...HELOHY...(tohiny 1 ) (MAZ RAMANA)

Mpanoratra MAZ RAMANA
Nampiditra MAZ RAMANA
Nitsidika 38
Mpanoratra MAZ RAMANA
...HELOHY...(tohiny 1 )
Pejy 2
Fa nahoana ? hoy ny infirmiera, rehefa sendra nandre ny resany.

“Saika natelin’ny honahona tany ampiampitana rano aho, tamin’ny nitondrana an’izy io.”
Nanganohano foana ny masony tamin'izany, toy ilay nahitako azy teo an-tsampanan-dalana indray andro izay, telo na efatra taona teo ho eo aho tamin’izay.
“Hanaraka ahy ialahy sa hanaraka ny maman’ialahy ?” hoy i Dada, tsy nijery azy akory, tsy nitodika taty amiko koa, fa efa nandinika sahady ilay lalankely hitsofohanay mianaka rehefa avy eo.
“Hanaraka an’i Dada aho”, hoy aho.
Nefa i Mama nobanjiniko mafy. Nijery ahy koa izy dia… nipotraka ny ranomasony rehefa tapitra ny teniko. Nomeny ahy ilay vola dimampolo teny an-tanany, dia izay… lasa izy.
Tsy niloa-peo akory mantsy i Dada nahita ny seho talohan’izay fotoana izay. Tsy nitomany koa izy, na nitabataba tamin’i Mama, satria…
…efa nisy siondresaka nandalo matetika teo ampoto-tsofiny, na dia tamin’ny endrika vazivazy aza no nitondran’ireo namany izany. Tsy dia nandray antsaina loatra i Dada tamin’ny voalohany. Fa indray andro, raha tokony hanainga hihazo ny renivohitra hitondra trondro hiakatra, efa naterina teny amoron’ny lalam-be hanakana kamiao…no nanao tampody fohy.
Ka nahita ny masony.
Izaho mbola natory, ny andro vao naneno sahona ! Niditra izy, dia nakopany ny lamba nanakona ny fandriananay.
Dia nikoropaka i Dadarija — izay zana-drahalahin’i dada ihany — niala teo, na dia mbola niboridana aza, dia lasa nivoaka ny trano. I Mama kosa, nanarona moramora ny fihanjahany, taitra ihany, fa niandry mangina izay ho asetrin’i Dada…

Dia izay… izany rehetra izany no sary faran’izay mazava indrindra tavela tato an-tsaiko, mikasika ny vehivavy sy ny lanjany.
Izay no tantaran’ny reniko.
Fanilo nanazava ny lalana nizorako, sy nanambara mialoha tamiko izay mety hahazo ahy raha matoky vehivavy loatra aho. Izay no navelan’ny fiainana ho faratampon’ny fahatakarako.
Izay sary izay amiko no antsoina hoe vehivavy. Ary tsy ela nanambadiana akory aho rehefa niha-lehibe dia naverin’ny reninjanako tamiko  indray io sary io.

Izany no antsoina hoe : Trobàka, any aminay any Menabe any...

Nihazohazo teo amin’ny telo taona latsaka kely teo aho talohan’ny nanoratako ny tantaran’i Florentine Harimasy! Niezaka nitady ny rariny ho azy : sao mba tsy izy no diso? Sao mba nisy fampijaliana izay tsy hitan’ny masoko sy tsy takatry ny saiko niainany nandritra ny fiainam-panambadiana karazany samihafa avy? Sao mba izy no nisotro mangidy sy rano tsy tiana tahaka ny vehivavy maro hafa ?

Indrindra : Sao mba diso aho mitsara azy?

Eny… tsy mbola voavaliko ireo fanontaniana ireo hatramin’izao fotoana sy ora hanoratako izao. Satria ny tantarany irery, amin’ireo rehetra nosoratako, no tsy nahafahako nipetraka teo amin’ny toerany. Nanandrana ihany aho, te hahatakatra ny hirifiry mety nanaikitra azy…fa tsy nahavita!
Ny dadan’ilay zandriko faralahy naterany taorianako…no vadiny farany! Efatra amby dimampolo taona izy izay lasa izay! Teo ambaravaram-pasana aho vao nahabaiko ny foko hamela heloka azy nohon’ny nanariany anay zanany rehetra. Ny antony ve?

Toa nitalaho loatra mantsy no fahatsapako ani’ilay ràny latsaka teo antsoroko, mbola nidorehitra,namonto ny akanjoko ambony fotsy be izay, rehefa nibata azy hiditra tao. Efa mifono tsara anefa izy, ary izaho irery no nitatezan’ilay rà. Nesoriko ny lamba, dia…teo aho vao…nahatomany.

Tsy niloa-bava mandra-paha fatiny ho NANENINA NANARY ANAKA izy, ary mbola nanao fandaniana be sy niliba, nihinana sy nisotro izay rehetra tsaronan'ny vavany, tamin'ny volan'ny fari-pananany sisa rehefa hitany fa kely sisa heriny tany amin'ny hopitaly.

- Tsy hangily hombia ty Jala! Homan-kena raho ho maty, tsy homana raho, ho maty! Miharia reha, ndre hanao kibaroa à bazary agny! Raho vasa nampanatena lova ho an-dreha?

(Ny vola tsy hangidy nahoviana, mihinan-kena aho ho faty, tsy hihinana aho, ho faty ihany! Miharia ianareo amin'izay fomba ahitanareo izay anjaranareo na hiasa madinika eny antsena rehetra eny aza, f'izaho angaha moa namapanantena lova anareo? )

Fahazarako loatra ny nitantara ny fiainanay sy i dada rehefa sendra tafaresaka aman'olona, zaho rahateo be resaka izay! Nangeroka tao ambavako foana ny nanonona ny anaran-dreniko. Saika nahamenatra ahy foana rehefa misy olona tsy fantatro akory manondro ahy indraindray eny an-dàlana hoe : iny ilay zanak'i Mamasy sy i Dadanaivo. Fankahalàna foana koa no naparitako tamin'ny havana sy ny fianakaviana, raha mbola resaka momba azy! Nilaiko loatra teo amin'ny fiainako izy, saingy...niala mazava...tsy nisy lanjany taminy aho! Izay no fantatro!

Fa...nangina aho, rehefa tena lasa izy! Narary azy ny foko, toa te handoatra azy avao anaty lamba namonosana azy ao ka hanery azy hijoro indray hamenoizay banga teo amin'ny fiainako tokony nisy azy...

“Mamela anao aho”, hoy aho tany an-tsaina, dia napetrako teo an-tratrany ilay akanjo. Dia lasa nody nihanjaka ambony aho, namakivaky an’i Morondava eran’ny bazary, toy ny fanaoko isan’andro rehefa mahatsiaro mafana ihany, ka tsy dia nisy gaga.


Anjaramalala RAMANAMANJATO
Mbola hitohy
38

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074