NY TANTARAN'NY BAIBOLY SORATANA SY TANTARAINA (Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël)

Mpanoratra Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Nampiditra ILAIMAILAKA
Nitsidika 259
Mpanoratra Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Mampiseho ireo tantara ao amin'ny Baiboly Malagasy ( Fikarohana)
Pejy 1
Ny Testamenta taloha

     Misy amboara na boky miisa 39 izy ; ary ho zaraintsika efatra :
. Ireo boky dimy ny lalàna = Genesisy ; Eksodosy ; Levitikiosy ; Nomery ; Deoteronomia .
. Ny boky tantara = Josoa ; Mpitsara ; I.II Samoela ; I.II Mpanjaka ; I.II Tantara ; Ezra ; Nehemia ; Rota ; Estera .
. Ireo boky faminaniana = Isaia ; Jeremia ; Ezekiela ; Daniela ; Hosea ; Joela ; Amosa ; Obadia ; Jona ; Mika ; Nahoma ; Habakoka ; Zefania ; Hagay ; Zakaria ; Malakia .
. Ny farany dia ny boky maneho Poetika = Joba ; Salamo ; Ohabolana ; Mpitoriteny ; Tonon-kiran’i Solomona ; Fitomaniana .
                  Ny Jiosy tany Palestina kosa dia nizara azy ho :
- Ny Lalàna
- Ny Mpaminany
- Ny Soratra .
Ireo boky ireo , dia tsy hita indray mandeha ary voahangona tamin’ny taona 100 , talohan’i Jesoa Kristy Tompo .
            Araka ny tantara dia ny boky tononkiran’i Solomona , no nampisalasala ireo mpandinika na ho azo ampidirana ao anaty antontam-boky iray izy io . Ny taona 90 aty aorian’i Jesoa Kristy Tompo vao azo novakiana . Voasoratra amin’ny teny Hebreo ny ankabeazan’ny Testamenta Taloha . Ary ny tapany amin’i Ezra ; Nehemia ; Daniela , dia amin’ny fiteny Arameana . Io teny io dia tonga tao Kanana ihany koa . Ny Soratra Babyloniana anefa dia efa tany amin’ny taona 1400 talohan’ny Tompo no efa hita tao Palesitina . Taty aoriana anefa dia ny soratra Egyptiana indray no hita tamin’ny antontam-bato ny taon-jato fahavalo . Ny taona 700 aty aorian’i Jesoa Kristy ; dia nandinika ny soratra ireo manam-pahaizana Jiosy momba ireo soratra tranainy efa voaresaka tery aloha , ka nampifandraisina tamin’ny soratra Hebreo ny zana-tsoratr’ireo firenena tranainy .Tsara ny manamarika ; fa ny soratra Hebreo dia tsy misy zana-tsoratra raha ny soratra tranainy Hebreo no heverina . Ny Teksta « Masoreta » na lova no niankinan’ny fandikana ny Testamenta Taloha ho amin’ny teny  hafa firenena indrindra fa ny antsika Malagasy . Aty amin’ny taona 1947 ; dia nisy kopia Hebreo soratra tranainy 1000 taona lasa talohan’ny teksta masoreta , teo akaikin’ny Ranomasina mena . Ekena fa nisy fahasamihafana amin’ireo soratra ireo saingy tsy nifanalavitra tamin’ny zava-nisy .
           Rehefa nisy ny ady nifanaovan’ireo firenena ireo , indrindra moa raha lasa zanatany Babyloniana ny Israelita ; dia ny teny Samaritana indray no nandikana ny T.T , rehefa niverina avy tany am-pahababoana ny Zanak’ Israely .
Andeha hojerentsika avy ireo fandikan-teny ankoatra ny teny Hebreo =
? Ny Bokin’ny Lalàna = Teny Samaritana
? Ny Septanta = fandikana ho amin’ny teny Grika
? Ny Septanta = fandikana ho amin’ny teny Latina
Ireo nitambatra no noheverina fa : Vulgata , izay 400 taona aty aorian’i Jesoa Kristy Tompo : Grika sy Latina .
Ny tany Kanana :
Mialoha ny hirosoana amin’ny fandalinana , dia aleo aloha isika hijery lalina dia lalina mahakasika ny tantara .
Mahakasika ny teny fampiasa any Palestina : Ny teny Aramaika sy Syriaka aloha no betsaka mampiasa tany .
