MAHERY ANDRIAMANITRA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 19
Mpanoratra Ny Andri-Fara
Tantara tsangana lalaovina an-tsehatra . Tantara Krismasy
Pejy 1
MAHERY ANDRIAMANITRA
Ny Mpanoratra : ANDRIANARIVO Fanomezantsoa Raphaël , na Ny Andri-Fara
« Tantara natao holalaovina an-dampihazo na an-tsehatra »
( Miresaka ety ivelany ireto mpianatra telo mianadahy….Miroso moramora manamorona ny arabe ; mitondra kitapo babena sy kitapo sakelehana ary boky sy kahier entina amin’ny tànana )
VATOSOA = Fa hono ho’aho ry Kezia ?
KEZIA = Ahoana akia ry Vatosoa a !
VATOSOA = Tonga indray ity ny andro , hankalazantsika ny vanin’andro nahaterahan’ny mpamonjy ?
JEAN CHARLES = Dia maninona ?
VATOSOA = Mieritreritra aho hoe , isika ity lavitra ray aman-dreny ka tsy manana fitafiana hanaovana amin’izany akory

    ( Nitsatsaingoka i Jean Charles…)

JEAN CHARILES = Fa angaha moa rehefa tsy manana akanjo vaovao , dia tsy afaka hiditra am-piangonana…Sa !
KEZIA = Rehefa madio fotsiny ; dia ampy ka , fa tsy hoe fitafiana maloto kosa aloha no hitsenantsika ny Mpamonjy …

( Tsy mbola niala izy telo mianadahy , fa indro misy olona iray mitory teny eny an-dàlana….)

MPAMITAKA = Ry mponina eto amin’ity toerana ity….Tonga eto aminbareo aho , hitondra soa ho an’ny ankohonana sahirana…Ny fitsaboana dia amin’ny alalan’ny KABAL , na ilay SORABE avy any Israely …Tongava ary indro ny toerana ahitanareo io Fiangonana io ; tsy misy sarany ny fitsaboana fa ny am-pahafolon-karena ho an’Andriamanitra no atao.

( Lasa iny…Mbola nisy iray nandalo indray…Ka vanaka fotsiny izy telo mianadahy , tao anatin’izany…)

MPITAIZA = Raha te ho tafita amin’ny fiainana , tsotra ny ahy ny fitsaboana , fa amin’ny alalain’ireo KALANORO sy ZAZAVAVINDRANO ary ny VAZIMBA ato anatiko no ahafahako manampy ny mpiara-belona amiko , ka tongava raha mila ahy ianareo…

( Lasa izy telo mianadahy , toa hafahafa sy mahamahana…Ankizy telo hafa indray no nisolo ireo mpianatra , toa jilajila fihetsika somary tanora fanahy miaina amin’ny fiainan’ny tanora eee)

JOELLA = Tena mety amintsika mihitsy izany an !
NANDRIANINA = Sady isika ihany koa mila manantona ireny mpanasitrana ireny satria izany no efa nanabeazan’i Dada sy Neny antsika .
SAROBIDY = Za aloha tsy ho any e ! mpisoloky sy mpandainga fotsiny ireny
JOELLA = Hitsipaka ny fitaizana nanabeazan’ireo nahitana masoandro izany ?
SAROBIDY = Tsy ho any fotsiny za dia ampy izay…Tsy hitondrako voka-tsoa akory ny fananako azy hatramin’izay , inona izao no azontsika ! tsy aretina !? Aiza nefa ? Hoe mpanasitrana aho hoe mpanasitrana kanefa isan’andro ny iray amintsika mihetsika foana ny tromba…..( Sady nihomehy no nandeha…)



1
( Ankizy mba maontina roa hafa indray no eo ….Tsy miala ireo teo aloha fa mifampijery fotsiny no tonga niditra ireo Ankizy telo talohany , dia ireo telo mpianatra izany …)

ALDA = Mahagaga ahy ny olona , fa arakaraka ny handrosoana amin’ny finoana vao maika mampiroborobo ireny karazam-piangonana ireny .
MITIA = Ny tena zava-doza amin’ireny ; dia isika Kristiana mihitsy no mitady voafitaka ary tena tafaroboka mihintsy moa koa …
ALDA = Ka inona ary ry Mitia no atao a !
MITIA = Tsy misy afa - tsy ny mivavaka manankina ny fiainana amin’Andriamanitra ihany ; sy ny mitazona ny finoana tsy ho voarambakin’ny sasany eee !

