TANTARA SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA (ANDRIANARIVO F. Rapha)

Mpanoratra ANDRIANARIVO F. Rapha
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 6
Mpanoratra ANDRIANARIVO F. Rapha
Pejy 4
Ambohitsinanana Ziona Fanantenana, Andratsay Fanavaozana, Ankarefo Vaovao, Betela Fitiavana Fiadanana, Kianjasoa Vaovao, Mahatsara Ziona Firaisana, Mahatsinjo Miray, Malazarivo Filadelfia, Merikanjaka Fanantenana, Merinarivo Fitiavana, Morarano Famonjena. Eo amin’ny lalàm-pirenana Faharoa no mizotra miankavanana hamonjy ny lalàm-pirenena faharoa Bisy ; iny no hizorana mianavaratra atsinanana ,miankavia miankavanana.
Manana Fiangonana 19 izy.
3.Ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana.
    Raha ny tantara lova-tsaina dia ny Mpitandrina Rabe François no namarana ny Synodamparitany Avaratr’Andohalo. Ny Mpitandrina Rakotoniary  Jean  Louis,ho an’ny Synodamparitany Ambatomanga, Atoa Randriamahay,Mpitandrina ; Kosa ho an’ny Synodamparitany Isoavina, Atoa Razafitrimo Philbert,Mpitandrina, ho an’ny Synodamparitany Faravohitra. Ny Faritra Merinarivo izay nikambana tamin’ny Synodamparitany Anosibe Afovoany sy Atsimon’Iarivo Mirary dia nahazoana fikarohana, afa tsy ny Mpitandrina Rakotoarisaona Armand ; teo no nahafantarana fa nikambanany tamin’ny Antananarivo Atsinanana.
                   Ny taona 1996 no tafaray ny Synodamparitany Efatra sy ny Faritra Merinarivo
3.1. Ny Niandohany :
        Tsy fantatra ny tena niandohan’ny foibe toeran’ny Synodamparitany amin’izao .Toraka izany koa ireo toerana izay nisy ny Foibe-toeran’ireo Synodamparitany 4, teo aloha. Raha ny tantara azo antoka anefa ; dia ny Raiamandren-dRtoa Filippine, no nanome ( nanolotra ) ny tany misy ny Foibe amin’izao ankehitriny izao. Tany midadasika tokoa ; saingy nozaraina roa niavaka tsara araka ny tantara(9).Marihana ety amboalohany aloha , fa efa maty avokoa ireo olona voalaza nanolotra ny tany ireo.Misy tany roa miavaka tsara eo,ka ny iray dia eo amin’ilany andrefan’ny Synodamparitany, ary ny iray io misy ny Biraon’ny Synodamparitany io.Nisy ny resaka nifanaovanay raha nangataka tantara ny tenako,kanefa tsy ambarako eto noho ny antony maro. Ny hany ambarako fotsiny ; dia iray ireo tany ireo tany am-piandohany,iray ny mpanolotra ary ny Synodamparitany no natolotra azy. Tanin’ny FJKM izy io. Fanontaniana no apetrako, asa raha mba nanontany tahaka ahy izy ireo : « Moa ve vita ara-dalana ny tany misy ny Foibe ankehitriny io sa tsia ? » . « Inona no nahatonga io tany vita tamboho mifanila amin’ilany andrefan’ny Foibe io ho lasan’olon-kafa ? »
-Niorona teo taloha, dia ny Sekoly FJKM
-Efa nampiasa azy ihany koa ny CEG teny an-toerana.
-Nisy ny atao hoe : « PROFEMME »,izay niasa teo ho fampiroboroboana ny Vehivavy, hianatra taozavatra ;ka nampandroso ny faritra teny.
-Ny Akany izay nampianarana ireo zaza madinika
-Ny SAFF,izay mbola mijoro ankehitriny hitsaboana ny marary na ny Dispensera ankehitriny.
-Ankehitriny, dia ny « Centre d’ACCEUIL » no mijoro eo.
Ny toerana misy ny Biraon’ny SPAA12, raha jerena amin’ny « Google Map »
3.2. : Ireo « President Synodal ».
3.2.1. Ny azo antoka aloha, dia ny Mpitandrina Ramanampamonjy Samuël, no nandray ny fitantanana ny Synodamparitany nitambatra ny taona 1996 – 2004 na 2005.
Ny raki-tsoratra hita ao amin’ny takelam-pahatsiarovana mantsy , dia nanamarina fa nisy izany, Ramanampamonjy Samüel izany. Izy no « President Synodal » teto Antananarivo Atsinanana voalohany indrindra. Izy ihany koa no vy nahitana sy niara nisa tamin’ny fitondram-panjakana ary ny « CCPREAS » tamin’izany ka nahavita io foto-drafitr’asa ankehitriny ho Ivon-toeran’ny Synodamparitany.
Izao no voasoratra ao anatin’ilay takelam-pahatsiarovana.
11.09.2004 ( 11 Septambra 2004)

