I Kiyoshi mpanao kiraro (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 566
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy. Angano vahiny nadika amin'ny teny malagasy avokoa izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano voasoratra ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra izay nandika azy ho amin'ny teny malagasy.
Pejy 10
Nofy

Indray andro, hono, nisy mpanankarena iray. Adama no anarany. Nanambady izy, antsoina hoe Tereza. Nonina tao amina trano be iray vita amin'ny biriky izy.

Indray alina, nanonofy i Adama hoe misy harena be miafina ao ambany tranony.
Nony maraina, nankao amin'i Tereza izy.
- Tereza, misy harena miafina ao ambanin'ny tranontsika. Andao hohadina.
- Tsia, nofy ihany izany. Tsy misy zavatra tokony ho hita mihitsy ao.

Ny alina manaraka, niverina indray ilay nofin'i Adama.
- Tereza, tena ilaintsika ny mitady an'izay harena miafina izay.
- Adama a, tsy nisy vola napetratsika ao ambany trano. Tsy tokony hitady zavatra ao amin'ny tsy nametrahanao azy mihitsy ianao.

Indray alina taorian'iny, niseho indray ilay nofy.
- Tereza, harodantsika ny trano hizahantsika ilay harena miafina. Raiso ny lapelina.
- Adama , raha harodantsika ny trano dia aiza isika no hipetraka ?
- Aza manahy ! Rehefa azontsika ilay harena dia hanangana trano telo vaovao isika.
Nandray lapelina i Adama sy i Tereza ka narodany isam-biriky ny tranon'izy ireo.
Saingy, tsy nisy harena na taiza na taiza.
- Inona re ity nataoko ? Tsy manan-kipetrahana intsony izahay izao. Marina ihany ny an'i Tereza.

Tsy tokony hitady zavatra tsy napetrakao tao amin'ny toerana iray ianao.
Miombon-kevitra amin'izany ve ianareo rankizy ?

Nalaina tamin'ny Once upon a time - E.C T.V 07-07-26
Dikan-tenin'i Heriarilala Andriamamonjy 14-07-26
566

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0751