NY TANTARAN'NY BAIBOLY SORATANA SY TANTARAINA (Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël)
Mpanoratra Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Nampiditra ILAIMAILAKA
Nitsidika 36
Mpanoratra Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Nampiditra ILAIMAILAKA
Nitsidika 36
Mpanoratra Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Mampiseho ireo tantara ao amin'ny Baiboly Malagasy ( Fikarohana)
Pejy 2
Toko I1. Izay mamaritra ny Testamenta Taloha :
1.1 = Ny Pentateoka : Mosesy no nanoratra azy
1.1.1 Genesisy = Ny Fiandohana : Ahitana toko 50 izy ity .
Inona no resahana mahakasika azy io =
. Ny Fahariana sy ny safo-drano .
. Ny Patriarka .
. Ny Fanandevozana tao Egypta sy ny fanafahana azy ary ny fahatongavana tany Kanana .
1.1.1.1 Ny Fahariana sy ny safo-drano : Gen 1 - 11 =
Gen 1 ; 2 = Ary tamin’ny voalohany Andriamanitra…Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ary ny aizina tambonin’ny lalina . Ary ny Fanahin’Andriamanitra tambonin’ny rano…Ary Andriamanitra nanao hoe , misia ny mazava… / [ Ny Fikarohana vao hita , izay lazaiko eto am-piandohana fa tsy azo itokiana sy ianteherana ; dia maneho : « Ny Genesisin’i Mu , izay nadikan’i Mosesy ; tany egypta » = Tamin’ny voalohany hono ; dia ny tontolo dia fanahy iray ihany , tsy nihetsika , tsy niaina ….Tao anatin’izany dia tsy nisy afa – tsy ilay fanahy ambony indrindra , ilay fahefana lehibe , ilay mpamorina , ilay bibilava fito loha ….Tonga tao aminy ny faniriana hamorona izao tontolo izao .Tsara aloha ny manamarika fa ny andro fito ny azy dia Baiko no namoronany azy . Fa ny an’ilay Nahary Andriamanitra Mpamorona kosa dia : avy amin’ny teny …Misia ]
Ny Saha « Edena » = Gen 2 : 8 - 14 ; Betsaka ireo misora-tena ho nisy azy , ireo Firenena eto ambany masoandro , na izany aza aloha tsy teto Madagasikara mihintsy no nisy azy . Andriamanitra nanorina azy tany Atsinanana izay nisy ireo renirano efatra nandrafitra azy = Tsy fantatra ny niandohany ny ony nandena ny saha Edena , fa ireo sampana nizara efatra no fantatra : 1. Pisona ; Gihona ; Hidekela ; Eofrata = ( P.G.H.E ) Raha vao miresaka Atsinanana isika dia ny tany mifanila amin’ny tany Masina izany . Ny tany Arabo manontolo .
Gen 3 - 11 = Ny fahotana voalohany : Nandikana ny didin’Andriamanitra …Ny hafetsen’i satana ary ny nihinanan’i Eva ny voankazo efa nandrarana azy ireo sy ny nanoloranany azy an’i Adama vadiny . Tsy niaiky heloka fa nifampitoroka . Farany noroahana tao amin’ilay saha nahafinaritra . Teraka ny ota voalohany ; vokatr’ izany dia nifamono ireo zanak’izy mirahalahy : Kaina sy Abela , noho ny tsy fifankazahoana vokatry ny fanatitra nataon’izy ireo . Kaina dia mpamboly fa i Abela zandriny kosa dia mpiompy .Tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra izay nataon’i Kaina satria sombintsombiny ihany no natolony fa nankasitrahany kosa ny an’i Abela ; dia izay natavy indrindra .Lasa mpirenireny kosa Kaina , kanefa tsy nisy nahazo nikasika azy ny olona rehetra .Gen 4 : 13 - 16 .
Ny Taranaky Kaina :
Kaina
Enoka
Irada
Mehojaela
Metosaela
Lameka = Nampirafy roa i Ada sy Zila : Ada niteraka an’i Jabala = Rain’ny mpitoetra an-day sy mpiandry ondry . Mbola niteraka an’i Jobala = Rain’ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina . Zila indray niteraka an’i Tobala - Kaina : Mpanefy fiasana , ny anabaviny kosa dia Nama .Gen 4 ; nisy taranaka enina
Ny Taranaky Adama , hatreo amin’i Noa :
.Adama : Niteraka an’i Kaina sy Abela , tamin’i Eva . 103 taona izy no niteraka an’i Seta .
