MENARANA TOKOA VE! (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 61
Mpanoratra Ny Andri-Fara
MENARANA TOKOA VE !. « Angano ankehitriny , vokatry ny dindon’ny lasa no niheverana azy ; tsy kisendrasendra ihany koa na iniana nosoratana fa natao kosa mba ho kanton’ny Soratra miteniko fotsiny »
Pejy 1
MENARANA TOKOA VE !.

« Angano ankehitriny , vokatry ny dindon’ny lasa no niheverana azy ; tsy kisendrasendra ihany koa na iniana nosoratana fa natao kosa mba ho kanton’ny Soratra miteniko fotsiny »

           Menarana , iza no efa tsy nahita io karazana biby mandady sy mikisaka eto amintsika . Ny ankamaroan’ny Malagasy rehetra angamba dia efa nahita azy avokoa ; saingy maro amintsika no matahotra azy io .
          Fahiny tsy mbola ary ny lanitra sy ny tany ; dia nambara fa zava-boahary noharian’Andriamanitra izy ary nanana tongatra mba andehanany . Voalaza ihany koa fa biby tena fetsy sy mora anefa izy ; ary noho izany no nahatonga azy nataon’ilay anjely nahafinaritra sy anisan’ny mba tsara tarehy indrindra tamin’ireo anjely noforon’Ilay Mpahary . Efa ho Roa arivo taona mahery , talohan’Ilay Mpamonjy no efa voaforona izy io . Tsy nampoizina ny fomba nampiasain’ilay ratsy azy hamitaka ny olombelona izay azon’ny fitahina . Rehefa vitan’Andriamanitra izao rehetra izao , dia Niezaka Izy hampitsahatra ny Aasa nahafinaritra izay efa Vitany teto ambonin’ny tany ; Indray andro anefa raha mbola nifanaretsaka sy nifaly havanja ireto mpivady vao ; dia tavela irery teo , ilay Vehivavy voalohany indrindra ka nahita izato menarana ; nitafa sy niresaka taminy , inoana fa mety ho lasa lavitra ilay Lehilahy voaforona voalohany ; ka tsy nahita ity vadiny nitafatafa tamin’i menarana . Maro dia maro ireo voankazo novolen’Ilay Mpahary ary tsy hita isa ny hamaroany ; saingy ity hazo iray , izay nataon’Andriamanitra , ho fahalalana ny ratsy sy ny tsara no nahitany hevitra noho ny hatsarany sy ny maha te-hihinana azy ka nahitan’ilay menarana hevitra ny hamandrihana azy . Marihako etoana aloha fa nitanjaka izy ireo ary tsy mba nahalala henatra akory . Kanjo vao nihinana ilay voankazo nandrarana izy izy , dia nahatsapa fa nitanjaka , hany ka nahalala henatra . Tsy vitan’ny hoe izy irery no nizaka ilay ota ; fa nomeny ihany koa ny vadiny ka teo vao zendana sy gaga fa tonga menatra izy ireo ; hany ka niafina ny Tavan’Andriamanitra . Izany no nahatonga ny menarana ho voahozona ka ny kibony no natao handehanany ary vovoka no sakafony ; izany ihany koa no nahatonga ny zanaky ny vehivavy hifandrafy amin’ny menarana na ny bibilava rehetra mihintsy , ka raha vao mifanena dia ny hifandramatra sy hifamono ary lasa ho mpifavalo ; fa ny lehilahy kosa dia voahozona hiasa mafy ary tsy maintsy tsemboka vao mihinana .
               Tao anatin’izany anefa ; dia niaina nandritra ny taona maro nifandimby aty aorian’Ilay Zanak’Andriamanitra io Biby fetsy ratsy io . Tonga teto amin’ilay nosy nanirery ihany koa izy ary tsy nandeha irery anefa ; fa nitondra namana maro dia maro tokoa .