( Niditra Kezia ….mifokofoko mitomany sy mamafa izany amin’ny mosoara )

MITIA = Ity eto Kezia ; ilay Sekoly Alahady miaraka amintsika
ALDA = Ary toa mitomany izy izany ; fa maninona , kanefa isika izao efa manomboka hianatra ny hazo Krismasy ?!
KEZIA = ( Misefoseho….Kendakenda …) Manao ahoana ianareo mirahavy ?
MITIA sy ALDA = Manao ahoana Kezia…Fa misy inona no toa avy nitomany ?
KEZIA = Lasa nanaraka an’ireny fiangonana mpanao dokam-barotra momba ny finoana sy ny fombafombam-pivavahana izay milaza ny tenany ho mpanasitrana sy manala ny fahasahiranana ireny , izy roavavy ; dia lasa any eee
MITIA = Efa reko aloha ireny e ! tena mipoapoaka mihitsy aloha ny PUB amin’ny TELE a ! mahay fahagagana hono , manasitrana e ! manampy amin’ny fianarana sy ny tsy voalazako eee…
ALDA = Ity izao misy anankiray

( Miditra ilay mpitsabo anankiray mahay manasitrana amin’ny rano voahasina ….)

MPITSABO = Manao ahoana ianareo telo mirahavy ?
ALDA = Fa iza moa ianao raha tsy mahadiso azafady ?!
MPITSABO = Izaho ilay mpitabo fanta-daza , izay mitsabo amin’ny alalan’ireny rano voahasina ireny , io rano io dia avy amin’ny anjely
MITIA = Tsy azoko izany ?
MPITSABO = Io rano io no hitsaboako olona sady ampiarahako amin’ireny menaka avy am-pitan-dranomasina sy vavaka mafonja dia izay ….Sitrana ny olona
ALDA = Hay ve !
MPITSABO = Betsaka ireo olona no sitrana sy efa nijoro vavolombelona tamin’ny haino aman-jery sy ny vaky jery a ! olona mila fahasitranana maro no mila ahy…
MITIA = Hilaozanay aloha ianao fa ny anay dia Jesoa Kristy ihany no vahaolana sy mpanasitrana

( Nivoaka avokoa ireo ankizy teo aloha …..Ao an-trano kosa i Joelle sy Sarobidy ary Nandrianina , no niditra ireto mpivavaka mitety tokantrano ….)

Mandondona ….
MPIVAVAKA = Tok Tok Tok
SAROBIDY = Mandrosoa
SAFIDY = Tonga izahay mba hitory ny Tenin’Andriamanitra aminareo…
NANDRIANINA = Inona moa no olana ?!
MPIVAVAKA= Mialoha izany aloha , dia manana Baiboly ve ianareo , ity misy trakta hianarantsika ….


2

( Teo am-piomanana , fa nisy tamin’ireo mpivavaka nitsidika no nijerijery sady naka ny telephone iray an’i Joella , ka nanao azy am-paosy ….)

MPIVAVAKA I = Io Andriamanitra io , dia Tia antsika , ka tsy misy afa tsy ny mialoka aminy ihany no ahitana ny fahasambarana …
MPIVAVAKA II = Fa izao koa no tsy azontsika mpanara-dia an’Andriamanitra . Diso ny fanambarana fa Jesoa dia Zanak’Andriamanitra ….Mpaminany lehibe fotsiny izy ary tsy miseho amin’ny endrika telo izany Andriamanitra …Mila mianatra Soratra Masina isika , fa ovay ny fomba mahazatra anareo …Maro ny teny tianay hambara fa handao anareo aloha izahay ….

