Efatr’andro taty aorian’io dia noraisin-dRanavalona III , izy roalahy ka nangataka azy hanao Batisa ny iray tamin’ny zanany natsangany sady nanoratra taratasy ho fankasitrahana ny komitin’ny Mission de Paris
Ny 11 Aprily 1896 , i Fruger , dia nanoratra ho an’ny Mission de Paris mba hanekeny ny hitanan’ny Pasteur Frantsay ireto andraikitra telo sosona ireto:
. ho Talen’ny Ecole du Palais
. hitondra ny Eglise du Palais
. hiandraikitra ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny Frantsay.
Nekena izany ny 15 Septambra 1896 ; ary tonga tonga teto Atoa Benjamin Escande , mpitandrina ny 25 Martsa 1897, dia niampy dimy indray ny misionera M.P.F, dia Atoa isany Edmond Meyer , mpitandrina izay niandraikitra ny Fiangonana miteny Frantsay sy ny tao Anatirova; Siméon Delord , mpitandrina izay nitondra ny Distrikan’Imerina ivelan’ny Renivohitra; Paul Minault , mpitandrina izay nalefa hiasa tany Betsileo ary ny mpampianatra roalahy Atoa Gustave Mondain sy Charles Ducommun.( Efa mba voaresaka ihany tery aloha ) .
Teo am-piandohana dia azo lazaina ho telo lehibe no niadidian’ny M.P.F dia ny Fampianarana sy ny Fitondram-piangonana ary ny Fahafahana momba ny Fivavahana. Ny Fiangonana tao Ambohitantely notantanan’ny F.F.M.A dia natoliny ho tantatanan’ny M.P.F, tamin’ny taona 1904 ; noraisiny torak’izany ihany koa Ambavahadimitafo sy Avaratr’Andohalo izay lasa biraon’ny Paositra tamin’ny taona 1897 ary natao « Paroisse Internationale de langue Francaise » taty aoriana. Andrainarivo, izay ny M.P.F no nitantanana azy ny Taona 1869. Mpampianatra valo no nalefa hianatra tany Frantsa niaraka tamin’Atoa Lauga , mpitandrina
Rasoamiaramanana, Inspecteur des Ecole L.M.S
Rabary , Professeur, Collège de Théologie L.M.S
Razafimahefa, Professeur, Ecole Supérieure Ambohijatovo
Rabetafika , Professeur, Collège de Théologie L.M.S
Rakotonirainy, Professeur, Ecole Supérieure Ambohijatovo
Rasoanaivo Charles, Professeur, Ecole Officiele Ambatobevanja
Andrianaivoravelona Joseph, Professeur, Ecole Supérieure L.M.S tao Ambatonakanga
Rabemananjara . ( Ity olona iray ity , tsy fantatra na ilay olon’ny MDRM ; na ihany koa ilay Minisitra faha Tsiranana Philbert na olona hafa mihintsy )
Hitantsika amin’izany ary fa olona ambony avokoa ireo nalefa hianatra tany am-pita ireo.Niainga teto Madagasikara ny Talata 03 Novambra 1896 izy ireo, ary tonga tany Frantsa ; telo volana taty aoriana.
Ny volana Septambra 1897, vokatry ny kaonferansa misionera, nivory ny Oktobra 1898 , dia naorina ny toerana fanomanana mpitandrina an’ny M.P.F, tao Ambatomanga, Manjakandriana izay niadidian’ny Pasteur Fédéric Vernier . Tsy azo sarahana amin’izao tantara izao, fa tao amin’io Sekoly fanomanana mpitandrina io no nanomanan-dRakotonirainy Jonson, ho Mpitandrina ny taona 1949.
Fa talohan’izao, izany hoe : ny 10 Janoary 1897 ; dia nalefa taty Madagasikara ny mpampianatra roalahy, Atoa isany: Léopold Galland sy André Durand . Efa nisy Sekoly Protestanta 800, nianaran’ny mpianatra 3.000 teo ho eo.