1
Nisy loko isan-karazany izy ireny ary tsy nitovy ny habeny , saingy ny nitovizany kosa ; dia tsy mahafaty raha vao manaikitra kosa . Nandehandeha izy ireny ary nahasehaka ny faritra maro teto amin’ity Nosy ity .
            Indray andro anefa…., tolaka nahafinaritra ny andro , ary izay nojerena rehetra dia feno misitery avokoa ; toa te-hilaza aminao fa tsy afaka ny handroso ianao ,satria miahotra tsy afa-mandroso ny tongotra ary misy mamatotra ; ka zary kaodikaody sy mahamahana ery . Tolaka nahafinaritra anefa ny andro , ary izay nojerena dia feno misitery . Tampoka loatra ny fahitako ity karazana biby mandady hafahafa , tsy tahaka ny fahitako kanefa ny tahotro dia mihoatra lavitra ny nahitako azy voalohany . Lasa ihany anefa ilay biby ary nizotra tamin’ilay lalana tokony nombako aho .
             Tsy ela fa nahafaka ora telo nahamasa-bary aho , no nahita faty nihatona tamina hazo roa , tsy dia avo loatra ary nahitako vilia somary lehibebe ihany nifanandrify taminy teo amin’ny tany . Nanantona teo aho , saingy niahotra kely aloha nijery ambony saingy zavatra hafa mihitsy no hitako . Nihemotra aloha aho satria nikasokasoka ny ahitra tao aoriako ka tora-kovitra nalemy tampoka teo ny lohaliko ; nisikina hery aho ka afaka nanohitra ny tahotro , ka raha vao niherika aho dia ilay biby hafahafa hitako tery aloha no nandalo teo ambany masoko ary namonjy ilay vilia nisy rano hafahafa maimbomaimbo , toa nitsika avy tamin’ilay razana nihatona teo ambony hazo . Tsy fantatro na nahita ahy ity biby ity , fa tsy niraika akory izy raha nanantona mba hijery izay ataony eo akaikin’ilay vilia izy .Nangoniko ny heriko rehetra ary hitako avokoa ny zava-niseho rehetra . Marihako etoana fa io ala io dia lavitry ny tanàna izay nisy anay ; ary tsy tsaroako akory hoe aiza ho aiza no misy azy sy ny faritra mety manakaikikaiky ; fa ny tsapako dia hoe nianatsimo ny diako ka tonga teo amin’io toerana io aho .
          Akory ny hatairako , gaga aho satria feno karazana olitra maro tao anatin’ilay lovia ; rikoriko aho ka niherika nijery izay tao afarako tao , kanjo vao nijery nitodika tao anaty lovia aho dia biby tokana somary fohy somary botabota no hitako ary nanaraka ilay eha hitako tery aloha . Tsy sahy nanaraka azy aho fa fanina tokony ho folo minitra teo ho eo ; ka tafatombina nitorevaka tamin’ny tany teo , ka lasa vinany tanteraka . Karazana biby manao ahoana no hitako , fa ny bikany dia tahaka ny menarana kanefa lehibebe kokoa ny lohany ary miendrika endrik’olona izany raha jerena tampoka , ny hodiny marokoroko tsy tahaka izay fahita amin’i menarana mahazatra akory ary ny rambony dia itovy amin’ny rantsan-tanan’olona misy hoho , izay manondro isaka ny mandeha izy ary manambara fa masin-teny sy mahita loza izay mikitikitika azy .
            Tsy nahajanona teo aho , raha vao nahatsiaro fa ny lalako no nizorako…Nizotra ihany aho namonjy ilay fonenana tokony hitoerako , fa ampy ahy izay , kanjo tonga teo amoron’ny trano rava migodana izay aho …


2
Inona hoy anareo no hitako tao , fa tsy fivorian’ireo biby mandady hafahafa ireo ; ary ilay hitako tery aloha no mijoro toa mikabary amin’iretsy namany ary ilay vao hitako teo izay niaraka taminy no mifamihana aminy eo . Nitodika niankavana aho no nahita azy ireo nirohitra namonjy naka afovoan’ny kianja , ka tsy tapitapitr’izany akory dia efa nifampitolona tamin’ilay omby ranga izay izy rehetra ….
            Tonga tany amin’ilay akaninay ihany aho ; ary tsy nahitana teny firy …Nitamberina tao an-tsaiko izay hitako rehetra ka nahatonga ahy nieritreritra hoe : « MENARANA TOKOA VE ! »
            Io biby io mantsy dia biby fetsy tokoa ary tena biby mora tokoa , tsy haiko …Tena izany tokoa ve !


Ambatomaro - Mangarivotra : 12 Aogositra 2024
Ny Mpanoratra : Ny Andri-Fara .
61

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104