Felam-boasary (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 872
Sokajy: Sombin-tantara
Tantaran'ankizy, ao amin'ny Eri-maso 4.

Solokely: tsy ray, tsy reny fa ny renibeny, i Bebe Rasera, no mitaiza azy. Izay vokatra anana vitan’i Bebe Rasera no entiny hamidy eny Ambinany kaominina isa-maraina ka miantoka ny sakafon’izy mianaka sy ny solika hijiroana amin’ny alina fa ny fiompiana ganagana kosa no iandreketan’i Solokely ka miantoka ny fandaniana lehibe toa ny fitafiana sy ny mba hatao sakafo metimety rehefa andro fety. Entina hamidy eny amin’ny kaominina Ambinany ny gana efa lehibe amin’izany fotoana izany ary raha sendra indray ka misy vola maika ilaina dia mivarotra amin’ ireo gana izy mianaka. Na izany aza, miady amin’ny renibeny ery i Solokely aloha fa : « aleo ny akohon’i bebe no hamidy fa tsy ny ganako ! » nefa moa matetika tsy maharesy lahatra ny renibeny izy. Efa mahalala ny lanjan’izany hoe vola izany i Solokely koa sady tiany ery ny mitaiza ireo ganagana ireo no miezaka mafy koa izy hanenjika ny isan’ireo vorona ho azo entina hamidy eny amin’ny kaominina rehefa andro fety, hany ka tsy dia mahataitra azy loatra izay fianarana fa dia ireo gana ihany no ao an-dohany sy mahasaro-piaro azy fatratra. Rehefa mitondra ireo gana eny an-tanimbary izy dia vatrany ny misambotra sahona sy valala homeny ny gana ary maty toraka izay alika mihaodihaody eny akaikin’ireo ganany ireo
Tsy dia manana fotoana ilalaovana loatra miaraka amin’ny ankizy mitovy taona aminy i Solokely satria variana amin’ny gana ompiany. Isaky ny mahalafo gana izy mianaka dia omen-drenibeny vola izy ka nolaniany tamin’ny lasopy sy mofo avy hatrany izay vola omen’ny renibeny azy. Nividianan-drenibeny boatin-drakitra kely izy taty aoriana ka hatramin’ny nahazoany an’io vata kely io dia zara raha mividy zavatra izy fa dia ny renibeny indray no akany vola :
- fa angaha tsy efa nomeko vola ianao !
– ka efa voarotsako ao anaty boatin-drakitra koa .
– aza fetsifetsy ianao fa inona iny an-tananao iny?
– ao moa Bebe a.. »
Tsy maharitra ny renibeny fa manome. Raha ny marina mantsy dia honjohonjon’izy mianaka sisa koa hitoetra irery i Bebe Rasera raha tsy eo i Solokely hany ka ampihantainy ery io zafikeliny io.