.Seta : 105 taona izy no niteraka an’i Enosy
.Enosy : Nanomboka taminy no niantsoana ny Anaran’i Jehovah : Gen 4 : 25 . 90 taona kosa Enosy no niteraka an’i Kenana .
.Kenana : Feno 70 taona kosa izy no niteraka an’i Mahalalia .
.Mahalalia : 65 taona kosa izy no niteraka an’i Jareda .
.Jareda : 162 taona kosa izy ; dia niteraka an’i Enoka .
.Enoka : 165 taona izy no niteraka an’i Metosela ary nentin’Andriamanitra izy .
.Metosela : 187 taona izy dia niteraka an’i Lameka .
.Lameka : Feno 182 taona izy ;dia niteraka an’i Noa .
. Noa : 50 taona izy no niteraka azy telo mirahalahy = Sema , Hama , Jafeta . Gen 5 - 9 . Nisy tarana sivy hatreo amin’i Seta ka hatramin’i Noa .
Gen 6 - 7 - 8 - 9 = Noferan’Andriamanitra ho 120 taona ny fahaelavelon’ny olombelona . Ny nakan’ireo zanak’Andriamanitra vady ho azy ireo tamin’ny zanakavavin’olombelona izay tsara tarehy . Maro ihany koa ireo Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany sy taty aoriany . Niteraka olo-mahery tamin’ny zanakavavin’ny olombelona ireo zanak’Andriamanitra . Lehilahy manan-daza tokoa izy ireo . Simba ny tany nohon’ny faharatsian’ny olona ary heni-doza tokoa , ka nahatonga ny safo-drano Andriamanitra .
Ny taranak’izy telo lahy zanaky Noa :
Jafeta = Gomera , Magoga , Maday , Javana , Tobala , Maseka , Tirasa . Gomera = Askenaza , Rifata , Togarma . Javana = Elisaha , Tarsisy , Kitima , Dotanita . [ Nivoaka avy tamin’ireo kosa ny Firenena maro : Niavakavahany ; Fiteniny sy ny Mpianakaviny ]
Hama = Kosy , Mizraima , Pota , Kanana . Kosy = Seba , Havila , Sabta , Ragama , Sabteka . Ragama = Seba , Dedana . Kosy = Nimroda : Izy no olo-mahery voalohany teto an-tany . Niandoha teo amin’i Babela sy Ereka ; Arkada ; Kalne tany amin’ny tany Sinara . Teo no nivoahany nankany Syria , ary nanorina ny Ninive sy Rehobot - Ira ary Kala ; Resena . Mizraima = Lodita , Anamita , Lehabita , Naftohita , Patrosita , Kaslohita : Io no niavian’i Filistina ary Kaftorita . Kanana = Sidona , Heta , Jebosita , Amorita , Girgasita , Hivita , Arkita , Sinita , Arvadita , Zemarita , Hamarita [ Izy ireo kosa nielezan’ny Firenen’ny Filistina .]
Sema = Izy no rain’i zanaky Ebera . Sema = Elama , Asyra , Arpaksada , Loda , Arama . Arama = Oza , Hola , Gatera , Masy . Arpaksada = Sela . Sela = Ebera . Ebera : Niteraka roalahy dia , Palega sy Joktana ; tamin’ny andron’i Palega no nizarana ny tany . Joktana = Almodada , Salefa , Hazarmaveta , Jera , Hadorama , Ozala , Dikla , Obala , Abimaela , Sheba , Ofira , Havila , Jobaba . [ Firenena hafa indray ireo ] Ireo dia nivoaka taty aorian’ny Safo-drano . Gen 10 .
Gen 11 = Niandoha teo ny fanorenana ny tilikabo Babela ary niafara tamin’ny fiparitahany ho Firenena maro . Tsy nifandray intsony ny fiteny , izay iray teo aloha ; fa samihafa be ihany .
Ny taona nahafatesan’ireo olo-be tato amin’ny Baiboly :
Adama : 930 taona , dia maty
Seta : 912 taona , dia maty izy
Enosy : 905 taona , dia maty
Kenana : 910 taona , dia maty izy
Mahalalila : 895 taona , dia maty
Jareda : 962 taona , dia nandao ny tany ihany koa izy
Enoka : 365 taona , dia nentin’Andriamanitra tsy hita izay nalehany .
Metosela : 969 taona , dia nandao ny tany .
Lameka : 777 taona ,izy dia maty .
