…HELOHY… (MAZ RAMANA)
Tantaram-piainana vitsivitsy, taratry ny toetra sy sarangan’olombelona maro samihafa, nalaina avy amin’ny hita sy re teny rehetra teny.
Pejy 2
…HELOHY…(page 2)Niodina ny tany, nitohy ny fiainanay ! Toy ny an’ny sahirana rehetra : asa mafy sy rotoroto, dia antongotra amin’ny hain’andro midanika, karama kely zara raha mahampy tapa-bolana, aretina lavareny, zaza farofy lava, tsy misy izany tena fitsaharana na amin’ny andro tsy fiasana aza fa…ny ho anina anio, tadiavina anio, ampian’ny ady mivady eny antsefantsefany eny rehefa samy tena nahatsiaro trotraka tsy nahafehy tena intsony.
…Fa mbola teo izahay!
Nahonjohonjo samirery, toy ny an’ny olona maro miady amin’ny fahantrana, ny fiainanay.
Herintaona sy tapany taty aoriana vao nisy fitoniana kely.
Nitoetra tamin’ny asany ny vadiko, nahazo karama isam-bolana.
Izaho kosa… namorona lalana vaovao tsy noeritreretiko ho lasa fiainako mihitsy: nandeha nivarotra sakafo masaka, mandehandeha eny an-dalana.
Nahoana marina moa? Mba nanontany tena ve hoe nahoana no izahay no natao hifandona ?
Fahazazana tsy mitovy, saranga mifanipaka, fiainana roa samy hafa, samy nanoratra mangina ny tantarany…
Toy izao ny niandohan’ny tantarako.
NY VEHIVAVY SY NY LANJANY
Izay vita dia vita.
Izay rava dia tsy ho afaka haverina ho tena feno intsony — na misy famelan-keloka na tsia.
HARIMASY Florentine, Vehivavy tsara tarehy, anisan’ireo namono lolo indrindra teo amin’ny tanàna nisy azy : Ny volony malama, lava sy mainty matevina nandriaka toy ny renirano teo amin’ny sorony, ny hodiny mazava naneho ny fahalemem-panahin’ny masoandro malagasy, ary ny vatany toa voasokitra tamin’ny rantsan-tanana mba ho fanamperana ho an’izay mijery.
Merina izy avy amin’ny reniny, fa avy eto Morondava ny rainy. Kolontsaina roa miavaka tsara no nitaiza azy : ny hakanton’ny Hautes Terres sy ny hafanan’ny morontsiraka. Fa nahazo vahana kokoa ny maha zanak’i Menabe azy.
Mpamboly tsotra ny ray aman-dreniny, niaina tamin’ny asa tany, tamin’ny fahatsorana sy ny fahamendrehana.
Saingy ny vanimpotoana (génération) nisy an’i Florentine dia niaina tamin’ny fomba hafa tanteraka.
Morondava, tanàna fivahinianan’ny mpanambola vahiny, mpanambitamby sy mpampiranty vola amin’ny ampelasoa…
Izany no tontolo nisy azy.
Hany ka, lasa fitaova-mpiadiana ho an’ny dimy ambiny folo taona no miakatra, ny hatsaran-tarehy, bika sy endrika!
Fantany izany Fitiavana izany…fa efa nampianarina azy ihany koa hoe : FITAKA sy fitadiavana tombontsoa ary fahafinaretana no tena votoatiny…
Ka dia…Nianatra nanjono ny fijerin’ny lehilahy dieny mbola tanora tsara izy ireo, fa tsy namboly intsony…
Anisan’ireny i Florentine,
Fa tamin’ny faha-17 taonany, dia nisy naka vady izy, niteraka zaza roa, kambana lahikely.
Saika hiandry ny vavy ho feno 18 na 20 taona ry zareo, vao hisoratra ara-panjakana, ka dia niafinafina teny aloha!
Saingy, rehefa feno herintaona sy tapany teo ho eo ireo zaza dia…
Nisy ny fifamaliana be, feo miakatra, fifanalam-baràka…tao antokatranony. Ren’ny olondrehetra.
Indray maraina, niangavy tamin’ny mpifanolo-bodirindrina toy ny fahazarany i Florentine mba hijerijery ny zanany milalao eo an-tokotany, raha handeha hanao “bazary” toy ny isan’andro iny.
Nandeha ny ora. Nanomboka sorena ny zazakely fa naharitra nohon’ny fahazarany ny reniny. Nampitony azy ireo ny olon-dehibe aloha, avy eo nanomboka niahiahy rehefa elaela.
— “Tany amoron-dranomasina ary ve izy izay no nanao bazary?”
— “Angamba manomana lanonana ho an’ny vadiny izy! Ha ha ha” hoy ny sasany nanakora.
Lasa ora sy minitra.
Tsy niverina i Florentine.
Nangina ny alina.
Toy ny nilatsaham-baratra ramiaramila rehefa nody tao antranony ny marainan’io,
Nisaotra ireo nitazona ny zaza nandritra ny alina izy dia, noraisiny ny zanany roa lahy ka nentiny tany amin’ny rahalahiny, mba hikarakara azy ireo mandritra ny asany.
Alaivo sary an-tsaina ny fahorian’ireo zaza: tsy nisy veloma, tsy nisy teny, tsy nisy fihetsika, na dia indray miherika aza.
Tsy niala ny faritra anefa ramatoa kely…
…mandra-pahitan’ny olona azy, notantanana Begalona iray hafa indray…Iny no lasa vadiny ara-dalàna. Niteraka zaza telo ry zareo : roa vavy sy iray lahy. Fa nisara-bady ihany izy rehefa feno 2 taona teo ho eo ilay faralahy kely.
Anjaramalala RAMANAMANJATO
Mbola hitohy

Hametraka hevitra
Midira aloha