Ny fitiavana no lehibe indrindra (Ny Eja)

Mpanoratra Ny Eja
Nampiditra hery
Nitsidika 929
Mpanoratra Ny Eja
Nalaina tao amin'ny Facebook
Pejy 2
Tapaka ny hevitro  fa hanaraka an'i  Dokotera aho, ary hajanoko  amin'i Rabela  ny  zanakay, raha mety,  i Andry kely  izay  efa  telo taona .
- Rabela a, mamela ahy fa  tsy  vitako intsony ianao, sady nilatsaka moramora ny  ranomasoko, tsy  haiko izay  antony !.
- Fa nahoana ianao no mitomany ?Moa tsy izaho ve no tokony  halahelo ?
- Rabela a, tsofy  rano aho fa efa ela ihany izay  nikarakarako anao izay,  fa tsy  manana herin-tsaina  hiaretana izao anefa aho .
- Ka inona no tianao atao ?
- Tsofy rano aho fa handeha hiala eto, ary ho any  amin'ny  faritany
- Dia ahoana ny  zanatsika ?  hoy  izy, toa nanganohano be ihany... Sahinao ve  ry Raozy ny ....
- Aza omena tsiny aho fa samy tiako ianareo mianaka, kanefa raha  hampilamina anao dia ajanoko  ny  zaza .
- Eny,  tsofiko rano ianao,  na dia izao aza no  hanaovanao  ahy ...  Haninona moa aho, tsy  afaka   aho e, izao aho...
Noraisiko  ny  valiziko  dia nihodina aho, tsy te hijery  ny  endrik'i Rabela, tsy  te hijery  izay  ranomaso  nikoriana tamin'ny  tavany, satria  toa henoko  ihany  ny  sentony  mangina izay niezahany nafenina ahy  .... Ny tao an-tsaiko  dia hoe mila manana fiainana tsara aho, izaho ve vehivavy  toy  izao dia hijaly sy  hiferinaina, amina lehilahy  sakaizam-pandriana,  tsy  efako  ny hanambady  lehilahy  malemy izany, mbola tanora aho ka,  sady  ... Ny  fitiavana no lehibe indrindra!.

Niverina tampoka ny saiko, fa iza tokoa  ary no nametraka ity  sary  ity  teto  e ?  Ny olona ato  koa tsy  misy  afa tsy  Ikalapita irakiraka, tsy mahalala ny  fisian'ity sary  ity  sy  ny  tantarako  akory . Radokotera vadiko efa zara raha mandalo  eto, ary  efa nanambady, ny  zanakay  aza efa lasany any koa .
Tampoka teo, indro niditra ny  efitranokeliko, tovolahy  iray   sady  feno  tsikitsiky... .
- Manao ahoana ianao izany  ry  neny  ?
- Neny ??? Fa iza ianao? Andray !  i Andry ve ianao ?  ilay zanako ve ianao ?
Nifokofoko  nitomany aho, sady  niezaka namihina mafy ny tanany.
Namihina ahy i Andry, sady  nanorokoroka ity  tarehiko  efa mahia dia mahia...
- Neny  a!, Neny  a, hoy  izy, neniko  foana ianao ! Tiako ianao, azonao ve izany ?  Eny ry Neny, i Andry ity, ilay zanakao !!! Nitady anao hatraiza hatraiza ange  izahay sy dada e ,  Neny a ,  faly aho mahita anao.
Nifampibanjina sy samy  nitomany  teo aloha izahay  dia nifamihina mafy  indray,  ary  hoy  i Andry :
- Neny รด,  misy  olona  niaraka amiko koa io....Azonao an-tsaina ve hoe iza ?
Niditra   Rabela, ary nahagaga ahy fa toa tsy  nitaritarika tanana sy tongotra .
- Rabela ? Oay   Rabela marina !!!! Menatra be anareo mianaka aho,  izao aho  sisa, ... Resy aho Rabela, marary mafy aho, fa mamela ahy!
Noraisin'i Rabela ny tanako  efa antsatra, norohany,  ary  tamim-pitiavana  no namaliany  ahy  ....
- Aza manahy fa tsy  hanome tsiny anao no  nahatongavanay mianaka,  fa hamangy   anao, dia nitondra voninkazo koa !  Raozy a, Mamela anao  aho  !.
Notolorany raozy  mena aho, ka faly sady  sahirana, menatra aho fa ity  vady mariaziko,  sy ny zanako   izay  tsy  noraharahiako  indray  no tsy  manadino  ahy.
06/08/2022
929 1

Hevitra mandeha

iheriarilala 05/11/2022 16:16
Misaotra fa tiako !
hery 30/06/2024 22:28
Rehefa mahita tantara mahaliana dia azonao apetraka koa. Apetraho tsara fotsiny ny mpanoratra sy tompony.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0627