AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 5
Samihafa tanteraka ny fomba amam-panao : Ny taovolo ; ny tso-drano fanao am-panambadiana ; ny fianarana ; ny dia aleha ; ny Sokela izay fampiasa any Betsileo ohatra , tsy hitanao any amin’ny Tanala mihitsy .Ity ihany koa : Ny tanàna tao Sahasomangana sy Fisakana no lasa « Anjafirambo »
Raha hiverenatsika ny tantara , dia izy mirahalahy dia samy niteraka fa Ranosy kosa momba. Rehefa nihamaro ny taranaka dia niady matetika , ary tsy nifanaran-tsaina ny taranak’Andriamanalimbetsileo sy Ratrimo noho io adim-pianakaviana io. Inona moa no fototry ny olana , fa tsy ny ady tany ; ny ady fahefana ; ny ady te hanjaka irery . Ny tao Andraimbe ; izay tendrombohitra atsinanan’Ambositra ankehitriny, dia Andriamanalimbetsileo no namaritra ny tanànany mba hanjakany rehefa nisaraka izy telo mianadahy. Io no Ambositra fahizay , izay atao ihany koa hoe « Ambositra tompon’anaran-dray ankehitriny ». Nampanao lavaka fito sosona manodidina ny lapany ho fiarovana amin’ny fahavalo sy hiarovana ny fanjakany i Andriamanalimbetsileo. Io no asa nataony voalohany raha vao nanjaka izy. Eo amin’ny vavahady fidirana tokana ao an-drova dia misy vatolampy lehibe iray fanaovana fanorona fa hialohavan’io vato io kosa dia misy vato mifanongoa toerana nandevenana an - dRainihanana mba hatao famato. Io olona io dia nohosorana ody hatreo amin’ny lohany ka hatreny amin’ny faladiany, avy eo nalevim-belona mba hiarovana ny Merina na ireo vondon’olona hafa mety hiaka - dapa, indrindra fa ny fahavalo hisavi-panjakana. Avy ety atsimo no miditra, sady any rahateo ny vavahady fidirana ao an-drova. Io Andriamanalimbetsileo io aloha hatreto no fototra niaingana fa Ramanandrovola , dia vinanto araka ny fanambaran’ny andaniny . Ny ankilany kosa anefa , dia mampiseho fa io Ramanandrovola , izay loharano mipoirana io , dia zanaky ny mpanjaka fa tsy vinanto izany .Vao manomboka , dia efa hita sahady ny fisavoritahan’ny tantara , kanefa dia olona iray ihany no niandohan’ny taranaka . Raha ny tombatombana sy ny vinavina , ho nahavelomany : 1725 - 1826 , tany ho any ; izay vanim-potoana nanjakan’Andrianampoinimerina sy Radama I , izany . Mety hitombona io vinavinana io , satria ny mpanjaka Radama , teo amin’ny fanjakany no nanafika an’Ambositra ka nahaleo - monina azy ireo , ka nifindrany tany amin’ny toerana hafa, izay mbola ho resahantsika aoriana ao . Mahakasika ny mpanjaka Andriamanalimbetsileo kosa dia heverina fa niara-nanjaka tamin’Andrianampoinimerina : 1787 - 1810 .
Raha ny tantara anefa no zohina , dia niovaova foko ny tarana-manjaka , faha Ratrimo zanak’i Andrianitanosy dia nataony hoe : « Zafindratrimo » ny azy , ary ny an’i Andriamanalimbetsileo kosa « Zanakimpanalina » fiovana faharoa talohan’i Zafirambo io fa ho hitantsika ny fiovana fahatelo fa araho ny tantara.
Hametraka hevitra
Midira aloha