TAFITA NY ZANAKO (Hj_Raveloson_)

Mpanoratra Hj_Raveloson_
Nampiditra hjravs
Nitsidika 191
Mpanoratra Hj_Raveloson_
Fizarana 1
Pejy 1
TAFITA NY ZANAKO (fizarana 1)
Maty i Dada, maty tsy nialana nenina akory, maty nahantra tao am-pigadrana...
Tsy mety afaka ato an-tsaiko, ilay vatana kaoka dia kaoka nolanjain'ny gadra efa-dahy, i Neny ilay nakapokapoky ny ranomaso sy alahelo,  ary... ilay fialangalan'ny havana, sy ny fiaraha-monina:
zara raha nisy ny mpamangy, ary vitsy dia vitsy ny mpandevina ....fa olon-dratsy, hono, i Dada ka tsy mendrika homena ny hasin'ireo nodimandry, nefa... aminay sy Neny dia izy no lehilahy malemy fanahy indrindra ary ny "Dadako" no raim-pianakaviana mendrika indrindra eto ambonin'ny tany, saingy nataon'ny mahery lafika ny fahatsorany, nataon'ny matanjaka kaka ny fandeferany...
Tsaroako tsara ilay indray Alarobia maraina iny... Narary i  Neny tamin'izay nefa ao an-trano tsy misy na ny harotsaka, niaraka tamin'ny Dada tany amin'ny toeram-piasany aho, fa mba hiangavy "avansa" sy andro tsy iasana izy... Vao niditra ny biraon'ilay lehibeny izahay dia tsinjoko amin'ny endrik'ilay lehilahy ny avonavona
- io misy satroka, hoy izy tsy namaly akory ny arahaban'i Dada, ento etsy amoron-dalana etsy raha hangataka no ahatongavan'ialahy eto fa tsy hiasa...
- Mmmarary ny vadiko, tompoko, ka....
- Ento aty, ary, hotsaboiko e, hoy "ilay aza vanona" nikakakaka, mba manja kely ihany 'nge ireny fa nototoim-bitana ka nianjera tany amin'ny karakaina e!
Tanam-polo no nentiko nody, tamin'iny, fa i Dada tsy maintsy niasa... Nivonto ny foko, teny an-dalana, nivonkona ny totohondriko... "ho lehibe aho, hoy aho, ary...." nihidy ny vazako!
Ny alahady taorian'izay, dia pôlisy no naka an'i Dada tao an-trano: nahaverezana roanjato tapitrisa ariary tao amin'ny orinasan-dry zareo ka izy no voalaza fa tompon'antoka.
Mba fianarana inona, loatra, no noratovin'izao mpanao famotorana izao, fa na zaza vao mianatra asa-marika aza, hahay hikajy ny fari-panananay, fa tsy ny ampaha-zaton'izany vola izany, akory.
...Nigadra ny raiko...Voasikotra ato anaty karan-dohako ilay resaka nataony tamiko, fony izahay sy Neny namangy azy, teny am-ponja, herinandro talohan'ny nahafatesany: Mangana dia mangana ny endriny, tamin'izay, iva dia iva ny feony nefa nitsiky ny molony:
- Ho tafita ialahy ry "Rija", matoky an'izany aho, dia meteza hanaja ny rariny, hampanjaka ny fahamarinana... Tsarovy fa tsy "Resy aho raha Mpandresy ialahy", ary ny fahasambarako dia ny mahalala fa "Tafita ny Zanako"! Fantatro fa nitomany izy, saingy, maina kina ny masony tsy nanana hery hamorona rano akory...
...Dia maty ny Dadako...
Fito taona lasa izay...
.......................................
Teo an-dalan-tsaran'ny toeram-piasana:
- Mosé Rija! hoy ny fikarantsan'ny feom-behivavy iray avy any aoriana any. Niherika aho, ary... Oadray,  (baraingo sy tsoraka ngezabe no teo ambony lohako raha natao sary)
Zana-javatra ve ity sa anjely manao mission?!
- Mosé Rija, ianao mihitsy 'zao no tadiaviko!
Niontana ny foko fa misy anjely nitady....
- Fa ahoana 'zay, Mad...moi..dame hoy aho, niambakavaka!
- Mademoiselle ka! hoy izy, ...dia tsy tsaroanao mihitsy ve 'zaho?!
- A aaa, ôtran'ny tsy tsaroako a! (tena tsy mbola nahita manjakely hoatra an'ity 'zany aho)
- i Miarisoa, na "Sosoa" tany amin'ny lisé e!
i Sosoa, hoy aho, sady nihiratra be ny masoko;  mpiara-mianatra taminay tamin'ny terminale, tokoa izy, fa zanaka laibany
ka sady miaingitra no miavona, toa tsy tsaroany akory ny fisiako, tamin'izany, - na dia manonofy mampiaraka aminy foana aza aho isan-kalina...-
Inona no ilàny ahy ary iza no nahalalany fa ato aho no miasa???
Toa hitany ny baraingo teny amin'ny masoko:
- Nifanena tamin'i Mireille, (mpiara-mianatra taminay koa io) aho, hoy izy, hay lasa mpivady izy sy Njaka -ilay namanao be iny-, dia zareo no nanoro ahy ny misy anao...
- ka inona no atao anao, hoy aho (na ny volana aza no hotadiaviny dia hofonosiko papier kadô hatramin'ny kintana)
- Tsy aleo makatsy amin'ny "Cafétaria", hoy izy, dia any miresaka milamina raha tsy misy vonjena ianao!
- Etsy ary, hoy aho mendy... na misy fotoanako amin'ny Monika aza, sssh, aleo hoany ze i Monika, zao vao tsapako ny haratsiany fa sady sodenda molotra no petak'orona no rangasofina, no be voamaso...
Efa feno mpiasa manao gouté tao amin'ny Cafetaria no niditra izahay, ohatr'ireny voan'ny "danakason" ireny izy mianakavy nijery anay sy 'lay manjakeliko niditra...
"taraiky indry ry Lila" hoy ny tovovavy iray tamin'ilay sekretera kely vaovao teo akaikiny,... (hay mba nisy nitsiriritra ihany ny tenanay a!)  ho, ho, taraiky, tokoa, indry ry Lila! hoy aho, tany an-tsaiko tany...
Nentanentaniny loatra aho, ka hadinoko hatramin'ny nikômandy 'zay hohaninay.... Raha tsy izy no nanafatra an'ilay serveuse (efa nijoro elabe teo), hitondra "croissant sy ronono", dia ho nofahanan-dresaka fotsiny teo ilay manjakeliko...
HITOHY...
hjravs
191 1

Hevitra mandeha

iheriarilala 9 andro lasa
Tena tsara fa misaotra indrindra !
Imbitikamax 9 andro lasa
Mahay n'y mpanoratra - Tonga Dia voasaeika hamaly n'y tohiny aho
Imbitikamax 9 andro lasa
Misaotra indrindra - kanto e -

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241