Ireo rehetra ireo ; dia niteraka zazalahy sy zazavavy avokoa , ary nahenika ny tany rehetra .
Noa : 950 taona , dia maty ihany koa izy . Gen 5 .
Gen 6 = Noa sy ny safo-drano – Ny nanambadian’ireo zanak’Andriamanitra ny zanakavavin’ny olona izay tsara tarehy sy ireo olo-mahery taranany ary ireo lehilahy manan-daza – Ny momba ireo Nefilima – ny tsy fankatoavan’ny olombelona an’Andriamanitra sy ny loza naterany dia ny safo-drano . [ 40 andro sy 40 alina = 601 Bc dia ritra ny rano . Niandry hafitoana in-droa dia ritra tanteraka ny rano .]
*Tsidika =
[ Fiaingana hatreo amin’i Noa :
1.- Tendrombohitra Ararata = Eo anelanelan’ny ranomasina Mainty sy Kaspiana . Toerana : Kaokazy : Nihantona teo ny Sambo fiara an’i Noa . Gen 8 : 4
2.- Ora = Tafiditra ao anatin’ny faritry Mesopotamia na fanjakan’ny Asyria : Tao no nonina Abrama . Saika hatao fanatitra sorona fanatitra tao izy . Nahita ny Anjelin’Andriamanitra ka nandraisany ny Orima sy Tomima . Gen 11:28 ; 12 : 1. / Samy misy ny tanàn’i Ora na ao Mesopotamia avaratra na ao Babylona , ka iza amin’ireo no nisy an’i Abrama .
3.- Babylona . Babela ( Sinara ) = Ny Ranomasina ambany na hoalan’i Persia no akaiky azy io . Naorin’i Kosy zanakalahin’i Hama sy Nimroda tamin’ny voalohany . Toerana niavin’ny Jaredita tamin’ny andron’ny tilikambon’i Babela ao amin’ny lemak’i Sinara . Taty aoriana dia lasa renivohi-paritr’i Babyloniana izy sy fonenan’ireo mpanjaka Babyloniana . Isan’izany Nebokadenezara izay nitondra Jiosy babo maro talohan’ny taty aorian’ny faharavan’i Jerosalema : 587 Talohan’i J.K . Nijanona ho babo 70 Taona ny Jiosy mandram-pahatonga ny mpanjaka Siro , izay namela ny Jiosy hiverina any Jerosalema . Mba hanorina indray ny tempoly . Tao no nitoetra i Daniela mpaminany . Mpanjaka telo no hitany tao dia : Nebokadenezara ; Belsazara ; Dariosy I . Gen 10 : 10 ; 11 : 1 - 9 ; II Mpanj 24 - 25 ; Jer 27 : 1 - 29 ; 10 ; Ezek 1 : 11 ; Dan 1 - 12 ;
4.- Sosana = Renivohitry ny fanjakana Persiana , izay teo ambany fahefan’ny mpanjaka Dariosa I na Dariosa lehibe sy Ahaserosy na Kserekesy ary Artakserkasa . Fonenan’ny mpanjakavavy Estera , izay nanavotra ny Jiosy ny heri-po nananany . Nanompo tao Daniela sy Nehemia taty aoriana . Neh 1 - 2 ;
Est 1 ; Dan 8
5.- Lemak’- Dora = Tao no nanipazana an’ireo naman’i Daniela telo lahy : Sedraka sy Mesaka ary Abednego . Rehefa tsy nety niankohoka tamin’ilay sariolona volamenan’ny mpanjaka Nebokadenezara . Narovan’Andriamanitra satria nahatoky Azy .Dan 3
6.- Asyria = Fanjakana iray ; Asora no renivohiny teo aloha vao Ninive . Ireto no mpanjaka tao izay Asyriana : Salmanesera V ; Sargona I , izay nandresy ny fanjakan’ny Israely Avaratra ; ka nitondra ny firenena folo tao ho babo ; ny taona 721 talohan’i J.K. II Mpanj 14 - 15 ; 17 - 19 . Loza nitatao tamin’i Joda ihany koa ny Asyriana , hatramin’ny taona 612 talohan’i J.K . Io fotoana io dia ny Babyloniana no nanjanaka an’i Asyria .
