Fahitana... (Elysé Azrael)
Pejy 1
Ny nofy dia fitaovana iray mbola ampiasain'Andriamanitra ankehitriny hifandraisana amin'ny mpanompony mahatoky. Ny Soratra Masina dia tsy milaza fa foana sy lany andro ireny methodes taloha ireny rehefa ananantsika ny Baiboly. Ny tokony hotandremantsika "fotsiny" dia ny fizahan-toetra ny Fanahy na avy amin'Andriamanitra tokoa na tsia.Ny nofy dia nampiasain'Andriamanitra hifampiresahana tamin'ireo mpaminany maro fahiny (ohatra: Noa, Abrahama, Daniela...), ary ny mpaminanin'ny Testamenta vaovao koa dia tsy vitsy koa ny nofy tahaka izany, ohatra ny nofin'i Josefa nampandosirana an'i Jesosy zazakely tany Egypta; ary ankehitriny koa dia mbola hitantsika koa ireo mpaminany lehibe toa an-dry Nenilava, Rakotozandry Daniel...
Tamiko manokana dia anisan'ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra ahy ny nofy. Tsy vitsy ireo zavatra nasehon'ny Tompo ahy tanaty nofy matetika: fahafatesana, loza, zava-miafina tsy tokony ho fantatro mihitsy, zava-miseho any ivelany amin'iny fotoana iny manjary azoko nofy...

Hevitra mandeha
*Tany aloha raha nampiseho fahitana tamin'ny alalan'ny nofy Andriamanitra (ohatra: tamin'i Abrahama,sy Jakoba sy ireo mpaminany hafa,Nebokadnezara,Josefa zanak'i Jakoba sy Josefa dadan'i Jesosy ara-nofo,sns)
rehefa naneho nofy tamin'ireo andian'olona ireo Andriamanitra dia MANAMBARA NY ZAVATRA HISEO ary MILAZA NY TIANY HATONGAVANA AMIN'ILAY ZAVATRA HISEO.
Raha mandinika aho mantsy dia toa fahitana tsy miteny ilay hoe NAHITA FASANA sy ilay hoe TAMIN'NY 25 SEPTAMBRA. Nahita fotsiny ianao fa tsy nisy fanambarana,tsy nisy na dia fampitandremana na hafatra manokana fa nahita fotsiny.
Ahoana no Hinoanao fa ilay tena Andriamanitra no naneho fahitana ho anao tao anaty nofy?
1korint 12:10.... ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa....
AZONAO VE?
Eo ilay lazaiko hoe mahabe adihevitra sy mahabe resaka izy ity. Fa amiko manokana dia resy lahatra aho fa misy mistery betsaka ao.