TANTARA SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA (ANDRIANARIVO F. Rapha)

Mpanoratra ANDRIANARIVO F. Rapha
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 6
Mpanoratra ANDRIANARIVO F. Rapha
Pejy 3
2.1 Avaratr’Andohalo :
        Ny taona 1996 no nijoroany .
Ny taona 1980,tany ho any ; dia
Ny Filohany : Atoa Ralibera Daniel,Mpitandrina
Ny Filoham-panampy : Atoa Rakotonirainy Jonson,Mpitandrina
Mpitan-tsoratra : Atoa Rakotojaona Marcel,Mpitandrina
Vola : Atoa Ramanantsoa Samël,Laika

Ny taona 1987 : Atoa Ralibera Daniel, no Filohany
.Tamin’ny taona : 1989 .
Ny taona 1993-1994 : Atoa Rabe François,Mpitandrina no filohany
Ny Filoham-panampy : Atoa Rakotoson Philippe,Mpitandrina
Ny Filoham-panampy : Atoa Ralibera Daniel,Mpitandrina
Ny Filohan’ny Lohavolana kosa : Atoa Rakotondrantsimba Alfred
Ny Tonia kosa : Atoa Rakotoarimanana Milson, Mpitandrina.
               Ny Birao vaovao ny taona 1995 - 1996:
Ny Filoha : Atoa Rabe François,Mpitandrina,nitondra ny Fitandremana Ambohimiandra izy tamin’izany, ary efa Loholon’ny Madagasikara. Ny Filoham-panampy : Atoa Razanamamonjy Nirina, Mpitandrina , tao Soamanandrariny Miaradia,nanampy azy ny Mpitandrina Rakotoson Philippe,tao Ambohimanambola.Ny Mpitan-tsoratra kosa ,Atoa Rakotoarimanana Milson,Mpitandrina tao Ambatoroka. Ny mpitahiry Vola kosa , Atoa Razafimahefa Marcel, izay loholona.
                Efa nanana Fiangonana 43, tamin’izany.( Zaza 7 taona ny mpanoratra).
Lasa filoham-panampy tao amin’ny FOIBE FJKM, anefa ny Mpitandrina Ralibera Daniël, ny taona 1990.
               Hatreo aloha ny Synodamparitany Avaratr’Andohalo, fa andeha mba hijery ireo Fitandremana ao aminy isika.Notsinjaraina ho zana-paritra 9 isika,rehefa lasa nitambatra ho iray . Ny zana-paritra I : Andrainarivo Fahasoavana,Ambohitantely,Avaratr’Andohalo,Ifaliarivo
,Ambavahadimitafo ,( VOM Tsiadana ).
Zana-paritra II : Ambatotokana,Ambohimiandra,Mahazoarivo Fanilo Fitahiana,Ambohipo Zoara Fanantenana, Betela Sud Ambohipo ,Mandroseza Ankadindratombo Miray.
Zana-paritra III :Andraisoro Kristy Fehizoro,Soamanandrariny Miaradia,Centre Aumonier Soavinandriana,Ambatomaro Fehizoro,( VOM Ambohimirary).
Zana-paritra IV :Ikianja Fiderana,Fihaonana Omega,Ankadindambo Famonjena,Antanambao Fahazavana,(VOM Ambovokely),Ranovao Maritiora Ambohimangakely, Ambatotokana Fitiavana,Betsizaraina Finoana,Ampomanjaka Fahasoavana.
Zana-paritra V : Betafo Vavolombelona, Ambohipeno Famonjena,
Ambohimahatsinjo Fahasoavana,Ambohitsimeloka.
(VOM Behitsy, VOM Amoronankona mpitandrina).
Zana-paritra VI : Ambohimalaza Kanana, Ambohipiainana Fahazavana, Ambohitrombihavana , Ambohitrombihavana, Ambatomalaza Fitiavana,Ambohimarina Fihavanana.
Zana-paritra VII : Tranovato Anjeva Fanantenana,Manohisoa Fitiavana,Imerikasinina Fanasina,Faliary Finoana.
Zana-paritra VIII : Ambohimanambola Fahasoavana,Ankazonaorina Ambohibato,Iharamy,Tsarahonenana,Antanetibe Ziona Fahazavana ( Fandana teo aloha).
Zana-paritra IX : Merikanjaka Fitahiana, Tranovato Manazary Fanantenana ( Varahana teo aloha),Ambohidralambo,Ambohimasina Ziona,Masindray.

