Felam-boasary (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 880
Sokajy: Sombin-tantara
Tantaran'ankizy, ao amin'ny Eri-maso 4.
Alahady ny ampitson’io. Nandeha nivavaka i Solokely ary nanantena mafy ny mba ho tafaresaka mitokana amin’i Bao. Tsy nisy tao amin’izay fivavahana ny sainy fa dia nikarikary nitady an’i Bao no nataony, tsy nety ho tazany anefa i Bao fa any anaty olon-dehibe any, moa izy rahateo fohy koa dia nivoaka mialoha tao am-piangonana izy ary niandry teo am-bavahady. Nony kelikely dia iny tokoa i Bao : tsy nofatorany toy ny isan’andro ny volony, nanao lokomena izy, akanjo fotsy mitohy tena no nanaovany ary mifarana amin’ny kiraro avo voditongotra ny fihaingony. Jambena tamin’ny hakanton’i Bao i Solokely ka nivanaka fotsiny teo ; i Bao indray no nanaitra azy :
« manao ahoana i Solokely ! », nihanahana i Solokely vao nahavaly :
- manao ahoana?
– ary taiza foana ange i Solokely no tsy tazako e ?
– zavatra miandry gana foana aho koa.
– kay ve!
Dia izay ihany. Lasa nandeha niaraka tamin’ireo namany i Bao, i Solokely irery tavela teo.
Nitony kely ihany ny sain’i Solokely satria toa tsy tezitra aminy i Bao matoa niarahaba azy na izany aza dia mbola tsy nitombina ihany ny sainy koa tsy nitondra ny ganany teny am-parihy izy io tolakandron’ny alahady io fa nangataka tamin-drenibeny hijery baolina eny Ambinany. « Tandremo sao hariva vao miverina a » hoy ny renibeny nanahafatra. Ny hahita an’i Bao no tao an-tsain’i Solokely nefa dia i Dafy no sendra azy :
- mijery baolina angaha i Solokely ? hoy i Dafy
– a,a... mitady an’i Bao aho.
– ka i Bao tsy aty.
– fa aiza ?
– fa inona no itadiavan’ialahy an’i Bao ?
– ka izaho tsy nilaza na tamin’iza na tamin’iza, nefa... nefa... » hoy Solokely sady nanganohano ny masony, nanaitra an’i Dafy izany fihetsik’i Solokely izany koa dia ny nampitony azy aloha no nataony sady nofaranany tamin’ny hoe :
- mandehana mody fa hoteneniko izy.
– a, a, aza bedesina izy ka... hoy Solokely sady nanda mafy.
– ao àry fa tsy hobedesiko izy fa mandehana mody.
Nony hariva teo am-pisakafoana dia nanontany an-drenibeny i Solokely :
- ary izaho, ho’aho, ry Bebe toa tsy mba manana anabavy ?
Nanaitra an’i bebe Rasera izany fanontaniana izany ka nihanahana teo aloha i bebe Rasera vao nahavaly :
- anabavy ? Fa mila anabavy angaha ianao ?
Niondrika i Solokely, tsy namaly fa niteny anankam-po hoe « ie, anabavy tahaka an’i Bao »
– Hano aloha ny vary anaka, hoy bebe Rasera, fa rahampitso isika miresaka an’izany.
Lasa saina mafy i Bebe Rasera tamin’iny nitakian’i Solokely anabavy teo am-pisakafoana iny koa rehefa tany am-pandriana izy dia nitamberina ny taona maro efa lasa. Nanaraka an-dRakotosaona vadiny no nahatonga an’i Bebe Rasera ho teto Andemaka. Telopolo taona no nivadian’izy ireo ary niteraka vavy tokana atao hoe Anita.
Roa ambin’ny folo taona i Anita no matin’aretina Rakotosaona koa dia i Bebe Resera irery sisa no nanao izay ho afany tamin’ny fitaizana an’i Anita.. Raha vao feno fito ambin’ny folo taona anefa i Anita dia tsy voatazon’i Bebe Rasera tety ambanivohitra intsony fa lasa namonjy ny renivohitra ary fito taona lasa izay no nanaterany teto amin’i Bebe Rasera an’i Solokely raha vao amam-bolana fotsiny. Dia tsy niverina intsony izy mandraka androany.
Tsy afa-niala tety intsony koa i Bebe Rasera noho ireo fanana navelan’ny vadiny rehefa maty satria iza moa no hividy an’ireo izay aty ambanivolo be aty. Mangotsoka ny fon’i bebe Rasera mitadidy an’izany rehetra izany ary vao mainka nampian’ny ahiahy sy ny tahotra ny ho very an’i Solokely izany ankehitriny. Raha handeha eo indray tokoa mantsy i Solokely dia inona sisa ny aminy !

Mbola hitohy

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#1 05/11/2022 15:37:28
Mankasitraka fa tsara be !