I Kiyoshi mpanao kiraro (Heriarilala Andriamamonjy)
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 241
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 241
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy.
Angano vahiny nadika amin'ny teny malagasy avokoa izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano voasoratra ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra izay nandika azy ho amin'ny teny malagasy.
Pejy 1
I Kiyoshi mpanao kiraro Indray andro, hono, nisy mpanao kiraro antsoina hoe Kiyoshi. Nahantra tokoa i Kiyoshi, tsy mba nanana vola hividianana sakafo matsiro izy, fa zara raha mahazo tapa-mofo maina kely azony. Teo akaikin'ny tranon'i Kiyoshi anefa, nisy mpivarotra antsoina hoe Gaku. Mikarakara sy mivarotra trondro voasaly i Gaku.
Isan'andro, nankeny akaikin'ny tranon'i Gaku foana i Kiyoshi dia nipetraka teo akaikin'ny afo anasaliana ilay trondro. Tena natsiro ery ny fofony. Naka sary an-tsaina ery i Kiyoshi, toa tsy ireny mofo maina ireny no nohaniny fa trondro mafilotra be. Tia vola loatra anefa i Gaku mpivarotra. Nahasosotra azy ny nankafizan'i Kiyoshi ny fofon-trondrony. Noho izany, nanapa-kevitra ny haka vola tamin'ity mpanao kiraro mahantra izy. Dia niainga, hono, i Gaku nankany an-tranon'i Kiyoshi.
- Mila vola avy aminao aho, mandoa vola amiko ianao izao.
- Manahoana, Gakusan. Fa inona no tokony haloako aminao ?
- Nankafy ny fofon-trondro nasaliko ianao. Omeo vola aho !
Dia lasa,hono, i Kiyoshi naka vilia baolina, napetrany tao ny vola vy vitsivitsy dia nahontsakontsany tao.
- Izay ! Efa naloako taminao.
- Tamin'ny fomba ahoana ? Oviana ?
- Nefaiko ny vidin'ny fofon-trondronao tamin'ny alalan'ny feon'ny vola viko. Raha tsy ampy ilay teo dia mbola afaka manontsana indray aho. Kepoka tsy nahateny i Gaku. Lasa izy niverina tanam-polo tany amin'ny fivarotany.
Nalaina tamin'ny English Club T.V (Once upon a time) tamin'ny 22-06-26, nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy tamin'ny teny malagasy.

Hametraka hevitra
Midira aloha