Na izany aza dia nameno ny sain’i Solokely ilay niarahany tamin’i Bao sy i Dafy teo ka hatramin’iny fotoana iny dia toa lasalasam-borona izany izy ka indraindray dia ny renibeny manaitra azy : « dry !.. angaha tsy hamoaka ny gana ianao ry Solo a! », izay vao nikoropaka izy. Tany am-piandrasana gana indray dia hadinony ny nisambotra sahona ho an’ny ganany, hadinony ny misambotra valala fa toa varimbariana izany izy ary ilaozany mitanaka eo ambony fantsakana amoron’ny tanimbary. Isaky ny amin’ny dimy ora hariva dia indreny ny ankizivavy ao an-tanàna midina tsikelikely maka rano eo amin’ny fantsakana, dia arahabain’ny mpatsaka izy : « manao ahoana i Solokely ! » nefa zara raha novaliany.. Telo andro taty aoriana vao indro tonga i Bao mba hanovo rano niaraka tamin’ny namany. Nidoboka ny fon’i Solokely. I Bao kosa raha vao nahita an’i Solo dia nanatona avy hatrany ary dia nitombona teo ankilany :
« aiza ny ganan’i Solokely ? hoy i Bao
– ireo.
– betsaka izy izany... firy izao ny isan’ireo ?
- 8 ny lehibe dia 10 ny kely.
– dia rahoviana ianao hivarotra ?
– amin’ny Noely sy amin’ny taom-baovao ... fa i Bao angaha tsy manana ?
– ny ahy akoho daholo ka.
– ka homeko ve i Bao ?
– tsy manana fotoana hikarakarana azy aho ry Solokely a!
– ao fa hokarakaraiko.
– ka tsy manam-bola aho ry Solo a.
– tsy maninona ka... aiza no tian’i Bao amin’ireo ?
– aoka ihany re ry Solo a.
– ao ary fa omeko iray i Bao dia izaho ihany no hikarakara azy.
– eny àry e, dia lazao ahy ny vidiny rehefa lehibe... fa hono hoy aho ry Solo, iza no nilazanao ny aminay sy i Dafy hitanao iny?
– mbola tsy nisy ka !
– hay... tandremo àry a !
– fa izaho ve mba afaka miaraka aminareo ?
– ha !.. fa hiaraka aminay ahoana i Solokely ?
Tsy namaly i Solokely fa niondrika. Lasa saina tampoka i Bao ka elaela vao namaly :
- eny àry e !
– dia rahoviana ?
– ka efa hitan’i Solokely ange ny toerana falehanay

Faly aok’izany i Solokely rehefa avy mianatra ka tafaraka amin’izy roa eo amin’ilay voafotsy: indraindray dia miondankondana eo am-pofoan’i Bao izy ary akory moa ny hasambarany rehefa mba manankina ny lohany eo an-tratran’i Bao. Izy roa koa etsy andaniny matoky an’i Solo. Tsy tazonin’izy ireo ela anefa i Solokely satria mbola noana na izany aza dia fotoana mamy loatra ho an’i Solokely io iarahany amin’izy roa io.
Dia lasa fanaon’i Solokely ny miandry an’i Bao eo am-pantsakana. Indraindray dia mitondra voasary izy homeny an’i Bao rehefa eo am-pantsakana iny izy ireo.