           Mialoha ny fidiran’ny Zanak’ Isiraely an-tsehatra tany amin’ny tany Kanana ; dia andeha aloha mba resahana ireo mponina voalohany tao :
- Amalekita = Nonina teo anelanelan’ny tany Kanana sy Egypta izy ireo : Taranaky ny lahimatoan’i Esao , atao hoe , Elifaza i Amaleka , izay tamin’ny vaditsindranony atao hoe , Timna .
- Amaleka araka izany no niavian’io Firenena io ; izany hoe : « Taranak’ Isaka izany » ;Tsarovy fa raha vao miresaka Esao isika ; dia kambana iray ray sy reny tamin’i Jakoba izany . Zafikelin’i Abrahama , izy mirahalahy kambana ireo . Mpirenireny tahaka ny Arabo izy ireo . Eks 16 : 9 - 15 ; Deo 25 : 17 - 18 . Firenena rahalahin’Isiraely izy ireo , kanefa dia nihantsy ady taminy ; ary nifandona matetika . Resin’i Josoa izy ireo tao Refidima .
Ny Amalekita sy ny Kananita , nitambatra niady tamin’Isiraely ; saingy resy tao Horma ny Isiraely = Nom 14 : 45 .
Ny Amalekita sy ny Moabita , niampy ny Amonita , nandrato ady tamin’ny Firenen’Isiraely = Mpit 3 : 13 ; Saoly mpanjaka tsy nandringana azy na dia nahazo teny ny handringanana ny Amalekita aza = I Sam 15 . Davida mpanjaka kosa nandringana azy = I Sam 27 : 30 ; I Tan 4 : 43 .
- Edoma : Esao no niandohan’ny tànana ; Horita anefa no mponina tao talohany ; ary avy any Sira izay razambeny .Nikambana tamin’i Nabatena , ka lasa firenena lehibe . Nabatena = Taranaky Nebaiota izay zanaky Ismaela .
- Filistina : Avy any Kalfotora any Egypta = Jeremia sy Amosa 9 : 7 ; io Kaftorita io no namoaka ny Avima teo amin’io toerana nisy azy io , na ny marimarina nandroaka azy tao , ka nodimbiasan’ny Filistina ny toerany , izay ao atsimon’ny Palestina = Gen 10 : 14 . Niady matetika tamin’ireo Foinikana ireo Filistia ireo . Ny taniny kosa dia nomena ho zara-tanin’i Joda sy Dana = Jos 15 : 2 . Ny andriamaniny dia : « dagona sy Baal - zebub » Firenena izay resin’ny Babyloniana sy ny Persia ary ny Grika ; tsy adino ny Romana = Foana tanteraka ary tsy hita intsony .
- Gaza : Ny Avita kosa no nonina tao voalohany , fa ny Kaftorita sy ny Filistina no nandroaka azy = Deo 2 : 23 ; Jos 13 : 2 - 3 .
- Ismaelita : taranak’Ismaela tamin’ilay mpanompovavin’i Abrahama  atao hoe , Hagara Egyptiana  
- Midianita : Taranak’i Ketora , tamin’i Abrahama = Io Firenena io no nakan’i Mosesy ny vadiny . Mponina tao amoron’ny ranomasina mena ; ary «  Nomades » izy ireo , ka nanimba ny volin’Isiraely rehefa niandry ny bibiny .
- Moabita : taranak’i Moaba izay zafikelin’i Lota tamin’ny zanany vavy voalohany . Mponina tao atsinanan’ny ranomasina maty izy ireo , ary mpifahavalo tamin’Isiraely . Nikambana tamin’ny Firenen’ny Babyloniana ihany ko aizy ireo hanohitra ny Isiraely = Ny taon-jato faha enina , talohan’i Kristy Jesoa = 600 - 501 . Gen 19 : 37 ; mpanompo sampy
- Amonita : taranak’i Amona izay  zafikelin’i Lota tamin’ny zanany faravavy = Gen 19 : 38 .
- Nonina tao atsinanan’i Jordana ; ary niady matetika tamin’Isiraely ihany koa ; mpanompo sampy ary ny andriamaniny dia : « Milkoma »
- Ny atsinanana = Gen 10 : 30 ; Gen 25 : 6 ; Nom 23 : 7 ; Isaia 2 : 6 + Raha ny hita ; dia ireto mponina ireto no tiana ambara : Ny Amalekita , Ny Midianita , Ny Arabo , Ny Sabeana , Ny Kaldeana ary ireo mponina tany Harana . Ivelan’ny tany Masina .