Ireo Fitandremana ireo, dia nanana ny tantarany sy nijoroany ary mazana teo amin’ny fanjakana teto Imerina.Manana Sekoly ny ankamaroany,efa manana Dispansera ihany koa,manana foto-drafitr’asa manaraka ny fenitra tadiavin’ny Firenana ihany. Miisa 50 ny Fitandremana ao aminy.Manomboka ery an-tendron’ny avaratry ny Rova ka miafara any amin’iny ilany atsinanana iny . Ny sisiny kosa dia manamorona ny reniranon’Ikopa,ny làlam-pirenena Faharoa A sy B,ary ireo lalam-be ampovoan-tanàna aty amin’ilany andrefana somary miatsinanana. Tsy nisy fiovana firy ny endrik’ireo Fitandremana ireo na izany aza ; dia nisy ny fanavaozana izay niara-niasa tamin’ny fanjakana sy ny tsy miankina ka nanorina fiangonana vaovao ny sasan-tsasany.

2.2.Ny Synodam-paritany Faravohitra :
      Anisan’ireo Synodamparitany tena tsy nahitana taratra ny tantarany raha ny Synodamparitany Faravohitra .Hatreo amin’ny taona 1980 ihany no azo nisitrahana, fa izay manana,dia mbola afaka hisitrahana ary soratana amin’ny Edisiona manaraka,dia efa hisaorana dieny izao sahady.
Tamin’izany taona 1980 sy ny taona 1995 izany, dia :
Ny Filoha : Atoa Razafitrimo Philbert,Mpitandrina
Ny Filoham-panampy :Atoa Rakotondrajao Jean Marc,Mpitandrina
Ny Mpitan-tsoratra : Atoa Rakotoandriana Petera Vahinimalala,                                                   Mpitandrina
Ny Mpitahiry Vola : Atoa Andriamiadana Samüel.
Ny taona 1995 :
Ny Filohany : Atoa Razafitrimo Philbert,Mpitandrina
Ny Filoham-panampy : Rafalimanana Gilbert, Mpitandrina tao Ankadindramamy Fahazavana.
Ny Mpitan-tsoratra : Rakotoarimalala Roland Samüel,Mpitandrina tao Mandrosoa Ilafy. Nanampy azy Rtoa Randriamialisoa Rakotomalala Lalao.
Ny Mpitahiry vola : Atoa Randriamarojaona Jonas.
      Ahitana Fitandremana 20 izy ankehitriny :
Tranovato Faravohitra, Ambatobe Ziona Fanantenana, Ambatolampy Fieferana, Ambohibe Ilafy, Ambohidrano Atsinanana, Falimanjaka, Ambohitriniandriana Fitiavana, Ambohitrarahaba, Andranovelona,
Ambonisoa Tanindrazana, Andrainarivo Fieferana Loharano,
Mandrosoa Ilafy, Ankadindramamy Fahazavana,Masinandriana,
Rangaina Fihobiana, Tranovato Manazary Maritiora, Viliahazo Fanantenana, Ambohibary Jerosalema. Tahaka ny Synodamparitany Avaratr’Andohalo, dia manana foto-drafitr’asa miavaka izy sy Sekoly. Miainga avy aty ambony Atsimo afovoany ; miampita afovoany ambony Avaratra atsinanana ny Fitandremana,manaraka ny lalàm-pirenena fahatelo sy mitsofotsofoka miatsinanana afovoany avaratra iny.
Ny Synodamparitany Faravohitra, dia endrika iray ahitana toerana nandefonana ny maritiora maro dia maro tokoa, ary vavolombelon’ny filazantsara fony mbola maizina ny tany. Tsy nisy fihemorana satria tany aminy no nandorana , nitoraham-bato ireo kristiana nitana ny finoany ka nandraisany ny satroboninahitry ny maritiora ; eny hatramin’ilay zaza tao am-bohoka aza, dia naverina tao amin’ny afon’anjavidy indray.

