Ny Sekoly Alahady (AZRAEL)
Manana Misiona hampianatra ny ankizy sy ny tanora ny Fiangonana
Pejy 4
Nanome toky Robert Raikes fa rehefa "madio tsara sy voasasa tsara ny tànana, ary manasa loha tsara sy mihogo volo tsara" dia mahazo mianatra Sekoly Alahady. Hany ka tena vetivety dia niroborobo fatratra ilay Sekoly Alahady voalohany. Nisy olona nanakiana i Robert Raikes tamin'ny voalohany, ary nisy nialona ny fandrosoany. Azo notsapain-tanana anefa ny vokatry ny nananganany ny Sekoly Alahady, ka resy lahatra ny rehetra nony farany, satria: nihena ny tahan'ny heloka bevava, nihena ny asa fanendahana, ny halabotry, sns. Nahazo fankasitrahana maro tamin'ny Fanjakana Aglisy i Robert Raikes noho izany.
Rehefa nantsoin'ny Ray hody any aminy io mpanompony mahatoky io, dia nahatsapa avokoa ny Fiangonana fa nahavita be i Robert Raikes, ary "ny soa fianatra", ka saika nanangana sy manana Sekoly Alahady araka ny môdelin'i Robert Raikes avokoa ny Fiangonana ankehitriny.
Hametraka hevitra
Midira aloha