Felam-boasary (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 871
Sokajy: Sombin-tantara
Tantaran'ankizy, ao amin'ny Eri-maso 4.
I Bao koa etsy ankilany dia lasa eritreritra mafy rehefa nilazan’i Dafy ny nifankahitany tamin’i Solokely tamin’iny alahady tolakandro iny :
-hitako moa izy iny tsy tazana mihitsy tato ho ato ary toa niandry ny hiresahako tokoa izy tamin’ny alahady maraina teo nefa izaho efa maika hody.
– raha ianao ange, hoy i Dafy taminy, no nahita izay masony nanganohano izay raha niteny fa tsy nilaza na tamin’iza na tamin’iza izy, indrindra ny niarovany anao tsy hobedesina
– ndry... manohina ahy mafy izany... koa raha izany dia nisy nanery azy hilaza ny momba antsika sy ianao.
- na inona na inona zava-nisy tany, ny tsotra indrindra dia niaro ny tsiambaratelontsika ilay zaza ary mavesatra aminy izany.
- fa ny mahagaga ahy dia ity izy tsy mba saro-piaro taminao.
–tsy nandray ahy ho rafy tokoa izy, hoy i Dafy, satria ny noraisiny ho zokiny ianao
– izay no tsy azoko, hoy i Bao.
– fa iza moa i Solokely hoy ianao… zaza tokana ange izy iny e ka miantsampitsampy amin’izay mba mandray azy, isika rahateo tsy nanosika na nibedy azy fony izy nahatratra antsika, koa dia tamana tamintsika izy; hany ka zava-masina taminy loatra izay rehetra nolazaintsika azy, isika no mba namany.
– iza moa no nanampo an’izany
– izany no anton’ny tsy hitenitenenam-poana na hanaovana fihetsika hafahafa eo anatrehan’ny ankizy satria miantraika avy hatrany amin’ny aty fanahiny mbola marefo izay ny hitany sy reny amin’ny maha zava-baovao izany aminy.

Ny andro vitsivitsy nanaraka an’io dia mbola tsy tazan’i Bao ihany i Solokely fa sady tsy teo amoron’ilay fantsakana izy no tsy nandalo tany amin’ilay voafotsy koa. Nanaitra an’i Bao izany fihetsika izany koa dia tapa-kevitra ny hiandry an’i Solokely avy mianatra izy. I Solokely kosa raha vao nahita an’i Bao dia nanipy ny kitapony ary dia nihazakazaka niantoraka teny amin’i Bao sady nitomany no niteny hoe : « tsy nilaza aho, tsy nilaza aho ».
Ontsa ny fon’i Bao ka nofihininy ilay zaza. Nosafosafoiny ny lohan’i Solokely sady nanontaniany :
- fa taiza foana ange i Solokely e ?
– natahotra an’i Bao aho… nefa izaho tsy nilaza mihitsy.
– aoka ary izay e, sady nentiny nampofoina teo amoron-dalana ilay zaza.
-tezitra amiko ve i Bao ? hoy i Solokely sady niandrandra nijery an’i Bao :
- fa ho tezitra ahoana aho ry Solokely a?
– ka hotoriany any amin’i bebe hono aho.
– dia notoriany tany tokoa ve ?
- tsy fantatro.
– fa ahoana hoy i Bebe Rasera ?
– izy angaha niteny inona!
– nefa efa nolazainao azy ?
– ka hoy i Bao ange hoe aza lazaina na amin’iza na iza.
– marina tokoa izany… dia samy nangina kely izy roa fa i Bao no lasa saina mafy:
- avelao koa hotoriany any e !
– dia raha hobedesin’i Bebe aho.
– dia ahoana tokoa no hataon’i Solokely raha bedy?
– dia tsy hilaza aho.
– na dia ho voakapoka aza ve !
– dia handositra aho any amin’i Bao aho.
Nitsatoka mafy tany am-pon’i Bao izany teny farany nataon’i Solokely izany. Hataony ahoana ity zazakely raiki-pitia aminy ity ? Nolazainy an’i Dafy izany fasahiranan-tsainy izany ka hoy i Dafy hoe :
- tsy dia mahalala loatra ny momba ny hay aty fo amam-panahin’ny ankizy aho... fa noho ny maha singana an’i Solokely no iantoratorahany amin’izay mba mandray azy ary matahotra loatra ny hialanao izy koa masina ho azy izay fifanekena nifanaovany taminao
– raha bedin-drenibeny hono izy dia handositra aty amiko, hoy i Bao, koa ny tsotra indrindra angamba dia ny miresaka amin’i Bebe Rasera.
– tokony ho nanosika azy hatrany am-boalohany isika, hoy i Dafy.
– tsy mety amiko izany, inona anefa no helony e !

