Ny Sekoly Alahady (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 58
Mpanoratra AZRAEL
Manana Misiona hampianatra ny ankizy sy ny tanora ny Fiangonana
Pejy 1
Ara-tSoratra Masina, dia tao an-tokantrano IHANY no sehatra nasain'Andriamanitra hanabeazana ny zaza sy ny ankizy tamin'ny voalohany. Tao amin'ny Lalàn'i Mosesy ohatra dia nampianarina ho "devoir de mémoire" ireto zavatra ireto: ny Paska (EKS 12,13,14), ny maha Andriamanitra tokana an'i YHWH (EKS 20, DEOT 6:4-5). Tsy nahomby loatra anefa, ary tsy ampy io fanabeazana an-tokantrano io (MPITS 2:10-11), ka nasain'Andriamanitra nofenoina tamin'ny fanabeazana tao amin'ny Synagoga taty aoriana.
Tao amin'ny Synagoga dia nampihatra ireto ritoaly ireto, mba ho sady fianarana rahateo koa, ny mpivavaka sy ny mpianatra:
- Ny fanekem-pinoana na ny SHEMA (DEOT 6:4-5)
- Ny Vavaka
- Ny Lalàna
- Ny Mpaminany
- Ny Tsodrano
Ny tsara marihina koa dia feno Sekoly andavanandro (Sekolin'ny Fariseo, Sadoseo, Eseniana...) nampianaran'ireo Raby jiosy tamin'izany, kanefa vitsy ihany ny Raby (anisan'izany i Jesosy Kristy) no nanaiky hampianatra ny ankizy.
58

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1821