- Ny Tanin’ny zanaky ny atsinanana = Gen 29 / Zanaky ny atsinanana = Mpit 6 : 3 ; Mpit 7 : 12 ; I Mpanj 4 : 30 ; Job 1 : 30 = Ny atsinanan’ny Palestina rehetra ve ? Ireo no taranaky Ketora tamin’i Abrahama . Ny Arabo anefa araka ny fikarohana , dia tsy taranak’Ismaela avokoa akory . Ireto avy ary ireo mponin’ny atsinanana ?
. Ny Taranak’i Hama = Ny lahimatoan’i Hama no nitoetra voalohany tany Arabia atsimo ; izany hoe ; teo am-pitan’ny ranomasina mena …sy ny Afrika
( Magrebiana ) rehetra ; Ny Etopiana : Gen 10 : 7 / Aoka ho tsarovana ihany koa anefa , fa Nimorda izay anisan’ny taranak’i Hama no namorona an’i Ninive , izay renivohitry Asyria .
. Ny Taranak’i Sema = Nizara ho efatra : Zanaky Ebnera zafiafin’i Sema : Gen 10 : 26 - 30 . Ireo taranaky Joktana izay zanaky Ebnera zafiafin’i Sema = Ny Yemena , ireo Arabo atsimo .Io Joktana io dia niteraka 13 mirahalahy .
. Ny taranak’i Abrahama : Ireo Hagarima na Hagarita , avy amin’ny Hagara renin’Ismaela = 12 Mirahalahy ny zanany . Nonina tao an-tsisin’ny Palestina sy ny tao atsimo atsinanana .
. Ny Ketorita avy amin’i Ketora vadin’i Abrahama ihany koa : 6 mirahalahy ny zanany = Zimrana , Joksana , Medana , Midianita , Isbaka , Soaha . Gen 25 : 2 .
. Ny taranaky Nahora , izay zokin’i Abrahama = Tadidio ary fa ilay tany atao hoe “ Oza ”  ; dia ilay tany nahalehibe an’i Joba .
           Maninona moa raha resahana ihany koa ireo fahavalo tena nanandevo ny Israely sy izao tontolo izao :
Ny Fanjakana Asyriana no namabo ny Jiosy sy ny fanjakana Israely , avy eo nodimbiasan’ireto fanjakana ireto =
. Ilay loha volamena = Fanjakana Babyloniana . 607 talohan’i J.K / Ampitahao amin’i Dan 7 : 3 - 4
. Ilay tratra sy ny sandriny dia volafotsy = Fanjakana niarahan’ny Persia sy Media . 539 talohan’i J.K / Ampitahao amin’i Dan 7 : 5
. Ny kibony sy ny feny dia varahana = Fanjakana Gresy . 331 talohan’i J.K / Ampitahao amin’i Dan 7 : 6
. Ny Ranjony dia vy = Fanjakana Romana . 30 taona talohan’i JK . sy 0 nahaterahan’i J.K / Ampitahao amin’i Dan 7 : 7
. Ny rantsan-tongony dia vy sy tanimanga = Fanjakana folo mizaraza , fa talohan’io dia ny Fanjakana Amerikana sy Anglisy : 1763 aty aorian’ny J.K / Ampitahao amin’i Dan 7 : 7
Voalaza fa nisy vato tsy niendahan-tanana nanamontsana azy io ary nanjary tendrombohitra iray avobe .