( Dia lasa nivoaka ireo Mpivavaka , fa ny tompon-trano kosa mbola nijanona tao ihany …Tamin’izany no niditra kosa Miraille ….)

MIREILLE = Ah ! Salama nareo a ! inona no vaovao izy ela zay ?
JOELLA = Nisy olona izay vao tsy ela akory izay , angamba hitanao nivoaka teo , mba nitory sy nampianatra anay ny Sitrapon’Andriamanitra ( miketrona sy malahelo ) ; dia tsy haiko hoe , lasany any ny Telephone-ko vao novidiako
MIREILLE = Mpivavaka ve akie izy dia haka izany an !
NANDRIANINA = Efa hoe zany koa ! mody manatsafa eo ….Sa iza aminay no tian-dry ho naka azy .
MIREILLE = Fa ngaha tsy tadidinareo ireo mpivavaka ireo sa…
JOELLA = Ka na dia tadidy aza , afaka atao ahoana moa satria tsy tratra ambody omby izy koa
MIREILLE = Izay aloha e !
JOELLA = Sarobidy ihany no maimay nampiditra an’ireny tato , misy azy izao Dada sy Neny ?
SAROBIDY = Isika samy teo an !
MIREILLE = Lasa aho aloha ; fa izay hifanarahanreo eo , Mpivavaka ve dia hangalatra !
JOELLA = Sao dia nalain-dry tokoa ary ?
SAROBIDY = Samy teto isika a !
MIREILLE = Mankanesa amin’ireny mpahita ireny e ! ohatra hoe Dadakalo na Ranakotra , ireny mantsy no mahita ny zavatra very koa

( Lasa indray izy rehetra…..Ny mpimasy sy Joella no eo …..Indro ingahy mpimasy mitorebika manokonoko voan-tsaramaso sy miantsoantso eo….)

MPIMASY : Masina hono ianao radada, any ianao ry mpanjaka rehetra talohan’ny androany , ianareo razana efa nodimandry….Pooooh poooh pooo a !
MPIMASY : Inona moa ilay zavatra very teo ?
JOELLA : Telephone ka… !
MPIMASY : Eka hoy izy….

( Dia nanohy niteniteny foana teo , farany dia nitrosona tamin’ny tany….)

MPIMASY : Zao no nolazain’ny masina 12 hoy izy …..Eka hoy izy ….Mitondra akoho tokam-bola mainty sy vitsika mpivady ary vorotsiloza mena ianao , mba hatolotra azy ireo …….Eka hoy izy ( Nihovitrovitra ) Ny rahavavinao no naka azy hoy ny masina , ary amin’ny tsinam-bolana no hanateranao ny sorona akoholahy mainty tokam-bola a ! ny vorontsiloza kosa handrahoina dia haterinao eto hilaofana rahalina . Tsy mahazo mitoditodika ankavana a ! fady tongolo gasy sy voatabia loa a

( Nivoaka Joelle , ningonongona …..nefa heno tsara ihany )


3

JOELLA : Ataoko mahita ahy iny anio…..ny zavatro no hangalarina ….dia ahoana izao no ahitana ireo sorona ireo . Ny Akoholahy mainty tokam-bolo aloha , manana Razilikely , fa ny vidiny tsy hay ary ny vorontsiloza eny an-tsena no mividy .

