Ny fitiavana no lehibe indrindra (Ny Eja)

Mpanoratra Ny Eja
Nampiditra hery
Nitsidika 903
Mpanoratra Ny Eja
Nalaina tao amin'ny Facebook
Pejy 1
Mijery  fitaratra aho  dia  toa tsy mino ity tenako, nihamahia aho izany, toa tsy  eo amiko intsony ilay tarehiko  nampierika an'ireo  lehilahy  , ny  takolako nihafisaka sy nihakonka, ny  endriko mivaloharika fa efa ho enimbolana izay no  tsy  nandao fandriana intsony, kikisan'ny aretina tsy mamela mahazo.... Sendra tazako nisy  nametraka teo  andoha-fandriako  ny  sarin'ny  mariaziko  tamin'i  Rabela .... Oadray fa iza koa no  nanao ity sary ity eto ?  Ndryyy  toa miverina ato an-tsaiko ny  lasa ....
Miredona toa mampientanentana ny  foko ery  izany  hira hidiranay sy  Dada  ao am-piangonana. Ny tsikitsikin'ireo  ankizy  niara nihira  tamiko fahiny, ny  somebisebin'ireo   mpandrindra ny   zava-maneno sy  ny  fandaminana izay  mampandroso anay roa ho eny  amin'ny  Alitara  ... Ndrôoo...Sambatra  ery ange aho,  tsy haiko ny  manazava aminareo  fa andro lehibe amin'ny  fiainako io  andro  io, hampakarina aho, hanambady  aho, hantsoina hoe madaman'ny Ragova aho!!!  
Tsikaritro ihany ny  pitrapitran'i  Neny  toa te hitomany,  toa faly, toa miasa saina ny  amiko, satria efa zokinjokiny ihany ity  hovadiko , zokiko  dimy  ambinifolo taona be izao, ary lehibe ao  amin'ny  minisitera  misahana ny  volam-panjakana. Azo lazaina hoe lehilahy  tena manana mahaizy  azy . Raha ny  amin'i  Dada indray  dia tretrika izy, ka feno  tsikitsiky sy miedinedina ery  mitantana ahy. Ny  rahavaviko  sy  ireo  namako rehetra mialoha anay;  mitondra voninkazo, raozy mena , ilay tena ankafiziko!.
Rehefa hanatona ny  alitara  aho dia indro fa tazako ilay  ho vadiko, ndrematoa Rabela...Sady  ranjanana no vaventy, somary  niorirana kely  izy  nibanjina  ahy, izaho moa  revom-pitia, fa hanambady  lehilahy matotra be, fôksionera, nampiadana ahy  tamin'ny  izay  niriko  rehetra !!!!. Na dia nanana ny  kilemany   tamin'ireo  vehivavy  maro sakaizany  ihany aza izy  teo  aloha, dia izaho  no  tiany  sy nampakariny  ho vady,  sady  nampihantainy  fatratra ery.
Rehefa tonga teo amin'ny  anjaran'i  Rabela ny  fanaovana voady dia tena tamim-pahamendrehana no namaliany izany. -  Manaiky ve ianao  hampakarin'i Rabela  hoy  ny  mpitandrina tamiko, ka  kevoka ery  aho namaly  hoe :  Eny!.
Roampolo  taona lasa izany... Manatrika ilay  sarinay aho dia nitamberina ato an-tsaiko  koa ny  nanitsahako  an'i Rabela  rehefa tsapako fa resy  tamin'ny  aretina izy. Nitia olon-kafa aho: Lehilahy  mitovitovy taona amiko, sady   dokotera. Eny, Dokotera  mpitsabo an'i  Rabela no  nanjary  olontiako.
Mety ho gaga ianareo  hoe fa nahoana ? Satria   nambarany fa ity vadiko  dia voan'ny  AVC ka tsy ho  toy ny  teo aloha intsony fa hitaritarika ny   tongony  mandrakizay .
Vehivavy  tsara tarehy   ary   voafidy  ho  tsara indrindra tamin'ny  fifaninanana nisy tao an-tanananay  aho, notezaina tanaty  fiadanana aho ary tsy  nisy  nahaory  ahy . Toa mahamenatra ahy  amin'ireo namako ny  hifanindran-dalana amin'ity vadiko mitaritarika tongotra sy  mikaikona tanana , izay  hanjary sembana . Tiako ihany Rabela, fa  navesa-danja ny  an'i dokotera izay  toa nambabo fo ahy ny  fitiavany sy ny  fanampiany  ahy   tao anaty  ady  sarotra .
903 1

Hevitra mandeha

iheriarilala 05/11/2022 16:16
Misaotra fa tiako !
hery 30/06/2024 22:28
Rehefa mahita tantara mahaliana dia azonao apetraka koa. Apetraho tsara fotsiny ny mpanoratra sy tompony.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106