« Fa ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa izay Tia an’Andriamanitra » Romana 8 :28
- Fiaraha-miasan’ny Fiangonana sy ny fanjakana.
- Toeram-piofanana ara-tsosialy
           Niara niasa :
- Ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ary ny teti-bola
- CCPREAS
- FID
- Ny SPAA.12
_ Ny Filoham-pirenena. Atoa Ravalomanana Marc , sady Filoham-panampy Foibe FJKM.
- Atoa Radavidson Benjamin Andriamparany, Ministry ny Vola
- Atoa Reverand Rasendrahasina Lala Haja,Mpitandrina : Filohan’ny FJKM
- Ny P.S : Atoa Ramanampamonjy Samüel, Mpitandrina.
Inoako fa aorian’izao famoahana ity boky ity ho azo jifaina sy aparitaka, dia hisy mpanompon’Andriamanitra na Mpitandrina na olon-tsotra hanampy sy hameno ny tantara, ka amin’izany dia hampiana tovona izao tantara izao.
3.2.2. Nandimby azy ny Mpitandrina Rabenantoanina Philbert, izay azo lazaina , fa anisan’ny nahavita fotoam-piasana efatra misesy, mihoatra aza ; 2004–2008/2008-2012/2012-2016/2016-2020/2020-2021.
Nanomboka teo amin’ny taona 2019-2021, no azo ny Birao nandrafitra ny SPAA.12.
Ireto avy izany:
PS=Atoa Rabenatoanina Harimanana Philbert,Mpitandrina
FM.1=Atoa Ramananantsalama Lovasoa Hasina,Mpitandrina.FJKM Antsampandrano Fiderana. Soba Mananara.(Faritra Isoavina)
FM.2=Atoa Rakotondrambonina Solofoniaina,Diakona.FJKM Ambatomanga Fiderana. Fivatsy.(Faritra Ambatomanga)
MSF=Atoa Rakotondrasoa Harijaona,Mpitandrina.
FJKM Ankadindramamy Fahazavana .(Faritra Faravohitra)
MSV=Rtoa Fanjaniriana Liliane Charlotte,Diakona.FJKM Merinarivo Fitiavana.(Faritra Merinarivo)
MPV=Atoa Randrianavahy Rivotiana,Diakona.FJKM Antsapandrano Fiderana(Faritra Faravohitra)
MLS=Rtoa Rakotomavo Minoarivony,Mpitandrina.FJKM Ambatomaro Fehizoro. ( Faritra A.A)
Nahitana :
Fiangonana :    170
Fitandremana : 164
Mpitandrina   :  129
K.D : 22
Sekoly : 29
Mpampianatra : 251
Toby Fifohazana :
.Betela Ahitantsoa Ambohibao Ziona : Atoa Rahajason Andriamalala Gilbert no mpiandry.
.Toby Famonjena Mantasoa : Rtoa Razaiarinoro Julienne,Mpiandry Vatovelona Mantasoa.
Izay ny Birao tamin’ny taona 2017 ; fa raha ny taona 2019, dia tsy nisy fiovana ireo birao ireo, fa ny Fitandremana nisy ny Mpitandrina Filoham-panampy voalohany, no niova ho : Ambohimalaza Kanana Vaovao.Ny taona 2020, vao nisy fiovana ny Birao, ka indro omena antsika :