7. Ninive = Renivohitry Asyria . Nanafika ny Joda ny Asyriana tamin’ny andron’ny mpanjaka Hezekia sy ny fanombohan’ny asa fanompoan’ny mpaminany Isaia . Avotra tamin’ny fomba mahagaga Jerosalema Renivotry Joda satria nisy Anjelin’Andriamanitra niaro io tanàna Masina io , kanefa dia nisy miaramila 185.000 izay an’i Asyriana levona tao . II Mpanj 19 ; 32 - 37 . Tao Jona mpaminany no nanomboka ny asany raha nirahan’ny Tompo izy hampibebaka ny olona tao Ninive . Jona 1 - 3 .
8.- Harana = Nisy fotoana Abrahama , nipetraka tao , nialohan’ny nandehanany tany Kanana . Nijanona tao ny ray sy reniny sy ny rahalahiny . Avy tao ihany koa ny toerana nisy an’i Rebeka izay lasa rafozan’i Abrahama , satria lasa vadin’i Isaka zanany . Nonina tao koa Rahely sy Lea izay lasa vadin’ I Jakoba zafikelin’i Abrahama . ary ireo mpanompon’izy roavavy dia : Bila sy Zilpa . Gen 1 : 31 - 32 ; 24 : 10 ; 29 : 4 - 6 .
9. Karkemisy = Tao no nandresen’ny Babyloniana ny Firenena Egyptiana , fony Nebokadenezera no nanjaka tao aminy . II Tan 35 : 20 .
10.- Sidona = Naorin’i Sidona izay zafikelin’i Hama ,io tanàna io . Any avaratra indrindra amin’ny tanànan’ny Kananita .Gen 10 : 15 - 20 . Nonina tao Jezebela izay nampiditra ny sampy sy ny fanompoana ny Bala . I Manj 16 : 30 - 33 .
11.- Tiro = Tanàna fifanankalozam-barotra sy fitodihan-tsambo nanan-danja tao Syria . Hirama no mpanjaka tao , izay nandefa ny hazo Sedera sy ny volamena ary ny mpiasa maro ihany koa , mba hanampy an’i Solomona mpanjakan’ Israely hanorina ny Tempoly . I Mpan 5 - 18 .
12. Damaskosy = Tsy lavitra teo no namonjen’i Abrahama an’i Lota; lohany amin’ny tanànan’i Syria . Namabo ny tanàna Israely nandritra ny fanapahan’i Davida mpanjaka . Nanosotra an’i Hazaela ho mpanjakan’i Damaskosy Elisa . Gen 14 : 14 - 15 ; II Sam 8 : 5 - 6 ; I Mpanj 19 : 15 .
13.- Kanana = Nomena an’i Abrahama mba ho lovan’ireo taranany mandrakizay . Gen 17 : 8
14.- Tendrombohitry Sinay = na Horeba , tao Jehovah no niteny tamin’i Mosesy , tamin’ny alalan’ny roimemy nirehitra afo . Eks 3 : 1 - 3 .
Tao ihany koa no nanomezan’Andriamanitra ny lalàna sy ny didy folo . Eks 19 - 20 ; Niteny tamin’i Elia , tamin’ny feo tony sy malemy Andriamanitra . I Mpanj 19 : 8 - 20 .
15.- Ezion-Gebera = Tao no nanamboatra sambo lehibe Solomona Mpanjaka . I Mpanj 9 : 26 .Azo inoana ihany fa tao amin’io seranana io no nitobian’ny sambon’ilay mpanjakavavin’i Seba , raha namangy ny mpanjaka Solomona izy io . I Mpanj 10 : 1 - 13
16.- Egypta = Nivarotanan’ireo rahalahin’I Josefa azy ka lasa andevon’i Potifara izy aloha vao lasa Praiministra tao .Gen 37 . Tao no nahitan’i Josefa fahoriana , nanambara ny nofin’ny mpanjaka Farao . Tao ihany koa no nihaonan’ireo rahalahiny taminy . Nifindra tany Jakoba sy ny fianakaviany . Gen 39 . Nitoetra tao Gosena izy ireo ary nihamaro tao . Gen 49 . Nandevozan’ireo Egyptian any Israely tao . Eks 1 . Nentina tany koa Jeremia Mpaminany .Jer 43 . Jesoa zaza koa nentin’i Josefa sy Maria tany raha nandositra an’i Heroda mpanjaka
17.- Kaftora = Tanànan’ny Minoana fahiny .]