( Dia lasa indray ireo , ka miditra i Vatosoa , Kezia ary Jean Charles ; niampy an’i Mireille

MIREILLE : Manao ahoana ianareo ?
VATOSOA sy KEZIA : ’zao salama izao zahay , ny any no manao ahoana !
JEAN CHARLES : Fa misy vaovao angaha ?
MIREILLE : Ny nahazo  an-dry Joella…Angaha tsy fantatrareo ?
VATOSOA , KEZIA , JEAN CHARLES : Fa inona no zava-nitranga ?!
MIREILLE : Sendra nandalo tany aho , no naheno fa nangalarin’ireny mivavaka miditra an-trano ny Telephone ( ny)
VATOSOA : Izany ve akia , dia hampino a !
MIREILLE : Iza moa no mahalala , na izy samy izy no naka izany na tsia !
VATOSOA : Aza mitsara toy izany akia a !
MIREILLE : Io ianareo fa lasa aho tsssss….Mpivavaka masirasira ny anareo raha marina izany…aamin’izao fiainana Kristiana izao ve dia mbola misy mangalatra ihany asa kaaaaaa

( Dia lasa inday ny ankizy ….Mamaky Gazety i Joella no nisy niditra tampoka ….

JOELLA : Ianao moa ilay malaza ho mpitsabo , sy hitoeran’ireny fanahy samihafa ireny ?
MPITSABO : Izaho , tokoa ary tonga dia fantatro ny olana mahazo anareo mianakavy..
JOELLA : Angamba , saingy miala tsiny amianao aho , fa ny natao aza efa nanenenana….Tsy misy marina na dia iray aa izahay mianakavikely no saika nifandringana tato….
MPITSABO : Hmmmm…..
JOELLA : Ye ! tapitra voatetinay avokoa rehefa karazana fivavahana sy fitsaboana netim-paharazana fa niala maina e !
MPITSABO : Izay aloha dia marina fa maro tokoa ny mpisoloky , fa ny anay izao dia ny fitsaboana amin’ny sorabe no atao
JOELLA : Na sorabe , na sorakely tsy misy hiraharahiana izany …Ary lasa ianao mivoaka any fa tssss…
MPITSABO : Lasa koa aho….Eo ianao , dia samia mizaka ny vokany
JOELLA : Ho hita eee

( Niditra tampoka ny ankizy : Kezia ; Vatosoa ; Jean Charles ; Sarobidy ; Nandrianina ; Mitia ; Alda )

JOELLA : Fa inona no dikan’izao ?
MITIA : Androm-pandresena izao ; satria tonga Ilay Mahery e
JOELLA : Fa iza Ilay Mahery !
ALDA : Androm-pandresena izao ; satria mahery Andriamanitra
ALDA : Tsy nipetra-potsiny izahay akory tamin’ireny sedra nandalovana ireny , fa nitory ny filazantsaran’i Kristy tokoa ; Tsy fantatrao angaha ry Joella ; fa Krismasy izao ?
MITIA : Dia izao no maha tafavory antsika eto izao , satria Krismasim-pihobiana eee
VATOSOA : Isaorana ny ao Ambony …. Misaotra akia
ALDA : Andriamanitra no isaorana fa aza izahay , mpanompo tsy mahasoa ee
MITIA : Izy akia no nanolotra fahendrena ny olona a ! dia afaka mampandroso ny fanahin’olona voafatotra

4


JEAN CHARLES : Hialanay mihitsy izao ny fomba ratsy fanao sy nahazatra anay teo aloha….Ny fanompoan-tsampy sy ny Famadihana , fa Jesoa izao no Tompo sy Mpamonjy ahy
MITIA : Izy ilay teraka ho antsika , maty noho ny fahotantsika
Ny Ankizy rehetra : Izany mitsy eee

( Mandalo eo ireo ankizy maloto sy rovidrovitra akanjo….)

MPITSABO : ( Manao sary adala mikikiaka )
MIREILLE : ( Manao akanjo maloto sy mitsindroka )
MPIVAVAKA I sy II : ( Manao fitafy tsy mendrika sy mifoka sigara tsy izy )
MPIMASY : ( Manao fitafy ratsy sy maloto )
MPITAIZA : ( Manao sary adala koa
MPAMITAKA : ( Menamenatra )



TAPITRA

Ny Mpanoratra : Ny Andri-Fara   : SEHO KRISMASY . FJKM ANDRAINARIVO Fahasoavana . 2019
19 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792