I Bebe Rasera koa etsy ankilany natahotra ny ho very taranaka indray ka hipetra-drery ao anaty fahanterana. Inona no havaliny an’i Solokely amin’ity izy mitaky anabavy ity !... tsapany fa hafahafa sy toa efa manafin-javatra aminy sahady mantsy tato ho ato i Solokely ary izany dia hatramin’ny nitondrany ny hafatra avy tamin’i Bao.
Tazan’i Bao teny an-tsenan’Ambinany i Bebe Rasera. Navelany hahavita ny zavatra tokony hataony aloha i Bebe Rasera ka rehefa iny handray ny lalana mody any Andemaka iny izy dia izay vao nohatoniny. Rehafa vita nifanatsafa teo ry zareo dia nampidirin’i Bao tsikelikely ny resaka Solokely àry farany dia novakiny:
-Nahita anay sy i Dafy niresaka i Solokely indray mandeha ary noferanay tsy hilazalaza an’izany taman’olona izy.
-Hay ve !... hoy i bebe Rasera, hitako niova fihetsika tokoa izy hatramin’ilay nilazako hoe
veloma hono ianao hoy i Bao.
Rehefa nandeha teo ny resaka dia voatery naka sisin-dalana izy mianaka ary nifampilaza ny ahiahiny avy. I Bao moa nilaza fa handositra any aminy i Solokely raha vao bedin’ny renibeny ary hanahirana azy be ihany izany ; i Bebe Rasera koa tsy nanafina ny fahasahiranan-tsainy tamin’ny fanontanian’ i Solokely ny tsy mba ananany anabavy sy ny tahony raha hanao toa an’i Anita indray i Solokely ka dia handao azy sy ny fahanterany eo.

Nony tafaverina avy teny an-tsena i Bebe Rasera avy teo dia nitsena azy toy ny fanaony i Solokely ka naka ny entany teny aminy fa tsy nomen’i bebe Rasera :
-Aoka aloha fa andao hiditra.
Sadaikatra i Solokely, raiki-tahotra, hany ka somary niahotra kely vao nanaraka an-drenibeny satria mbola tsy fanaon-drenibeny izany fihetsika izany : « fa misy inona àry ? » hoy izy nanontany tena. Navelan-drenibeny ny entana nony tao an-trano dia hoy izy : « mipetraha ianao ». Vao mainka nitombo ny tahotr’i Solokely. Fa i Bebe Rasera kosa nandray ny tanany roa sady nibanjina azy no nanontany azy moramora hoe :
« hay nahita an’i Bao sy Dafy ianao ? ». Niondrika ilay zaza ary niandry levilevy na tehamaina aza saingy teny malefaka sy feno tambitamby no nanohizan’i Bebe Rasera hoe
- amin’ny sisa, aza manafin-javatra intsony amin’i bebe… azo ?
– dia tsy tezitra amiko izany i Bebe ?
– fa ho tezitra ahoana aho, anaka ?
–ka hoy i Bao ange hoe aza lazaina na amin’iza na amin’iza.
– manomboka izao dia lazao an’i Bebe ihany na inona na inona zava-misy any.
– dia tsy hobedesin’i Bebe aho ?
– fa angaha mibedy anao aho izao . Nahazo aina ilay zaza, hita ho mirana ny endriny
– ao ny mofonao, hoy i Bebe Rasera sady nitsangana nankany an-dakozia izy.

* * *

Zoma harivariva tamin’izay, somebiseby sy mikenonkenona fatratra ny ao amin-dry Bao manomana ireo sakafo sy ny fomba rehetra handraisana rahampitso an-dry Dafy sy ny fianakaviany izay ho avy hangataka an’i Bao sy hanolotra ny vodiondry ; sendra hivoaka ny anadahin’i Bao no nahita an’i Solokely mijoro eo am-bavahady mitrotro gana, gaga ilay io ka rehefa nanontany ny anton’ny ijoroan’i Solokely miaraka amin’ilay gana dia novalian’i Solokely hoe « mitady an’i Bao aho ». Nirohotra nivoaka sy nankeo ambaravarankely daholo ny tao an-trano nijery an’i Solokely sy ny ganany, i Bao kosa nanatona sady niteny hoe : « Solokely, fa maninona eto ianao ? – inty ny ganan’i Bao fa efa nokarakaraiko tsara ». Tohina mafy ny fon’i Bao ka nofihininy ilay zaza :« misaotra ry Solokely zandrikeliko izany » sady latsaka ny ranomasony.

Ambohitra – Amboanjobe ny 08/04/2021
Imbitika Rambala


Eri-maso 4 , tak 45-59

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#1 05/11/2022 15:37:28
Mankasitraka fa tsara be !