1.1.1.2 Ny Patriarka . Gen 12 - 40 .
Avy tamin’ny taranaky Sema aloha , no niavian’i Abrama . Gen 11 : 10 = Sema = Arpaksada = Sela = Ebera = Palega = Reo = Seroga = Nahora = Tera = Abrama . Nahora . Harana . Abrama = Ismaela tamin’i Hagara , ilay andevovavy egyptiana . Abrahama = Isaka tamin’i Saraha vadiny . Abrahama = Niteraka an’i Midiana tamin’i Ketora . Nahora = Rebeka sy Labana . Harana = Lota . Lota = Moba sy Amona .
Gen 12 - 37 : Izao aloha ny tantara , Efa tao Kanana Abrama vao naverin’Andriamanitra tao ny taranany = Niala tao Oran’i Kaldeana i Tera rainy sy Abrama ary Lota zana-drahalahiny , nitoetra tao Harana izy aloha vao niala tao indray ka nifindra tao Kanana . 127 taona kosa Saraha ary maty tao Kiriat-Arba izay tao Kanana izy ary nalevina tao amin’ilay saha izay an’i Efrona Hetita , ka novidiana sekely volafotsy 400 . « Makpela » no anaran’ilay fasana nandevenana azy .
Ka tandrifin’i Mamre na Hebrona izany . ( Kanana ) – Ny nakan-dRain’i Abrahama vady tany Mesopotamia izay misy an’i Betoela zana-drahalahin’i Abrahama . Rebeka izay lasa vadin’Isaka . Resahana ao ihany koa ny mahakasika ny tantaran’ireo vadin’i Abrahama sy ny nahazoany ireo taranany :
1 . Ketora izay vadin’i Abrahama , dia niteraka an’ireto zanany ireto = Zimrana , Joksana , Medana , Midiana , Jisbaka , Soaha . Joksana = Sheba , Dedana . Dedana = Asorima , Letosima , Leomima . Midiana = Efaha , Efera , Hanoka , Abida , Eldana
2 . Hagara izay vadin’i Abrama = Isimaela no zanany , ary lasa firenena lehibe ihany koa izy io . Ismaela = Nebaiota , Kedara , Abdela , Mibsama , Misma , Doma , Masa , Hadada , Tema , Jetora , Nafisy , Kedema . Ireo dia nahitana andriana 12 araka ny fireneny . Ny Gen 22 = Ny fizahan-toetra an’i Abrahama .
Feno 135 taona i Isimaela dia maty , ary nonina nanandrify ny rahalahiny izy ireo .
Mbola resahana ihany koa ny momba ny taranaky Nahora izay rahalahin’i Abrahama : Nahora dia nanambady an’i Milka = Oza ,Boza , Kemoela , Kaseda , Hazo , Pildasy , Jidiafa ary Betoela izay niteraka an-dRebeka lasa vadin’Isaka . Kemoela kosa niteraka an’i Arama .Voaresaka ao ny momba an’izy mirahalahy zanak’Isaka sy Rebeka kambana dia : Jakoba sy Esao .
Ny nakan’i Esao vady tamin’ireo Kananita = Jodita Hetita io vehivavy Kananita nampakariny io sy ilay vehivavy iray atao hoe , Basemeta Hetita ihany koa . Ny voalohany dia zanaky Bery , ary ny faharoa dia zanaky Elona .
Ny Fitaka izay nataon-dRebeka sy Jakoba = Azo eritreretina ve hoe fahotana ny mandainga sy mamitaka ? kanefa dia nahazoan’i Jakoba ny tso-drano ho azy izany : Gen 27 - Nandosiran’i Jakoba sy nihaonan’izy mirahalahy indray – Nihaon’Andriamanitra tamin’i Jakoba tao Betela . Nizotra ho any amin’ny tanin’ny zanaky ny Atsinanana indray Jakoba . Nampakatra an’ireo zanaky Labana anadahin-dreniny i Jakoba . Ny nanompoany an’io rafozany sady Dadatoany io 14 taona , ka nanambadiany an’i Lea sy Rahely na dia Rahely aza no tiany kokoa . Izany dia fanompoana im-pito taona indroa .Nahazo harena betsaka izy ary niteraka 13 mianadahy =
1.Robena . Simeona . Levy . Joda . Isakara . Zebolona ary Dina vavitokana . Ireo dia zanany tamin’i Lea ; izay zanaky Labana , zana-drahalahin’i Abrahama ; atao hoe : Nahora ; Mpianadahy izany Rebeka sy Isaka . Rebeka sy Labana dia mpianadahy iray tampo .