PS : Atoa Rabenatoanina Harimanana Philbert,Mpitandrina
FM.I : Atoa Rafanonerantsoa Valisoa Lilia,Mpitandrina.FJKM Soamanandrariny Miaradia.(Faritra A.A)
FM.II : Atoa Ramiaranjatovo Marc,Diakona. FJKM Mandroseza Ankadindratombo Miray.(Faritra A.A)
MSF : Rtoa Mamilalaina Lalalasoa Rindra,Mpitandrina.
FJKM Antsahamaina Famonjena.(Faritra Ambatomanga)
MSV : Atoa Rabarijoelina Rivo Nirina,Diakona.FJKM Ambatomaro Fehizoro.( Faritra A.A)
MPV : Atoa/Rtoa Lantosoamampionona Ranaivo Fanantenana,
Diakona.FJKM Mandrosoa Ilafy(Faritra Faravohitra).
MLS : Atoa Razafimandrato Dimisoa Daniël,Mpitandrina.FJKM Loharanon’Aina Sambaina ( Faritra Isoavina).
Ny taona 2021,dia ireo Birao teo aloha ihany no nadrafitra azy.
3.2.3. Ny taona 2022-2024
PS : Atoa Alioliharimanarivo Mahabo Saotra Samoela, Mpit
FM1 : Atoa Rafanonerantsoa Valisoa Lilia, Mpitandrina.FJKM Soamanandrariny Miaradia.(Faritra A.A)
FM2 : Atoa Ramiaranjatovo Arson Marc, Diakona.FJKM Mandroseza Ankadindratombo Miray.(Faritra A.A)
MSF : Rtoa Mamilalaina Lalaoharisoa Rindra, Mpitandrina.FJKM Antsahamaina Famonjena.(Faritra Ambatomanga)
MSV : Atoa Rabarijoelina Rivo Nirina, Diakona.FJKM Ambatomaro Fehizoro.(Faritra A.A)
MPV : Atoa/Rtoa Ranaivo Lantosoamampionona Fanantenana, Diakona.FJKM Mandrosoa Ilafy.(Faritra Faravohitra)
MLS : Atoa Razafimandrato Dimisoa Daniel, Mpitandrina.FJKM Loharanon’Aina Sambaina.(Faritra Isoavina)
Ny taona 2025-….
Naka ny toerany ny « President Synodal », teo aloha. Atoa Alioliharimanarivo Mahabo Saotra Samoela, Mpitandrina.Tafaverina ho Filoham-panampy Voalohany kosa : Atoa Ramananantsalama Lovasoa Hasina,Mpitandrina.FJKM Ambohimalaza Kanana Vaovao.Tsy nihetsika ny Filoham-panampy faharoa laika.Niova an’Atoa Randriaminoarisoa Jean Honoré, Mpitandrina.FJKM Tsarasaotra Jerosalema Vaovao.(Faritra Isoavina),kosa ny Mpitan-tsoratry ny Fivoriana.Niova toraka izany koa ny Mpitahiry vola, izay Atoa Loyens Hery Jean Yves.KD FJKM Mahatsinjo Miray.(Faritra Merinarivo).Niova ihany koa ny Mpitahiry vola ; ka Atoa Randriamasinoro Tahiry Ny Aina, izay Diakona ao amin’ny FJKM Ambohibe Ilafy.(Faritra Faravohitra).
Ireo no Birao vaovao hiasa 4 taona manaraka.
Fanamarihana : Lasa Mpanolotsaina FOIBE FJKM ny Mpitahiry Volan’ny SP.AA.12, io.
Antotan’isa :
Fitandremana : 177
Sekoly : 39
Mpitandrina : 164
K.D : 19
Mpampianatra : 270



Ity boky ity, dia tsy azo adika na alaina tahaka na amin’ny am-pahany fotsiny aza. Tsy azo ampiasaina amin’ny zavatra hafa , raha tsy nahazoana alalana tamin’ny mpanoratra.
raphaelfanomezantsoaandrianari@gmail.com

Ny Mpanoratra mpikaroka : Andrianarivo Raphaël
6

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008