Ny fitiavana no lehibe indrindra (Ny Eja)
Nalaina tao amin'ny Facebook
Pejy 1
Mijery fitaratra aho dia toa tsy mino ity tenako, nihamahia aho izany, toa tsy eo amiko intsony ilay tarehiko nampierika an'ireo lehilahy , ny takolako nihafisaka sy nihakonka, ny endriko mivaloharika fa efa ho enimbolana izay no tsy nandao fandriana intsony, kikisan'ny aretina tsy mamela mahazo.... Sendra tazako nisy nametraka teo andoha-fandriako ny sarin'ny mariaziko tamin'i Rabela .... Oadray fa iza koa no nanao ity sary ity eto ? Ndryyy toa miverina ato an-tsaiko ny lasa ....Miredona toa mampientanentana ny foko ery izany hira hidiranay sy Dada ao am-piangonana. Ny tsikitsikin'ireo ankizy niara nihira tamiko fahiny, ny somebisebin'ireo mpandrindra ny zava-maneno sy ny fandaminana izay mampandroso anay roa ho eny amin'ny Alitara ... Ndrôoo...Sambatra ery ange aho, tsy haiko ny manazava aminareo fa andro lehibe amin'ny fiainako io andro io, hampakarina aho, hanambady aho, hantsoina hoe madaman'ny Ragova aho!!!
Tsikaritro ihany ny pitrapitran'i Neny toa te hitomany, toa faly, toa miasa saina ny amiko, satria efa zokinjokiny ihany ity hovadiko , zokiko dimy ambinifolo taona be izao, ary lehibe ao amin'ny minisitera misahana ny volam-panjakana. Azo lazaina hoe lehilahy tena manana mahaizy azy . Raha ny amin'i Dada indray dia tretrika izy, ka feno tsikitsiky sy miedinedina ery mitantana ahy. Ny rahavaviko sy ireo namako rehetra mialoha anay; mitondra voninkazo, raozy mena , ilay tena ankafiziko!.
Rehefa hanatona ny alitara aho dia indro fa tazako ilay ho vadiko, ndrematoa Rabela...Sady ranjanana no vaventy, somary niorirana kely izy nibanjina ahy, izaho moa revom-pitia, fa hanambady lehilahy matotra be, fôksionera, nampiadana ahy tamin'ny izay niriko rehetra !!!!. Na dia nanana ny kilemany tamin'ireo vehivavy maro sakaizany ihany aza izy teo aloha, dia izaho no tiany sy nampakariny ho vady, sady nampihantainy fatratra ery.
Rehefa tonga teo amin'ny anjaran'i Rabela ny fanaovana voady dia tena tamim-pahamendrehana no namaliany izany. - Manaiky ve ianao hampakarin'i Rabela hoy ny mpitandrina tamiko, ka kevoka ery aho namaly hoe : Eny!.
Roampolo taona lasa izany... Manatrika ilay sarinay aho dia nitamberina ato an-tsaiko koa ny nanitsahako an'i Rabela rehefa tsapako fa resy tamin'ny aretina izy. Nitia olon-kafa aho: Lehilahy mitovitovy taona amiko, sady dokotera. Eny, Dokotera mpitsabo an'i Rabela no nanjary olontiako.
Mety ho gaga ianareo hoe fa nahoana ? Satria nambarany fa ity vadiko dia voan'ny AVC ka tsy ho toy ny teo aloha intsony fa hitaritarika ny tongony mandrakizay .
Vehivavy tsara tarehy ary voafidy ho tsara indrindra tamin'ny fifaninanana nisy tao an-tanananay aho, notezaina tanaty fiadanana aho ary tsy nisy nahaory ahy . Toa mahamenatra ahy amin'ireo namako ny hifanindran-dalana amin'ity vadiko mitaritarika tongotra sy mikaikona tanana , izay hanjary sembana . Tiako ihany Rabela, fa navesa-danja ny an'i dokotera izay toa nambabo fo ahy ny fitiavany sy ny fanampiany ahy tao anaty ady sarotra .
Hevitra mandeha