2.Josefa sy Benjamina , ireo kosa no zanaky Rahely izay zanaky Labana , zana-drahalahin’i Abrahama ( Nahora ) Mpianadahy izany Rebeka sy Isaka . Rebeka sy Labana dia mpianadahy iray tampo .
3.Gata sy Asera = Zanaky Zipa izay mpanompovavin’i Lea .
4.Dana sy Naftaly = Zanaky Bila izay mpanompovavin-dRahely .
Josefa kosa dia niteraka azy mirahalahy = Manase sy Efraima tamin’ilay zanakavavin’i Poti - Fera , mpisorona tao Ona ; atao hoe : Asenata . Gen 41 : 50
Gen 25 = Feno 175 taona Abrahama ; dia maty nandao ny tany izy .
Ny nandosiran’i Jakoba avy tany Mesopotamia ho any Kanana .Gen 31 .
Ny Taranaky Esao = Esao no lasa Firenen’i Edoma : Nisy mpanjaka talohan’ny Firenen’Israely . Ireo zanaky Esao tany Kanana = Elifaza tamin’i Ada . Regoela tamin’i Besameta . Jeosy , Jalama , Kora tamin’i Ohilibana . Dia nifindra niala teo anatrehan’i Jakoba rahalahiny tao Kanana ihany koa Esao . Seira no toerana nonenany . Gen 32 = Jakoba novana ho Isiraely satria nitolona ( nifampitolona ) tamin’Andriamanitra izy .
Gen 36 . Maro ny taranak’i Esao ka azontsika vakiana .
Ny nankahalan’ireo rahalahin’i Josefa azy : Gen 37 .
1.1.1.3 Ny Fanandevozana tao Egypta sy ny fanafahana azy ary ny fahatongavana tany Kanana . Gen 37 - 50
Gen 37 : Vokatry ny fanofisana sy ny fialonana dia namidy ho lasa mpanompo tany Egypta Josefa - Nasondrotry ny Fitiavan’Andriamanitra izy ary toa te hilaza fa efa voalamina sy tsy maintsy ho tanteraka izany fa hipetrahan’ireo taranak’i Abrahama any Egypta .Tanteraka avokoa ireo nofin’ny mpanjakan’i Egypta ary nihatra tamin’ireo tany nanodidina azy .[ Apohis , no anaran’io mpanjaka vahiny io ; ary lazaina fa mpiandry ondry izy . Nanjaka talohan’ny nanendrena an’i Josefa ho mpanapaka ka hatramin’ny nahafatesan’i Jakoba . 1876 - 1850 Bc na taon-jato faha 18 talohan’i Jesoa Kristy ]- Ny amin’ireo taranak’i Joda : Naka vady tamin’ireo mponina Kananita i Joda ; dia ny zanakavavin’i Soa izany , ka niteraka an’i Era , Onana , Sela . Nitoetra tany Keziba ry zareo . Ny loza nanjo ireo zanaky Joda mirahalahy . Ny amin’i Tamara vinantovaviny . Joda nampakatra an’i Tamara vinantony ka niterahany kambana , dia : Fareza sy Zera - Gen 39 - 47 =
Ny nampidirana an’i Josefa tao an-tranomaizina – Ny namoaboasan’i Josefa ny nofin’ireo tadapa roalahy , ka niafara tamin’ny namahana ny nofin’i Farao - Ny nahatanteraka ilay Nofy sy ny nampakarana azy ho mpanapaka tao Egypta
( Praiminisitra ) – Ny nihaonany tamin’ireo rahalahiny sy ny rainy ary ny nametrahana azy tao Gosena . Nisy 66 ireo fianakiavan’i Jakoba nandeha tany Ramsesa Egypta . Gen 46 : 23 . Gen 48 - 50 = Ilay tso-drano hafahafa toa nampatsiahy ny nangalaran’i Jakoba ny tso-dranon-dRainy . Nampifamadihan’i Jakoba mantsy ny tso-drano tokony ho an’i Zokiny izay Manase , kanefa Efraima indray no nahazo azy sy nametrahany tànana teo amin’ny ankavanany , ary ireo tso-dranon’izy 12 mirahalahy handrafitra ny Zanak’Isiraely – Ny fanambarana ny fodiamandrin’i Jakoba sy ny nanaterana azy any Kanana .
[ Tsy nambara ny fotoana nahavelomany ] ary ny nahafatesan’i Josefa sy ny hafany - Ny nandevenana an’i Josefa tao Egypta .
Hevitra mandeha