AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 7965
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 15
Izay  ny  amin’ny Zanaposa nisy an’Ingahy Herizoa Razafimahaleo izay nisy ny razambeny. Ny  momba  ny  zazafotsy  indray dia efa voalaza tery aloha  fa  ny tiana asongadina  dia  Ingahy Andrianarivo Tantely.

Ireo razambeny , dia efa nitondra hatramin’izay  naha an’Ambositra an’Ambositra . Tsy azo odian-tsy hita izany ; fa tena tantara velona . Ny rainy no ben’ny tanàna voalohany tao Ambositra. Io EPP ao Amongy io no tsangambato velona nataon’ny taranany sady nitondra ny anarany rahateo. Ny zanany no nitokana azy tamin’ny maha Praiministra ny tenany. Mifanila amin’ilay tanin’i Dada ao Amongy io EPP io. Ny taranany dia ao : Nord Caserne  ; atsinanan’ny Vinany ; Malakialina ; Hadilalana , izay misy  ny  CSB II  sy  ny  tobin’ny  Zandary.

Marihina fa eo ambanin’Ambalamahasoa ; misy farihy atao hoe « Akamory » fady Merina sy vahiny io toerana io, tsy azo hitondrana lamba miloko mena…Misy fasan-drazana iray , izay ihany koa ao , izay efa foana tsy misy razana. Ireo taranaka telo tonta ireo dia fady : Trandraka, Sora, Amalom-bandana. Noho ny Finoana kristiana anefa dia lefy izany fomban - drazana izany. Pasteur Randrianarison , kosa dia zanak’izy mianadahy avy amin’i Bebe Rasoanatoandro , renin’i Dadako . Io Pasteur io no loharano nipoiran’i Docteur Radaniel Richard , izay « Médecin Général » , tao amin’ny Hopitaly Miaramila etsy Soavinandriana - Antananarivo .

*Omena anao ny tetiarana vonjy maika :

Ramanandrovola : no andriana , razambe nipoirana

Rafaralahy Emmanuel : dia zanaky Ramanandrovola , fahasivy farany

Ravelona : kosa dia zanaky Rafaralahy Emmanuel , fahaefatra, zafikelin-dRamanandrovola .

Ralaivao Emmanuel ; zanaky Ravelona fahaefatra ; zafikelin-dRafaralahy Emmanuel, zafiafin - dRamanandrovola .

Randrianarivo Emmanuel : zanaky Ralaivao Emmanuel , voalohany ; iray ray sy reny ; zafikelin-dRavelona zafiafin-dRafaralahy Emmanuel ary zafindohaliky Ramanandravola .

Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard : zanaky Randrianarivo Emmanuel voalohany, zafikelin-dRalaivao Emmanuel ; zafiafin-dRavelona ; zafindohaliky Rafaralahy Emmanuel , ary zafikitrokelin-dRamanandrovola .

Andrianarivo Fanomezantsoa Raphael : zanaky Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard , voalohany, zafikelin-dRandrianarivo Emmanuel, zafiafin-dRalaivao Emmanuel ; zafindohaliky Ravelona ; zafikitrokelin-dRafaralahy Emmanuel , ary zafipaladian - dRamanandrovola.

7965 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1287