TAFITA NY ZANAKO (Hj_Raveloson_)

Mpanoratra Hj_Raveloson_
Nampiditra hjravs
Nitsidika 192
Mpanoratra Hj_Raveloson_
Fizarana 1
Pejy 2
TAFITA NY ZANAKO (fiz. faha-2 sady farany)
...Nampanantonin'i Sosoa ahy ny sezany, ary somary nibitsibitsika izy,
- Izao no nitadiavako anao, hoy izy nila hitohoka ny sofiko; araka ny fanadihadihana nataoko dia ianao no mandray farany ny "dossier Rafatro"?!
- Dossier; faran'izay maloto, hoy aho, sazy an-terivozona mandrampahafaty ho an'ny mpanao vola sandoka ankoatry ny  trafika-na andramena, rongony, volamena, manginy fotsiny ny asan-dahalo, ny kidnaping, sy ny sisa...
- Raiko izy, hoy izy menamenatra...
- Rainao Rafatro??! hoy aho taitra, ary tsara kajy, mihitsy ianao, satria rahampitso vao maraina aho no mandray an-dRafatro!!
- Ny adalan'ny olona hihomehezana, hoy izy, fa ny an'ny tena tafian-damba... efa voatsindry daholo ny an-tanan-tohatra ka ianao no sisa, fantatro, fa azonao atao tsara ny manadio ny raiko, avy eo mamafa tanteraka ny "dossier Rafatro"!!
- trtrtrrr! hoy aho nampiseho ny tsy fankasitrahako izay nolazainy, tsy misy olona tokony ho ambonin'ny lalàna, na tsy maty manota izany intsony.
- Dia ho jerenao fotsiny ve 'zaho, hoy izy somary niangoty, ... ary nosafoiny tamin'ny lohan-dratsan-tanany ny molotro...
ntsôo, Melohy aho, Tompo, fa fanamperana loatra ka tsy vitako ho jerena fotsiny e... sady... nofinofiko efa hatrany am-pianarana....
Notohofako moramora, teo imasom-bahoaka ny molony malefaka, ho mariky ny fanekeko ny fiangaviany.
- Ny programatsika androany, hoy aho nilelaka ny molotro mbola nisy ny ambin'iviny.
-  Izay irian'ny fonao indrindra, hoy izy feno tsiky...
..... Amin'ny valo alina aho, vao tonga tao an-trano, iny andro iny... Avy hatrany dia nidaboka teo ambony divà, aho fa valaka, mbola any amin'i Sosoa ny foko, ny saiko, sy ny fanahiko, injany toa mbola reko ny angotingotiny "...mahafinaritra be... ", ny retsiky ny andilany..., ny fipendran'ny voamasony, ... ny fitonjon'ny tratrany, ...molony... ny lelany...
dia naneno ny findaiko... "Sosoa" sahady, 'ngamba 'zany, fa tsy tafandry mandry koa... Feo mivareraka be nefa no reko, "Aiza ianao, f'izaho, ange, mbola miandry anao aty amin'ny fotoanan-tsika e?!
Hay i Monika,
- Fa inona no mbola iandrasanao ao, hoy aho, efa tamin'ny roa ange ny fotoanantsika e, zao efa amin'ny valo!
- Ka 'zay tia 'nge mahandry e, hoy izy nifararemotra!!
-  ho voaendaka ao ianao, fa miandrasa ihany...
- Tsy ho avy izany ianao, hoy izy nifokofoko.... Notapahako ny antsony fa manorisory,... Mitapy?!
Taratara aho vao tonga tao amin'ny biraoko, ny ampitso maraina; vao novelomiko ny solosaina dia hafatra "mailaka" avy any amin'i "Sosoa", no tsipalotro voalohany "Malala a! nanofy antsika nitsangatsangana tany an-danitra 'za, dia teo ambony fandrian'i Jesoa, hono, isika sy ianao no nanao volan-tantely"!! Kiii, inona koa 'zany nofy ratsin'i Sosoa 'zany...
Nilazako ilay Sekreterako hampiditra ilay olona tokony horaisiko voalohany: i Rafatro io...
i Sosoa no niditra avy any, niaraka tamin'ny rainy, lehilahy vaventy somary fonentana, ...vao nitopy teny amin'ny endriny ny masoko dia tafatsangana aho... Tadidiko izy... ilay lehilahy tsy mifaditr'hovana, lehiben'i Dada, fahiny, ary nandetika azy tany amin'ny haizin'ny fonja... sy ny fahafatesana...
- Izy no raiko, Rija, hoy i Sosoa, saikatsaikatra nahita ny fihetsiko,
Hitako ho matoky tena fatratra Rafatro, noho ilay fanelanelanana nataon'i "Sosoa zanany"... Nosokafako ilay fichier mirakitra ny heloka hanenjehana azy,... Tena olon-tsy vanona izy, raha ny voarakitra ao... saingy efa nifanekeko tamin'i Sosoa ny hanadio azy.
Niainga ny fanondroko hanindry ny bokotra "Suppr."
... dia hadio eo imason'izao tontolo izao i Rafatro, tsy toa an'i Dada 'zay nibaby baraka sy ny heloky ny sasany mandram-pahafatiny.
Nibanjina an'i Sosoa aho, ... endrey 'zato hatsarany, taratro eny amin'ny tarehiny ny famirapiratry ny ho avy feno hasambarana, ...saingy toa nisy aloka nitsangana tao aoriany... dia aloky ny lasa... misalotra endrika lehilahy mahia dia mahia, mangana dia mangana... manarangarana eo amin'ny fefin'ny fonja... mihetsika ny molony nefa tsy mahavoaka feo ny vavany. Ny "Dadako"!!!
Nianjera ny ratsan-tanako, ...saingy tsy ny bokotra "Suppr." no notsindriany.. tsia, diso aho... voatsindriny fa ny "Entrée"!
- Manana 30 minitra ianao hametrahana hafatra amin'ny havanao, hoy aho nitodika tany amin'ingahy Rafatro, sady niantso ireo pôlisy, roalahy, miandraikitra ny fananterana azy aho,
- Ahoana izany Rija, hoy i sosoa, tafatsangana, taitra tampoka
- Olon-dratsy ny rainao, hoy aho matotra... any am-ponja izy no miandry ny fitsarana azy... ary sao mihevitra ny hanalava tanana fa arahako hatramin'ny farany.
- Lehilahy tsy vanona ianao, mpandainga, mpamadika, Pouah, hoy i Sosoa romotra dia romotra... Toa tsy zakako ny mahita ilay olon-tiako, diso fanantenana tamiko, ... saingy mahita endrika lehilahy iray miramirana aho, mivoaka ny fefin'ny fonja ary reko, midoboka ery ny feony miteny hoe "TAFITA NY ZANAKO!"
... Mpandresy ny Dadako...
TAPITRA
hjravs
192 1

Hevitra mandeha

iheriarilala 9 andro lasa
Tena tsara fa misaotra indrindra !
Imbitikamax 9 andro lasa
Mahay n'y mpanoratra - Tonga Dia voasaeika hamaly n'y tohiny aho
Imbitikamax 9 andro lasa
Misaotra indrindra - kanto e -

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0381