2.3. Synodamparitany Isoavina :
     Tany ho any amin’ny taona 1980, no efa nijoro izy ireo.
Ny Filoha : Atoa Randrianonenana Théodore,Mpitandrina
Ny Filoham-panampy : Atoa Ramiandrisoa Jemima,Mpitandrina

Ny Mpitan-tsoratra : Atoa Randrianasolo Etienne,Mpitandrina
Ny Mpitahiry Vola : Atoa Randriamahay, Mpitandrina
           Misy tsangambato iray tamin’ny rindrin’ny Fitandremana iray notsidihako izay misy anarana : « President Synodal Isoavina , Ny Mpitandrina Ravalison Emile . Ny taona 1982 » . Ny mpiandraikitra ny I.4.B ny Isoavina : Atoa Rakotoarivelo Jerome, Atoa Ramasitera J.H, izay « President ny I.4.B ny Isoavina, tamin’ny taona 1958.
Ny taona 1995 :
Nitazona ny toeran’ny Filoha : Atoa Randriamahay,Mpitandrina
Ny Filoham-panampy : Atoa Randrianasolo Daniël,Mpitandrina , tao Ambohibao Ziona.Nanampy azy, Atoa Rajaona Jean Ba
Ny Mpitan-tsoratra : Atoa Andriamizaka, Mpitandrina,nanampy azy Atoa Ranaivoarisoa Edmond,Mpitandrina.
Ny mpitahiry vola : Rtoa Ravao Harisoa Jeanne,Loholona. Nanampy azy Atoa Rabemiarana izay loholona ihany koa ;
Mizara telo miavaka tsara ireo Fitandremana ao aminy.
1.Soba Mananara, izay manaraka ny reniranon’ny Mananara. Iza avy izy ireo : Ambohitseheno Betela, Ambohidanerana Fahazavana, Ambohitsoa Finoana, Ifalimanjaka Filadelfia, Ambohitrony Mananara, Ambatomena Mananara, Ambohimanjaka Fiorenana, Mahatsinjosoa Mananara, Inanjakana Fanavaozana, Ambohibao Ziona, Isoavinandriana Fanavaozana, Ambohimiadana Fitiavana, Manazary Anjomara ( Mananara teo aloha), Ankeramadinika Fanantenana, Antsahambavy, Antsapandrano Mananara, Ankazoroa Fahazavana ; ary ny mamarana azy kosa ; dia Andriampamaky Vaovao ( Jerosalema vaovao ankehitriny). Fitandremana 18 izy ireo.
2.Soba Ivakiniadina,izay manaraka iny lalàm-pirenena faharoa iny :
Ziona Manjakandriana, Anosiarivo Betela, Ambohidava, Ambatolaona Fahazavana, Mandraka, Ambatomivahy, Andranobe, Loharanon’Aina Sambaina, Antsahafoy Famonjena, Ambohijafy Fitiavana, Amboanemba Fanantenana, Ankadihambana Filadelfia, Antsahamaina Fanantenana, Ambohimaranitra, Ankadimanga Betela, Samia Jerosalema Vaovao, Tsarasaotra, Mangatokana Fanantenana, Ambohimandrosoa Fitiavana, Anosivato Kanana,Andasibe Avaratra.
Ahitana Fitandremana 21.
3.Soba Ivolaniray,mbola ao anatin’iny lalàm-pirenena faharoa iny ihany : Isoavina Fihavaozana, Anonimasina Ziona, Antsahavola Fitiavana, Andranosoa Jerosalema, Betoho Fehizoro, Ambohimanandray, Ankadindravololona, Ambohibary Zoara, Anjepy Vavolombelona,
Anjozoro Fivavahana, Aumonierie Manakavaly, Ampiadanana, Anosimanjaka Fitiavana, Ambovona Finoana, Morontsara Carion Jerosalemana, Maharidaza Finoana, Ambohimifangitra, Ambohimiadana Firaisana, Farariana Malala, Soamalaza Betela. Misy Fitandremanana 20 .
Raha atambatra ny Fitandremana ato amin’ny  Synodamparitany Isoavina dia mahatratra : 59, izany .
Manana trano fianarana sy toerana hitsaboana marary ny Synodamparitany Isoavina.Midadasika tokoa izy ary mivelatra amin’ny toerana telo samy hafa.Ao ny manaraka ny lalàm-pirenena fahatelo sy faharoa ary ny mitsofoka miankavian’ny lalàm-pirenena faharoa ka mianatsimo miakandrefana.Nanana Fiangonana : 49 sy Sekoly 5, ny taona 1980

2.4.Synodamparitany Ambatomanga .
           Tamin’ny taona 1980
Tsy fantatra ny Filohany. Ny Filoham-panampy : Atoa Razanadrakoto,Mpitandrina tao Lohomby.
Ny Mpitan-tsoratra : Atoa Ranaivo sa Ranaivobo, loholona

