NY TANTARA NIANDOHAN'NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FJKM (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 19
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
TANTARA FIANDOHANA
Pejy 3
1.1 Ny Sekoly Alahady FJKM
                     Miorina sy mijoro ao anatin’ny Fitandremana iray na Fiangonana iray ny Sekoly Alahady FJKM . Fototra iray maha fiangonana ihany koa ny fisiany sy ny fijoroany . Sampana iray ao anatin’ny FJKM izy na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara . Manana ny fitsipika mifehy azy , ihany koa izy ; ka miainga amin’ny foto-dalana sy ny fitsipika FJKM  ihany koa ; ary eo ambany fiahian’ny departemantan’ny Fiangonana .
1.1.1 Ny Foto-kevitra (7)
                         Asa misiona no ataon’ny Sekoly Alahady ; araka ny baikon’ny Tompo ao amin’ny boky Filazantsara araka an’i Jaona 21: 17 b ; mivaky hoe : “ Fahano ary ny ondriko ” sy araka an’i Matio 28 : 19 a ; manao hoe : “ Mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny Firenena rehetra ” .
1.1.2 Ny Zava-kendreny
                     Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra no anjara fanompoany ary mitory filazantsara amin’ny olona rehetra na anatiny na ivelany ihany koa , mba hahatonga ny olon-drehetra handray ny Teny Soa Mahafaly ; ka hevelarany amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy .
1.1.3 Ny Foiben-toerany
                        Ao amin’ny Trano Ifanomezantsoa etsy amin’ny tohatoha-bato Antaninarenina ; rihana faha enina . Azo afindra araka izay maha mety azy ny Foibeny rehefa eken’ny mpiandraikitra Foibe FJKM .
? Toy izao ny mpikambana ao anatiny :
Ireto ny mpikambana ao amin’ny Sekoly Alahady isan’ambaratongan-drafitra =
1. Ny mpianatra Sekoly Alahady rehetra
2. Ny mpampianatra Sekoly Alahady rehetra
3. Ny mpikambana ao amin’ny ambaratongam-pitondrana ary amin’ny ambaratongan-drafitra
4. Ny ray aman-drenin’ny mpianatra Sekoly Alahady rehetra
5. Solontena roa atolotry ny Fiangonana any amin’ny fitandremana .
? Ny Ambaratongan-drafitra :
1. Sekoly Alahady  Fitandremana
2. Sekoly Alahady Synodam-paritany
3. Sekoly Alahady Foibe
? Ny Ambaratongam-pitondrana sy ny Andraikiny :
. Ny Sekoly Alahady Fitandremana :
Toy izao ny Ambaratongam-pitondrana eo anivon’ny Fitandremana
- Ny Biraon’ny Sekoly Alahady Fitandremana
- Ny Komitin’ny Sekoly Alahady Fitandremana
- Fivoriamben’ny Sekoly Alahady Fitandremana
. Ny Mpikambana : Miisa fito ny isan’ny mpikambana ka :
- Filoha iray
- Filoha mpanampy miisa roa ka ny iray dia manampy ny filoha hisahana ny fandraharahana ankapobeny , ary ny iray manampy ny filoha amin’ny lafiny fampianarana sy ny SAMM
- Mpitan-tsoratry ny fivoriana iray
- Mpitan-tsoratry ny vola iray
- Mpitahiry vola iray
- Mpanolotsaina iray
. Ny Komitin’ny Sekoly Alahady Fitandremana :
- Ny Birao ; izay miisa fito , efa voalaza tery ambony
- Ny Mpampianatra Sekoly Alahady rehetra
- Ny Solon-tena maharitra atolotry ny Fitandremana .
Rehefa mivory amin’ny fivoriam-be ny Sekoly Alahady , dia ny Filoha no mitarika izany na tarihan’ny filoha mpanampy raha tsy afaka noho ny asa izy , ka omen’ny Filoha fahefana .
. Iza avy no antsoina amin’izany ?
- Ny Mpitandrina na Katekista delege
- Ny Komity
- Ny ray aman-drenin’ny mpianatra
- Ny Sekoly Alahady sokajy olon-dehibe sy ny tanora ary ny zatovo .