Tsikaritr’ireo zatovovavy mpantsaka anefa ity fifanatonan’i Bao sy i Solokely eo am-pantsakana ity koa dia nanitikitika ny sain’ny sasany tamin-dry zareo izany. Tao ny nanontany tsotra ary tao koa ireo nanery an’i Solokely ny amin’ny anton’ny itiavan’i Bao azy :
« fa maninona eto foana hoy aho i Solokely e ?
– miandry gana aho
– sa miandry an’i Bao !
– an ?.. aaa ka…
– hita fa izany fa mandainga i Solokely », tsy mahita havaly ilay zaza.
- hein !.. hatoroko amin’i Bebe Rasera ianareo.
– fa izahay maninona ? hoy Solokely raiki-tahotra.
– asa… fa inona fotsiny àry no iandrasanao an’i Bao eto ?
– zavatra miresaka fotsiny izahay.
– dia inona ny resakareo ?
– tsy misy « n’inona n’inona » ka !
– misy zavatra afeninareo.
– tsy misy!
– hita fa misy e … halazako amin’i Bebe Rasera ianareo ! »
Tsy namaly i Solokely fa nanganohano fotsiny ny masony. Nanomboka hatreo dia tsy nitombon-tsaina intsony i Solokely. Matahotra mafy izy fa sao hisy hilaza tokoa ireo mpantsaka na sao efa nisy nilaza mihitsy tamin’i Bebe Rasera aza ny amin’ity fifandraisany amin’i Bao sy i Dafy ity, koa dia hoeritreretin’i Bao izy izao fa tsy nahatandrina ny tsiambaratelon-dry zareo. Dia nanjary tsy be teny intsony sy toa taitaitra izany i Solokely isaky ny mahita an’i Bebe Rasera. Dia tsy nahasahy intsony koa izy nanankeo amin’ny fantsakana na mandalo any amin’ilay toerana misy ilay voafotsy fahitany an-dry Bao fa mihodin-dalana rehefa avy mianatra.
I Bao kosa na dia seriny tao amin’ny fanomanana ny raharahan’izy sy i Dafy aza dia nahatsikaritra fa tsy dia nahatazantazana an’ i Solokely intsony. Sendra hitany teny Ambinany nivarotra anana i Bebe Rasera indray maraina ka rehefa vita fifanatsafana ry zareo dia nanontany an’i Bebe Rasera izy :
« fa nankaiza ange i Solokely ry Bebe Rasera no tsy hitako tato ho ato ?
– ao an-trano ao izy fa ho aiza moa e?
– hay ve... veloma any aminy any e ».
Handeha hamoaka ireo ganany i Solokely no tonga avy tany an-tsena i Bebe Rasera tamin’io. Toa ny fanaony dia maka ny entana teny amin-drenibeny izy ary dia misavasava mitady ny mofo :
« fa angaha tsy nitondra mofo i Bebe ?
– nividy hena aho dia tsy ampy intsony ny vola.
– leity a..
– ao re fa hitondrako ianao rahampitso e... Veloma hono ianao hoy i Bao.
– an !.. » hoy i Solo taitra sy hendratrendratra.
Tsy niafina tamin’i Bebe Rasera izany fahatairan’i Solokely izany ka velom-panontaniana anankam-po izy hoe « fa misy inona àry ? », i Solokely kosa tonga dia nandeha namoaka ireo ganany. Nitaintaina be ihany i Solokely iny tontolo andro iny, natahotra mafy izy hoe « dia ho nolazain’ireo mpantsaka tokoa ve !... dia fantatr’i bebe tokoa ve ilay tsiambaratelon’izy sy ry Bao !.. sao dia tsy nifankahita kosa ary anefa i bebe sy Bao fa mitsatoka ahy i Bebe… dia inona anefa no resaka nifanaovan’i bebe sy i Bao !.. ho bedy aho izao!... dia inona no havaliko an’i Bebe !.. dia tsy ho tian’i Bao intsony aho izao... dia tsy hitokian’i Bao intsony aho izao !... » ary ity eritreritra farany ity no tena tsy tantiny ka mila hankarary azy. Noho izany rehetra izany dia tsy nody nisakafo antoandro izy iny tontolo andro iny ary ny hariva vao niverina niaraka tamin’ny gana.
« fa taiza ianao no tsy nody nisakafo antoandro ? hoy ny renibeny
– variana aho koa, hoy i Solokely sady tsy mahajery an-drenibeny :
- dia tsy noana ?
– a, a... nihinana goavy avy aho koa.
Nialaala an-drenibeny izy iny hariva iny ary teo am-pisafoana, dia nabosibosiny haingana ny sakafony ary handeha hiditra ao anaty bodofotsy izy no hoy i Bebe Rasera :
“angaha tsy hivavaka ?”
– vizaka be aho ko».
« Misy zavatra manjo an’ity zaza ity mihitsy ao, hoy ny renibe any an-tsainy any, fa tsy mety hilaza izy ».
Mbola nitohy hatrany am-pandriana ny adin-tsain’i Solokely « matoa nanafatra an’i bebe i Bao dia toa mbola mba mahatsiaro ahy ihany ange izy izany, mbola mba tia ahy angamba izy…sa efa fantatr’i Bebe tokoa ve fa i Bebe tsy mety milaza !.. sao efa nolazain’i Bao an’i Bebe kosa !... » Nokotehin’ ny eritreritra ela tao am-pandriana tao izy ka nivadibadika fotsiny nefa resin-tory ihany nony farany noho ny harerahana.

Mbola hitohy

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#1 05/11/2022 15:37:28
Mankasitraka fa tsara be !