AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)
Any amin’ny faritry Manandriana, tanàna iray atao hoe : Mahazo. Misy atao hoe : Vohidrakidahy sy Vohidrakivavy , izay vohi-bazimba : Ramasoandro dia zanak’i Ramakarabo andriana tany amin’ny Antaimoro , izay taranaka Arabo tany Lameka. Ireo olona manana fiteny “ Proto-Austronésienne des Vazimbas ” , sy ny teny “ Swahili ” sy “ Shahili ” na Bantus . Ny teny iray tarika amin’ny Néo-Austronésiens = “ Malais ; Javanais : Bingis : Orang laut ” .

Raha teo amin’ny tantaran’ny foko Betsileo , dia ny Bongo no nanana anjara toerana lehibe, fa sady nalaza sy natanjaka, nanana filoha hendry izy ireo no lalin-tsaina ihany koa . Ireo karazana vondron ‘olona mitovitovy fihaviana ireo no ilay antsoina hoe : « Nadagno zavona » Nilomano tamin’ny zavona . Matetika no miteraka ady sy savorovoro tamin’ireo vondron’olona mitovitovy karazana ireo , ny ady tany sy ny fandratoana andevo , ary ireo te hanitatra ny ambaindain’ny fanjakany. Raha ny teo amin’ny vazimba indray dia ny “ Bodisy ” sy ny “ Andrianakatsatsa ” , no tena nalaza.

Ny Hova no andriana nampanjakaina, ny Anakandriana no raiaman-dreny lehibe sy manan - kaja.

Ny Andevohova , no lefin’ny hova izay nalaina tamin’ireo Anakandriana.

Ny Andevo kosa dia ireo olon-dresy sy ratsy fitondran-tena ka nahetry ho iva razana.

Raha ny tantara no zohina ( arahana ) dia Arabo mpifindra monina ireo andriana Betsileo ireo : Ao ny Hovampanominda sy ny Hovabe.

Ireto avy izy ireo :

Betsileo avaratra : ny Maroandriana

Manandriana sy Midongy : Zafirambo

Isandra : Zafimaharivo

Ankona : Zanakandranovola

Lalangina : Zafindravelo sy Zafianarana

Vohibato : Zanakatara

Tsienimparihy : Zafimahafanandry

Alananindro : Zafindreony

Homatrazo : Zafimahatohamana

Misy amin’izy ireo no midi-droa toa ny :

Manandriana : Zanakandranovola

Ankona : Zanakatara

Isandra : Zafimahatohamanana

Izy ireo dia mivelatra ho Arabo manontolo , fa tsy voafaritra ho firenena tokana ihany. Raha ny zava-misy , ao amin’ilay tendrombohitra iray , ao Alakamisy Ambohimaha ; harambato no marimarina kokoa, mandalo amin’ny RN7 iny, dia misy soratra tsy hay vakiana ao ; ary tsy hay vinaniana ho soratra Jiosy na soratra Arabo.

Hametraka hevitra
Midira aloha