NY TANTARAN'NY BAIBOLY SORATANA SY TANTARAINA (Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël)

Mpanoratra Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Nampiditra ILAIMAILAKA
Nitsidika 262
Mpanoratra Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël
Mampiseho ireo tantara ao amin'ny Baiboly Malagasy ( Fikarohana)
Pejy 3
1.1.2 Eksodosy = Fanafahana : Misy toko 40
1.1.2.1 : Ny Dian’Israely sy ny Paska : Eks 1 - 18 = Nitombo betsaka ny Zanak’Isiraely tany Egypta : Nahatratra 70 izy ireo , izay taranak’izy 12 mirahalahy avy ; ankoatra ny an’i Josefa . Tsy nahafantatra an’i Josefa ilay mpanapaka vaovao izay tsy iza fa : « Rameses » mpanjaka tompon-tany izy io ary nanjaka 40 taona ; farany amin’ny dynastia faha 18 : 1732 talohan’i Kristy . Nanjaka taloha kelin’ny nahaterahan’i Mosesy .( Ilay Farao atao hoe : « Menephita » no nanjaka taloha kelin’ny nialan’ny Zanak’Isiraely : 1652 , talohan’i Kristy + mitovitovy amin’ny fomba fitondran’ireo mpanjaka tao Asyria , io Farao io .Nisy mpampivelona Hebreo : Sifra sy Poa = hamono ny zazalahy teraka rehetra . Tao anatin’izany no nahaterahan’i Mosesy sy ny nitaizan’ny zanakavivin’i Farao azy . Nandositra tany Midiana izy mba hiala amin’ny fahatezeran’ny mponina tao Egypta noho ny namonjeny ny namany na ny rahalahiny ; Nitoetra 40 taona tany Midiana izy , ary tsy niraharaha azy ho zanak’ilay zanakavavin’i Farao akory izay teo amin’ny fiandrianany . Ny Roimemy izay tsy may kanefa nirehitra sy ny iraka nampanaovan’Andriamanitra azy . Ary hoy Andriamanitra : «  IZAHO , IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY » . Eks 3 : 14 .
Ny Tetiarana = Robena no lahimatoan’Isiraely : Hanoka ; Palo ; Hezrona ary Karmy ( Ireo no fokom-pirenen-dRobena ) . Simeona : Jemoela ; Jamina ; Ohaba ; Jakina ; Zohara ary Saoly ( Ireo no zanany tamin’ny vehivavy Kananita = Sady fokom-pirenen’i Simeona ) . Levy : Gersona ; Kehata ; Merary . Levy : 137 taona . Ny zanakalahin’i Gersona = Libny sy Semey , araka ny fokom-pireneny . Ny zanakalahin’i Kehata = Amrama ; Jizara ; Hebrona ; Oziela  . Kehata : 133 taona . Ny zanakalahin’i Merary = Maly sy Mosy , ireo no fokom-pirenen’ny Levita . Io Amrama io no naka ny anabavin-drainy ( Nenitoany : Jokedaba ) ho vadiny = Izy ireo no niteraka an’i Arona sy Mosesy ary Myriama anabaviny . Amrama : 137 taona . Ny zanakalahin’i Jizara : Kora ; Nafega ; Zikry . Ny zanakalahin’i Oziela : Misaela ; Elzafana ary Sitry . Mosesy sy Arona no nanatanteraka ny Iraka mba hamoahana ny Zanak’Isiraely hivoaka tao Egypta ary Andriamanitra nanamafy ny fon’i Farao ka nihatra taminy ireto loza folo ireto : Ny Rano tonga rà ; Ny Sahona ; Ny Moka ; Ny Lalitra ; Ny aretina tamin’ny Biby ; Ny Vay ; Ny Havandra ; Ny Valala ; Ny Aizim-pito ; Ny Loza fahafolo dia niafara tamin’ny Paska ho an’ny Zanak’Isiraely sy ny namonoan’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao Egypta : na ny babo na ny voaloha-teraky ny biby = Eks 12 . Teo ihany koa ny nanokanana ny lahimatoa ho an’Andriamanitra . Nanompo 430 taona tao Egypta ny Isiraely .