Ny tapaky ny volana Septambra, tonga teto Madagasikara ny Géneral Joseph Simon Gallieni ny 16 Septambra 1896, hitondra ny Firenena sy handamina ny raharaha anatiny , noho ny fiheveran’ny La Frantsa fa mikomy ny Malagasy, mpikomy no niheveran’ireo mpanani-bohitra ireo ny .T.T.M na ny Tia Tanindrazana Malagasy, ny sasany aza moa nihevitra azy ireo ho toin’ny fahavalo na jiolahy mihitsy na dia nisy ihany aza ireo olona vitsy mpandroba sy nanafika noho ny tsy fisian’ny sakafo sy ny fahantrana . Maro ireo foto-drafitr’asa nalainy ankeriny , toin’ny sekoly sy ny hopitaly , ary hitantsika amin’ny tantara manaraka izany : Niseho teto ny teti-dratsin’Ingahy Gallieni , momba ny L.M.S sy ny F.F.M.A.
“ December 21, 1896…The directors heard with regret and concern of the action of French Governement in Madagascar in taking possession of the mission Hospital. They were glad, however, to learn of the earnest and energetic efforts being made by Paris missionary society to induce the Imperial Governement of France to reconsider this motter.
The board recommends that, on the advice of the Paris missionary society, as conveyed through M. le Pasteur Lauga , a memorial be presented to the French Governement, asking them to reaffirm the society’s titles to the Hospital, and to the Normal School and College, as well as to the memorial Churches, and that a copy be sent to Lord Salisbury for information ”
[ Niniana tsy nadika amin’ny teny malalaka, mba tsy hampiova ny dikan-teny.]. Tsy nahomby anefa ny fifampiraharahan’ny fitondrana roa tonta ( Frantsay sy Anglisy ) tany an-toerana, fa samy nanome alalana an’ireo Résidend Géneral ; izay samy misy solon-tenan’ireo Firenena roa ireo teto Madagasikara , hanao izay heveriny ho mety; koa naleon’ny Jeneraly Joseph Simon Gallieni, natolotra ny M.P.F ireo fananan’ny L.M.S sy ny F.F.M.A, na ireo fananan’ny mpanjaka Ranavalona III, ho tantanany.
( Arrêté abolissant la royauté en Imerina, 28-02-1897 . Arrêté attribuant les biens, meubles et immeubles du domaine Royale au Service des domaines, 28-02-1897 et Arrêté affectant un immeuble à une Ecole Francaise, 28-02-1897. )
Ireto ihany koa misy didy hitsivolana roa maneho izany:
Article 1ér. Les bâtiments de l’ecole dite du palais sont donnés en toute propriété à la societé des M.P.F ( Mission Evangéliques de Paris )
Arrêté 656 du 2 Mai 1897, accordant à la mission evangélique de Paris, l’immeuble dit « Ecole Normale Faravohitra ». « Vu la convention du 2 Mars 1897 passée avec la L.M.S et par laquelle cette derniére mission céde au Gouvernement divers immeubles precédemment occupés par elle.
Indro fa efa nihanazava ny andro, noho ny asan’ny misionera izay tsy nikely soroka tokoa , na dia nisy aza ny rahona nitatao teo amin’izy ireo noho ny fanjanahan-tany. Efa voalaza tery aloha ny Fifohazana najoron’Ingahy Rainisoalambo tao Soatanana Fianarantsoa. Fa ny ambara fohy eto dia ny Fifohazana najoron’i Neny Ravelonjanahary tao Manolotrony,
izay mbola anisan’ny faritra iray ao Fianarantsoa ihany ,Raha ny marina kokoa ; ny Faritry Arindrano ao Ambalavao Tsienimparihy. Tamin’ny Taona 1900, ny L.M.S , no namaky lay tany, nodimandry tamin’ny 08 Novambra 1970 izy . Nanaraka azy ny fifohazan’i Farihimena, ao Betafo Avaratr’Antsirabe, izay notarihan’i Dadatoa Rakotozandry Daniel, Pastora F.L.M ; Izy no voatendry hitondra an’io toby io, ao amin’ny faritra Vakinankaratra; tamin’ny taona 1945, ary nodimandry tamin’ny 13 Novambra 1947. Ny Fifohazana tao Vatotsara Antsirabe, izay notarihan’i Baba Rajaofera , tamin’ny Taona 1927 ; izy io dia zanaky Manolotrony. Nodimandry tamin’ny 16 Aogositra 1936. Ny Fifohazan’i Ankaramalaza, izay Mama Volahavana Germaine na i Nenilava , tao amin’ny Firaisana Lokomby, Fivondronana Manakara, ny taona 1941. Maty tamin’ny 28 Janoary 1999. Nipoitra sy nijoro ho tsy miankina ny Fifohazana tao Mandoa Antsirabe. Izay niorina tamin’ny 12 Septambra 1950, ka ( Association Chrétienne du Réveil Spirituel de Madagasikara ) A.C.R.S.M, fa ankehitriny kosa dia Fiangonana Fifohazam-panahy Malagasy na ( F.F.P.M ) izay miorona ho Fiangonana. ( Mpanompon’Andriamanitra maro no nandimby an’i Dada Daniël ) maty tamin’ny 21 Novambra 1982; ity mpanompon’Andriamanitra ity rehefa nahavita ny fihazakazahany .