Ny Mpitahiry Vola : Rtoa Razanamihanta Myriame,Loholona
Tamin’io taona io dia , efa nanana Fitandremana 21 sy Sekoly 8 ary Kilasimandry 2.
Ny taona 1990-1994
Ny Filohany : Atoa Rakotonirainy Jean Louis,Mpitandrina. Alarobia
Ny Filoham-panampy : Atoa Randriatavy,loholona. Tao Masombahiny
Ny Mpitan-tsoratra : Atoa Randrianarivelo,Mpampianatra tao Ampahimanga
Ny Mpitahiry Vola : Rtoa Razanamihanta Myriam,Tao Anerindrano.
Nisy fanavaozana ny taona 1995 :
Ny Filoha : Rakotoniary  Jean  Louis,Mpitandrina
Ny Filoham-panampy : Atoa Ranaivoson Charles,Mpitandrina.Tao Masombahiny ; nanampy azy Atoa Rakotondrambonina Solofoniaina, Tale tao amin’ny Fivatsy.
Mpitan-tsoratra : Atoa Randrianarivelo,Mpampianatra tany Ampahimanga, nanampy azy Atoa Randriamitandrina Ramahatana , izay mpivarotra tao Alarobia.
Ny Mpitahiry Vola : Rtoa Razanamihanta Myriam, tao Anerindrano.
Ny KL : Atoa Mamonjisoa Rahariarivo Tsirinala,Mpitandrina tao Ambatomanga.
Indro ary ireo Fitandremana ao aminy, izay manamorona ny lalàm-pirenena Faharoa bisy : Mizara telo miavaka tsar aizy ireo, ka ny
Fizarany voalohany : Ambatomanga Fiderana, Ambohitsimeloka, Ankadivavala Fehizoro, Anerindrano Filadelfia, Ankorona, Isoavina Fiorenana, Ampanarivo Fihavanana, Ambohibary Edena Vaovao.
Fizarany faharoa :Ambatofiraisana, Antsahamaina Famonjena, Antanetibe Fitiavana, Ambohimarina Fitiavana, Antanamalaza Finoana, Ambovona Fanantenana, Ambohibary Andrefana ( Ambohibary amin’izao ankehitriny).
Fizarany fahatelo : Lohomby Fihavanana Mantasoa, Ambohidahy Fitiavana, Ampanataovana Betela Vaovao, Andriambazaha Fitahiana, Antanetilava Kristy Fiainana, Miadamanjaka Fitiavana Mantasoa,
Tranovato Ambohipaniry.
Ankehitriny dia manana Fitandremana : 23.

2.5.Faritra Merinarivo : ( Synodamparitany Anosibe Afovoany)
           Tsy tao anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana izy fa tafiditra amin’ny Synodam-paritany Anosibe Afovoany sy Atsimon’Iarivo Miray. Faritra lavitra indrindra kanefa ahitana aim-panahy mafana sy fitoriana filazantsara matetika. Amin’ny maha lavitra azy izay dia mila vangivangiana matetika ihany.Noho izany halavirana izany no nahatonga ireo Fitandremana vistivitsy nisitaka ho aty amin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana noho izany.
Ny taona 1984 - 1989 :
        Ny Filohany : Atoa Rakotoarisaona Armand,Mpitandrina.Tao Ampohipeno izy no nitandrina.
Ny Filoham-panampy : Atoa Rakotondrainibe Philippe,Mpitandrina.Tao Ambohijanaka.
Ny Mpitan-tsoratra : Atoa Jean Arné,Mpitandrina.Tao Mangabe
Ny Mpitahiry Vola : Atoa Ramanamisata,Loholona.Tao Morarano.
Ny K.L : Atoa Ranaivojaona Andrianiaina,Mpitandrina.Tao Ambohimiadana.(8).
Rehefa tafa-kambana tamin’ny Atsimon’Iarivo Miray indray dia tsy hay ny taona nifindrany :
Ny Filohany kosa : Atoa Ratsiajombola Jean Jacque,Mpitandrina
Ireto ny Fitandremana ao aminy : Ambahinia Finoana,Ambohibary Fanantenana, Ambohijafy Fahasoavana, Ambohijatovo Famonjena, Tranovato Ambohimanjaka Fitiavana, Ambohinaorina Malala, Ambohipeno Faharetana, Ambohitrandriamanitra Fiorenana,
6

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077