? Ny Sekoly Alahady Synodam-paritany :
Misy fito ny mpikambana ; ka ny efatra amin’izany dia mpitandrina ary ny telo kosa dia tsy mpitandrina
. Filoha = Mpitandrina
. Filoha mpanampy = Mpitandrina
. Filoha mpanampy = tsy Mpitandrina
. Mpitan-tsoratry ny fivoriana iray = Mpitandrina / Tsy Mpitandrina
. Mpitan-tsoratry ny vola iray = Mpitandrina / Tsy Mpitandrina
. Mpitahiry vola = Tsy Mpitandrina
. Mpanolotsaina = Mpitandrina / Tsy Mpitandrina
? Ny Mpihevi-draharaha :
. Ny Biraon’ny Sekoly Alahady Synodam-paritany : Miisa 7
. Olona folo  raha kely indrindra ary dimy ambin’ny folo raha betsaka ihany koa ; Ny Komity Lehiben’ny Sekoly Alahady Synodam-paritany no mifidy azy ireo .
. Mpandrindra roa avy amin’ny ivo-toerana SAMM , fidian’ny Komity lehiben’ny Sekoly Alahady Synodam-paritany
. Ireo filohan’ny Sekoly Alahady Faritra ao amin’ny Synodam-paritany
? Ny Komity Lehiben’ny Sekoly Alahady Synodam-paritany
. Ny Mpihevi-draharaha ny Sekoly Alahady Synodam-paritany
. Ny Mpitandrina rehetra na ny Katekista Delege miasa eo amin’ny
Synodam-paritany
. Mpampianatra Sekoly Alahady miisa roa isam-pitandremana
? Ny Sekoly Alahady Foibe
Toy izao kosa ny Ambaratongam-pitondrany =
. Biraon’ny Sekoly Alahady Foibe
. Komity Foibe
. Zaikabe
- Ny Biraon’ny Sekoly Alahady Foibe , dia miisa fito ; ka efatra ny mpitandrina ary ary telo tsy mpitandrina .
. Filoha iray izay ho Mpitandrina
. Ny Filoha Mpanampy roa ; ka Mpitandrina ny iray ary tsy mpitandrina ny iray .
. Mpitantsoratry ny Fivoriana iray
. Mpitantsoratry ny vola iray
. Mpitahiry vola iray ; tsy Mpitandrina
. Mpanolotsaina iray
? Ny Komity Foibe izay misy mpikambana misokajy ho roa :
. Ireo mpikambana manapa-kevitra = Ny Biraon’ny Sekoly Alahady Foibe , miisa fito . Solon-tena iray avy amin’ny Sekoly Alahady Synodam-paritany , ka nankatoavin’ny Zaikabe .
. Mpikambana manatrika fa tsy manapa-kevitra = Solontena MF ; ao amin’ny Sampana ; Tonian’ny S.A ; Mpandini-bola telo ; Ireo vahiny nasaina .
? Ny Zaikabe , ka ireto avy no antsoina hanatrika izany =
. Solontena mandantsa-bato azo fidiana :
- Ny Biraon’ny S.A Foibe am-perin’asa
- Ny Komity Foibe amperin’asa
- Olona efatra avy amin’ny Sekoly Alahady Synodam-paritany , araka ny voalaza eo amin’ny andalana eo aloha ; ka anisan’ireo olona efatra ny voafidy hatolotra ho Komity Foibe
. Solontena tsy mandatsa-bato ; tsy azo fidiana ny olona nasaina .
? Ny Toerana efa nanaovana ny Zaikabe :
Mivory isaky ny efa-taona izy ary mialoha ny Synoda lehiben’ny FJKM . Izy no ambaratongam-pahefana ambony indrindra ao amin’ny Sekoly Alahady FJKM ; izy ihany koa no manapa-kevitra sy mankatoa ny fanavaozana ny lesona izay hampianarina ny mpianatra S.A ; izany hoe fanavaozana ny lesona tiana hatao , dia manaraka ny rafitra misy ao amin’ny sahan’ny FJKM.