1.1.3.1 Ny Antokom-pivavahana lehibe :
? Ny EKAR na ny “ Eglizy Katolika Romana ” ; dia tonga teto Madagasikara ny Jolay 1832 . Fa ny 23 Septambra 1861 , vao niditra teto Antananarivo ; ka ny mopera Webber , no lohandohany tamin’izany . Anankiray nataon’ny frantsay voanjo fitaovana faha zanatany . [ Hoy ny soratra vavolombelona sady firaketana :
? “ Tsy noho ny tany nanorenana ny Fiangonana Katolika tetsy Andohalo ; izay nolazaina fa an’ireo mpandova an’Ingahy Laborde , no olana fa ny fomba nanoloran’Ingahy Cassas izay ( Commissaire no anjara asany teto Madagasikara ) azy an’ny mopera Cazet , fa ny fifaliany raha vao reny fotsiny fa manana zo hanana tany teto ny vahiny ” [ . Famelabelarana mialoha nataon-dRazoharinoro , ny taona 1979 .12 taona ny mpanoratra tamin’izany . ]
. EKAR . Mahamasina : 13 Jona 1862
. EKAR . Ambohimitsimbina : 1863
. EKAR . Ambavahadimitafo : 21 Novambra 1863
. EKAR . Andohalo : 8 May 1875
. EKAR . Faravohitra : 1898
. EKAR . Ambatonilita : 1900
? Ny E.E.M , na ny “ Eglizy Episkopaly Malagasy ” . Fiangonana Anglikana . Fiangonana iray izay tena nahazo vahana tany Angletera . Tonga teto madagasikara ireto ; Fiangonana misionera ireto :
Ny S.P.G : 1869
Ny C.M.S : 9 Novambra 1869
. E.E.M . Ankorahotra : 7 Octobra 1872 , nafindra teo Ambatomasina
. E.E.M . Ambohimamory : 13 Octobra 1883
? Ny F.L.M , na ny “ Fiangonana Loterana Malagasy ” Fiangonana Misionera telo ihany koa . Tonga teto Madagasikara izy ireo ny :
Norvegien Missionary Society : tamin’ny 27 Aogositra 1866
Evangelical Lutherin Church : Ny taona 1888
Lutheran Board of Mission : Ny taona 1890
. FLM : Ambatovinaky : 1875
. FLM : Betafo : 4 Desambra 1869
Ny Faritra mianatsimo , Manomboka hatreo Antsirabe ka hatrany Toliara ny tena nanombohan’izay ireo ny asany . Ny Misionera , NMS sy ny ELC ary ny LBM , no nitambatra ho FLM , taty amin’ny fiafaran’ny fanjanahantany . Tsarovy ary fa ny tany Fianarantsoa ny 09 ka hatramin’ny 14 Novambra 1950 dia nanambarany ny fijoroana ho fiangonana tokana ry zareo , ka ny Pastora Rev.Monson ,Surtendant , tao, Taolanaro no voafidy ho filohany tamin’izany fotoana izany .
? Ny F.J.K.M na ny “ Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ” Fiangonana tena tranainy ihany koa ry zareo . Fiangonana Misionera telo tonta ihany koa no nitambatra ho FJKM .
Ny Friends’ Foreigns Mission Association : 01 Jona 1867
Ny Mission Protestanta Français : 03 Febroary 1896
Ny London Missionary Society : Talata 18 Aogositra 1818 , no tonga tao Toamasina ny misionera . Ny FJKM , araka izany dia niorona tamin’ny volana Aogositra 1968 , ka ny Mpitandrina , Titus Rasendrahasina no filohany
Hametraka hevitra
Midira aloha