Ireo lalana nitondran’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely =
1.- Ramesa = Noroahana  avy tao amin’ny faritany iray atao hoe : Ramesa , izay ao Egypta ny Israely . Eks 12 ; Nom 33 : 5
2.- Sokota = Tonga tao Sokota rehefa niara-dalana tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny andry afo sy andri-rahona . Eks 13 : 20 – 22 .  Nitoby tao Etama
3.- Pi- Hahirota = Namakivaky ny ranomasina mena ny Israely . Eks 14 ; Nom 38 : 8 . ( eo anelanelan’i Migdola sy ranomasina akaikin’i Bala Zefona ) .  Sora
4.- Mara = Mangidy no heviny ary nohalefahan’Andriamanitra izany rano izany ka tonga azo nosotroina indray rehefa nangetaheta ny Israely . Eks 15 : 23 – 26
5.- Elima = Teo no nilasian’ny Israely ary nisy loharano 12 tao . Eks 15 : 27
6.- Efitry Sina = Tao no nandefasana sakafo ho an’ny Israely dia : Papelika sy Mana . Eks 16
7.- Refidima = Niady voalohany tamin’ny Firenena atao hoe : Amalekita , ny Israely . Eks 17 : 8 – 16
8.- Tendrombohitry Sinay = Tao Mosesy no nantsoin’Andriamanitra hanomezana ny didy folo . Eks 19 – 20
9.- Efitry Sinay = Teo no nanamboarana ny tabernakely ho an’ny Israely . Eks 25 - 30
10.- Tany foana = Teo no nanomboka nandamina ny Israely Mosesy , ka niantso loholona 70 mirahalahy . Nom 11 : 16 – 17
11.- Eziona-Gebera = Namakivaky ny tanin’i Esao sy Amona ny Israely , kanefa tsy nisy ady natao . Deo 2
12 .- Kadesy-Barnea = Teo no nanomboka hiady amin’ireo mponina manodidina ny tany nampanantenaina Mosesy . Nandefa mpitsikilo izy . Nikomy ny Israely ka tsy afa niditra tao . natao ho foiben’ny fitobian’ny Israely ihany koa Kadesy , nandritra ny taona maro . Nom 13 : 1 - 3 , 17 - 33 ; 14 ; 32 : 8 ; Deo 21 : 4
13 .- Efitra foana atsinanana = Nisoroka ny amin’izay ho mety fifandonana na fifandirana ny momba ny handalovan’ny Israely ny tanin’i Edoma sy Moaba . Nom 20 : 14 - 21 ; 22 - 24
14.- Reniranon’i Arnona = Nopotehin’ny Israely ny Amona rehefa nifidy ny hiady taminy . Deo 2 : 24 - 37 .
15.- Tendrombohitry Nebo = Tao no nitazanan’i Mosesy ireo tany izay tsy hitsahany akory ka ho an’ny Israely mba ho lovany . Deo  34 : 1 - 32 / Tao ihany koa no nanaovany ny toriteniny telo farany. Det 1 : 32
16.- Lemak’i Moaba = Niteny tamin’ny Israely Andriamanitra dia ny hanesorana sy hamongorana ireo mponina ao Kanana satria io no lovany . Nom 33 : 50 - 56
17.- Reniranon’i Jordana = Niampita teo ny Israely saingy tamin’ny tany maina fa tsy teo ambony rano akory . Natsangana teo ny tsangambato izay vato tao anaty  fanambanin’ny ranon’i Jordana , izany dia natao tsy lavitra ny tanàna ao Gilgala . Jos 3 - 5 : 1
18.- Jeriko = Nandrava sy namotika io tanàna io ny Israely . Jos 6
Eks 13 - 18 = Manondro ny ireo toerana izay nivezivezen’ny Zanak’Isiraely tany an’efitra : [ tokony ho heritaona ihany no nandehandehanany saingy noho ny fahotana sy ny tsy finoana an’Andriamanitra dia nampitomboany izany , ka nahatonga azy ireo nivezivezy tao an’efitra : io heritaona io dia nianarana ny lalàna sy ny fomba hivavahana amin’Andriamanitra , efa nahazo ny sisin-tanin’ny Palestina tao atsimo ny Isiraely vao nanomboka ny sazy nampiharina aminy . Nihatra 39 taona izany mandram-pahafaty ireo olona nitoetra tany Egypta . Nom 13 - 14 . Azo zaraina efatra tsara ny zotra nizoran’ny Zanak’Isiraely : 1.Ramanesa hatreo amin’ny ranomasina mena . 2. Ranomasina mena ka hatreo amin’ny tendrombohitry Sinay . 3 . Sinay hatreo Kadesy ary ny faha efatra farany : Kadesy ka hatreo amin’ny tany lemaky Moaba . ( 38 taona taorian’izany no efa tany Kanana ny rain’ny Zanak’Isiraely ) ] . Teo ihany koa ny fimonomonoman’ny Zanak’Isiraely noho ny tsy fisian-drano ary ny loza nahazo an’i Mosesy vokatra izany . Ny nahatongavan’i Jetro ( mpisorona  Midianita ) izay nitondra ny vady aman-janak’i Mosesy sy izy mirahalahy zanany = Gersoma sy Eliezera .= Ny Midianita dia taranaky Midiana zanak’i Abrahama tamin’i Ketora . Gen 25 . Ny Eks 16 : Ny nanomezana ny Mana sy ny Papelika .
1.1.2.2 : Sinay sy ny nanomezana ny lalàna = Eks 19 - 40 = Vonona handray ny lalàna ny Zanak’Isiraely ary efa niomana ny amin’izany ny vahoaka . Niantso an’i Mosesy ary Andriamanitra mba hanomezana izany lalàna izany . Nomena ny DIDY FOLO ary natao tamin’ny vato fisaka roa : Eks 20 = 1. Momba an’Andriamanitra sy izay tokony hanajana azy sy ny hitandremama ny didiny . 2 . Ny momba ny olombelona sy izay rehetra tokony ho tandremany ihany koa ary ny hanekeny sy hanarahany an-tsakany an-davany izay nolazain’Andriamanitra .