               Indro ary omena antsika ireo toerana izay efa nanaovana ny Zaikabe : (8)
- Ny Zaikabe I : 1973 = Ankadikely Ilafy
- Ny Zaikabe II : ……= Toamasina (8)
- Ny Zaikabe III :…...=  Ambatomanga (8)
- Ny Zaikabe IV : 1984 = Fenoarivo Atsinanana
- Ny Zaikabe V : 1988 = Antsiranana
- Ny Zaikabe VI : 1993 = Antsirabe
- Ny Zaikabe VII : 1997 = Mahajanga
- Ny Zaikabe VIII : 1999 = Toamasina
- Ny Zaikabe IX : 2003 = Ambositra
- Ny Zaikabe X : 2007 = Ambatomanga
- Ny Zaikabe XI :2011 = Antsiranana (8)
- Ny Zaikabe XII : 2015 = Morondava (8)
- Ny Zaikabe XIII : 2019 = Fenoarivo Atsinanana (8)
- Ny Zaikabe XIV : 2024 = Nosy Be Hell Ville (8)

? Ireo Filoha nifandimby tamin’izany :
. 1874 - …: Atoa A. Kingdon
...………..: Atoa Buton
………….: Atoa John Montimer GILBEY
. 1970 - 1971 : Ny Mpitandrina ; RAKOTOARIMANANA
                         Victor
. 1975 - 1976 : Ny Mpitandrina ; RAKOTOSAONA
. 1979 - …. : Ny Mpitandrina ; RAMANIRAKA Charles
. ………… : Ny Mpitandrina ; RAZAFINDRAMANITRA
                      Henry Solo
. 1985 - 1989 : Ny Mpitandrina ; RAKOTONDRAJAO Martin
. 1989 - 1998 : Ny Mpitandrina ; ANDRIAMAHAZOSOA
                         Irako Ammi
. 1999 - 2003 : Ny Mpitandrina ; RALISON Gilber
. 2003 - 2007 : Ny Mpitandrina ; ANDRIAMAHAZOSOA
                         Irako Ammi



. 2007 - 2011 : Ny Mpitandrina ; ANDRIAMASINORO
                       Fidimalala
. 2011 - 2015 : Ny Mpitandrina ; ANDRIAMASINORO
                       Fidimalala
. 2015 - 2019 : Ny Mpitandrina ; ANDRIAMASINORO
                       Fidimalala
. 2019 - 2023 :  Ny Mpitandrina ; RAKOTOARISOA Heritiana
                       Kaleba
. 2024:…….: Ny Mpitandrina ; RAKOTOARISOA Heritiana
                       Kaleba
? Ireo Tonia nifandimby tamin’izany :
. 1874 : J.C Thorne
.  ……: Rtoa HELENE Gilpin
.  ……: Ny Mpitandrina ; RAMAMBASOA rainy
. 1932 - 1970 : Ny Mpitandrina ; RAKOTOARINALA
. 1970 - 1971 : Ny Mpitandrina ; RAFALIMANANA Gilbert
. 1972 - 1974 : Ny Mpitandrina ; RAKOTO André
. 1974 - 1985 : Ny Mpitandrina ; RAMINOARIVONY Berjules
. 1985 - 1988 : Ny Mpitandrina ; ANDRIAMAROHASINA Jean
                         Ravalitera
. 1989 - 2003 : Ny Mpitandrina ; RASOANIRIANA Perline
. 2003 - 2007 : Ny Mpitandrina ; COOPER  Perline
. 2007 - 2011 Ny Mpitandrina ; RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa
. 2011 - 2015 : “ Interim” Ny Birao Foibe Sekoly Alahady
. 2015 - 2019 : Ny mpitandrina ; RAKOTOARISOA Heritiana
                       Kaleba
. 2019 - 2023 : Ny Mpitandrina ; RAZAKARIVONY Charlotte
. 2024 - …….: Ny Mpitandrina ; RAZAKARIVONY Charlotte
? Ireo Fihaonamben’ny Sekoly : (9)
                       Ny Fihaonambe dia hetsika lehibe anankiray ao anatin’ny tetik’asan’ny Sampana Sekoly Alahady , izay fotoana manokana hihaonan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny raiamandreny miampy ireo sakaizan’ny Sekoly Alahady . Natao izany mba hifampizarana sy hifanakalozan-kevitra sy asa ary hifampaherezana ary ahitana fanompoam-pivavahana ary indrindra ny fampianaram-pinoana sy ny fanofanana . Misy ihany koa ireo fifaninanana isan-karazany , toin’ny Fifaninanana Soratra Masina ; ny lalao maro loko ary ny hetsika ara-panatanjahan-tena , tsy adino kosa anefa ny sahan’asa .
1. 2003 = Tao Ambositra , nahatratra 1500 ny mpanatrika
2. 2005 = Moramanga , nisy 4000 ny mpanatrika
3. 2009 = Mahajanga ; izay nahatratra : 7143 ny mpanatrika
4. 2011 = Toliara ; izay nahatratra : 9487 be izao ny mpanatrika . Raha io jerena dia isakin’ny roa taona ny fihaonambe mialohan’ny Zaikabe .