. Dan 11 : 5 = Fanjakana avaratra : Seleucus I Nicator / Ny atsimo = Ptolémée I
. Dan 11 : 6 =  Fanjakana avaratra : Antiochus II , vadiny Laodice / Ny atsimo = Ptolémée II , zanany vavy : Bérénice
. Dan 11 : 7 - 9 =  Fanjakana avaratra : Sélecus II , Ny atsimo = Ptolémée III
. Dan 11 : 10 - 12 = Fanjakana avaratra : Antiochus II , Ny atsimo Ptolémée IV
. Dan 11 : 13 - 19 = Fanjakana avaratra : Antiochus III , ny zanany vavy Cléopatre ary nondimbiasan’i Sélecus V sy Antiochus IV , Ny atsimo Ptolémée V , nondimbiasan’i Ptolémée VI
. Dan 11 : 20 = Fanjakana avaratra = Aogosto Kaisara
. Dan 11: 21 - 24 = Fanjakana avaratra = Tiberio
. Dan 11 : 25 - 26 = Fanjakana avaratra =  Aurélien , rava teo ny ampira Romana , Nipoitra indray ny fanjakana atsimo ka ny mpanjakavavy Zénobie , izay nisolo ny zanany handimby fanjakana raha maty ny vadiny , tao Palmyre
. Dan 11 : 27 - 30 a = Fanjakana avaratra : Ampira Alemana , ady lehibe voalohany. Fanjakana Atsimo : Grande Bretagne ; Anglisy sy Amerikana
. Dan 11 : 30 b - 31 = Fanjakana fahatelon’ny Alemana , ady lehibe faharoa . Firenena matanjaka ; Anglisy sy Amerikana
. Dan 11 : 32 - 43 = Ny Avaratra ; Vondrona Kominista ( Sinoa ; URSS ; Korea avaratra sy atsimo ) Ady mangatsiaka . Ny Atsimo : Ny Ny Anglisy sy ny Amerikana ,
. Dan 11 : 44 - 45 = Ny avaratra ….Mbola hipoitra , Ny atsimo : Anglisy - Amerikana ihany . Mety ho ny Arabo , kanefa raha ny fanambaran’ny Baiboly dia ny Jiosy .
Mitombina izay voalaza hatreto a! tsy mandainga ny baiboly na ireo mpandinika aza dia nanamarina azy io . Fa andeha hoe : hojerentsika miaraka ny mahakasika ny Daniela 7 : 8 ; io sy ny Daniela 2
Ireo Fanjakana 10 ; ka ny 7 mbola hita ankehitriny ary ny 3 dia rava tanteraka . Marihana fa ireo fanjakana ireto dia nipoitra avy amin’ny vahoaka baribariana , izay tany Avaratra ka nandresy ny ampira Romana :
1. Les Alamans = Alemaina
2. Les Francs = Frantsa
3. Les Anglo Saxons = Grande Bretagne
4. Les Burgondes = Soisa
5. Les Suéves = Portigaly
6. Les Visigoths = Espaina
7. Les Lombards = Italie ; Ireto telo ireto dia noravan’ny amperora Romana Justinien , tamin’ny alalan’ny Decrée na didim-panjakana :
8. Les Herules
9. Les Vandales
10. Les Ostrogoths . Iza ary ilay fanjakana faha 11 . Dan 7 : 23 - 24
11. Vatican : izay ao Roma ; Roma izay faritra iray ao Italia ao
. Ny 11 Feb 1929, no teraka i Vatican ary ny Papa Pié 11 no papa tamin’izany
. 11 Feb 1958 , nisehoan’i Masina Maria tao Notre Dame de Loudre
. 11 Oct 1962 , ny concile Vatican II
. 11 Feb 2013 , nametra-pialana ny Papa Bénoit 16 , ary iny alina dia nilatsahan’ny varatra tao Vatican
. Ny Papauté no ilay fanjakana faha 11 / Ny fandinihan’ny mpandinika indrindra fa ilay boky mitondra ny lohateny hoe : “ La prophétie des saint Malachie = la dernier papa . Fa hatreo amin’ny Papa Celestin isika no manomboka manisa ka hatreo amin’ny Papa Bénoit 16 , dia ahita isa 111 ary ny Papa François hono no Papa farany 112. Ho hita eo ny fahamarinany .
Ho faranantsika ny tantara ; efa mety ho leo koa angamba ianao , kanefa tsy maintsy lazaina ny marina ara-tantara .
Hozaraintsika roa miavaka tsara ity boky ity , ka :
1. Izay mamaritra ny Testamenta Taloha
2. Izay mamaritra ny Testamenta Vaovao
259

Hevitra mandeha

ILAIMAILAKA 09/10/2025 13:42
Mbola hitohy tompoko.Fiangaviana mba tsy hadika na haka an'ity fikarohako ity fa azonao jerena sy hanaovana fikarohana kosa raha mila ny boky PDF manotolo T.T ianao dia miresaka MP. FB: Raphael Andrianarivo.Misaotra tompoko

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097