Teo ihany koa ireo lalàna samy hafa tokony ho tandremana . Eks 21 - 23  = Ny Lalàna mahakasika ny : Ny andevo Hebreo ; Fivarotana zanaka vavy ho vaditsindranon’olona ; Ny vono olona ; Ny halatra olona na nivarotra olona ; Ny fifandirana miafara amin’ny fikasiahan-tanana sy mandratra vehivavy manan’anaka ; fikapohana andevolahy sy ny mamely ny masony ny andevolahiny sy ny andevovaviny  ary ny nifiny ; Ny omby manoto ka mahafaty olona . Misy lalàna maro tokony hotandreman’ireo zanak’Isiraely . Ny antoka nomen’Andriamanitra azy raha manaiky ny Teniny . Ny nahitana ny Vonininahitr’Andriamanitra nidina tao anaty rahona = Ny nanaovana ny Tabernakely , Eks 25 - 27 .  Ny nanendrena ny Mpisorona sy ny amin’izay ho fitafiana hanaovany amin’izany asa fisoronana izany ary ny fotoana nanokanana azy ireo , Eks 28 - 29 ; ary ny handoavana ny vola avotra . Ny amin’ireo fitaovana sy zava-manitra ary ny diloilo fanosorana izay hatao amin’ny fisoronana . Eks 30 .
Ny fanendrena ny mpiasa = Bezalila zanaky Ory - zanaky Hora avy amin’ny Firenen’i Joda ny iray + Hanao asa kanto momba ny volafotsy sy volamena ary ny varahana , satria Andriamanitra mihitsy no nanome azy ny tolon-tsaina sy fahiratan-tsaina ary fahalalana momba ny taozavatra . Oholiaba zanaky Ahisamaka avy amin’ny Firenen’i Dana no namany : Izy roalahy no nahazo ny fankatoavana tamin’Andriamanitra momba izay hanamboarana ny Fiaran’Andriamanitra sy ny fanaka Masina eo aminy . Arona kosa no Mpisorona sy ny zanany . Eks 31 . Ny aminy tokony hitandremana ny andro Sabata . Ny nanaovan’Isiraely Ombilahikely volamena raha ela tany an-tendrombohitry Sinay Mosesy . Mosesy izay efa nomen’Andriamanitra ny Fanekena sy hahatonga azy ho Firenena lehibe sy ny nifonan’i MOSESY . Eks 32 . Ny Firehetan’ny Fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota izay natao ary ny loza nanjo azy ireo ; satria ny taranaky Levy dia namono ny rahalahiny tokony ho : 3000 lahy . Ilay vato fisaka izay nisy ny didy folo , dia soratanan’Andriamanitra dia natontany tamin’ny tany ka torotoro . Ireto Firenena ireto no nasain’Andriamanitra hofongorana sy horoahina : Ny Kananita ; Ny Amorita ; Ny Hetita ; Ny Perizita ; Ny Hivita ; Jebosita . Eks 33 : 2 . Ny fanetretenan’ny Zanak’Isiraely sy ny namelan’Andriamanitra azy ary ny namerenana indray ny Fanekena sy ny nihaonan’i Mosesy tamin’Andriamanitra indray . 40 andro sy 40 alina i Mosesy tsy nisotro rano sy tsy nihanan-kanina raha teny an-tendrombohitry Sinay indray nanavao ilay fanekena . Eks 33 - 34 . Ny nanambaran’i Mosesy ny didin’Andriamanitra sy ny hanajana ny Sabata ary ny hanaovana ny Tabernakely sy ny zavatra haterin’ny olona momba izany .Eks 35 - 37 . Ny tontalin’ireo volamena na volafotsy sy varahina nampiasaina = Fehin’Itamara zanak’i Arona mpisorona no nanisa azy = Ny volamena dia ; Talenta 29 sy Sekely 130 araka ny sekely masina . Ireo dia volamena natao fanatitra ahevaheva . Ny volafotsy kosa dia ; Talenta 100 sy sekely 1775 araka ny olona izay voaisa ka Beka iray isan’olona dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina ; olona voalamina 20 taona no ho miakatra ka : Olona 63550 . Ka ny talenta 100 dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina …Eks 38 : 27 - 28 . Ny varahina kosa dia : Fanatitra ahevaheva , dia talenta 70 sy sekely 2400 …Eks 38 : 30 .
Teo ihany koa izay nanaovana ny akanjon’ny mpisorona ary ny namaranana azy dia ny nananganana ny tabernakely . Eks 39 - 40 .
262

Hevitra mandeha

ILAIMAILAKA 09/10/2025 13:42
Mbola hitohy tompoko.Fiangaviana mba tsy hadika na haka an'ity fikarohako ity fa azonao jerena sy hanaovana fikarohana kosa raha mila ny boky PDF manotolo T.T ianao dia miresaka MP. FB: Raphael Andrianarivo.Misaotra tompoko

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.089