5. 2013 = Antsirabe
6. 2017 = Toamasina ; dia nisy Mpanatrika = 12000 be izao
7. 2019 = Mahanjanga = ( Tombanana ho : + 15000 )
Fihaonambe Mpampianatra :
Ambositra :
Ambatolampy : 7000
Antsirabe :
1.2 Ny Rafitrin’ny Fampianarana :
          Ny Zaikabe faha efatra , nataon’ny Sampana Sekoly Alahady FJKM ; tamin’ny taona 1984 , tany Fenoarivo Atsinanana , izay namaritra ny ho fandaminana ny fandaharam-pianarana hampiharina amin’ny lesona vaovao , hanomboka ny taona 1985 ; dia nanome fahefana ny Foibe Sekoly Alahady , izay rehefa nandinika dia : Nametra tsy ho ambaratonga ( Ankanin-jaza hatramin’ny Essai ) tahaka izay nahazatra teo aloha intsony ny  fanasokajiana manomboka izao ny lesona hampianarina , fa natao kosa hitsinjo ny taona sy ny fari-pahaizana mety amin’ny mpianatra afaka hanatanteraka ny fampianarana . Natao hoe : Dingana izany , ny filazana ny kilasy tsirairay , ka hanomboka amin’ny dingana 1 ,
ka hatramin’ny dingana 15. Fa inona izany no nanasokajiana ny lesona teo aloha ?
. Ny Taona 1969
1. Ambaratonga :
Nosokajiana ho Ambaratonga ny mpianatra ka nisy ny :
- Ambaratonga I = Cours Préparatoire
- Ambaratonga II = Cours Elémentaire
- Ambaratonga III = Cours Moyenne
- Ambaratonga IV = Cours Supérieur
- Ambaratonga V = 2 éme Degré
- Ambaratonga ambony = Essai
Raha dinihana fohy ny tantara dia ny lesona ho an’ny 2 éme Degré , dia fandinihana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly , ka nanampy amin’izany ny heviteny tapany voalohany izay nosoratan’Atoa Spindler , Mpampianatra teny amin’ny Kolejy Teolojika Miray Ivato .
Raha teo amin’ny “ Essai ” kosa dia ny bokin’i Amosa sy ny hevi-teny nosoratan’Atoa George RAVELOARISON , mpampianatra tao amin’ny Kolejy Miray Ivato , ihany koa . Nanampy izay efa tao ny fampahafantarana ny FJKM . Nisy ihany koa ny fitaovana toin’ny sary sy ny trakitra . Ny taona 1971 , dia nampahafantarana ny fisian’ny Akanin-jaza ( Maternelle ) . Ny taona 1976 , di any hevi-teny momba ny epistilin’i Jaona , navoakan’ny Mpitandrina , RAKOTONIRAINY Johson ; tao amin’ny FJKM ANDRAINARIVO , ny lesona ho an’ny “ Essai ” .
                     Raha ny dingana , izay nolazaina tery aloha kosa dia ny taona 1985 no nanovana azy .
2. Ny Dingana :
. Ny Dingana 1 - 9 = Lesona folo ihany no ao anaty boky iray ; izay heverina fa fototra eo amin’ny trano finoan’ny ankizy .
“ Andriamanitra Mpahary , Rain’ny zavatra rehetra ” : Lesona dimy voalohany . “ Jesoa Kristy sakaizantsika , Mpamonjy izao tontolo izao ” : Lesona dimy faharoa . Tokana ny tanjona , dia ny mba hahafantaran’ny Ankizy ny toerany eo amin’izao tontolo izao . Fianarana iainana .
. Ny Dingana 10 - 15 = Ho fanohizana ny fandaharan-desona teo aloha no fotom-pisiany ( Essai ) ; Ka teo amin’ny dingana faha 10 - 12 , dia ny bokin’ny Asan’ny Apostoly no tena nohalalinina ; mba hahafantaran’ny mpianatra ny tantaran’ny Fiangonana . Nozaraina izany mba tsy havesatra amin’ny Sekoly Alahady ny fandinihana azy avy hatrany ka notsinjaraina ho toko sy isan’andininy izany .
Toko 1 - 10 : Dingana faha 10
Toko 11 - 20 : Dingana faha 11
Toko 21 - 28 : Dingana faha 12
                           Ny bokin’ny Romana kosa dia natao ho an’ny dingana faha 13 . Raha ny dingana faha 14 kosa dia ny foto-kevitry ny FJKM , izay nibanjina ny hoe : “ Andry sy fiorenan’ny fahamarinana amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra ” izay notakarina tao amin’ny I Timoty 3 : 15 . “ Ny Vahoakan’Andriamanitra nohariana handray andraikitra izay ambaran’ny Baiboly momba ny fiaraha-monina ” ; io boky io kosa no hampianarina ny dingana faha 15 . Natao moa izany mba tsy hivaona tahaka ny natao tamin’ny taona 1984 , ho an’ny kilasy
“ Essai ” .
19

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115