Ny Sekoly Alahady (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 128
Mpanoratra AZRAEL
Manana Misiona hampianatra ny ankizy sy ny tanora ny Fiangonana
Pejy 2
Mahagaga fa tena hadinon'ny Fiangonana nandritry ny taonjato maromaro io Tenin'i Kristy io hoe "avelao ny zaza hanatona Ahy". Tamin'ny taona 800 vao nihevitra voalohany ny hanangana sekoly ny Fiangonana, ka ny emperora franc Charlemagne no nanao izany tany Aix-La-Chapelle. Saingy hatreto dia ny zanaka mpanankarena sy ny zanak'andriana ambony ihany no afaka nianatra.
Martin Luther dia nampianatra ihany koa fa zava-dehibe ny asa fampianarana, ary nanosika azy hanoratra ny Katekisma na ny Fotopianarana izany. Nahomby io fomba fiasa io saingy tao Allemagne ihany no tena nandairany. Niezaka i Luther mba hahaizan'ny ankizy ny Tenin'Andriamanitra sy hahaizany mivavaka, saingy tena mbola voafetra ho an'ny manana fahafahana miditra an-tsekoly ihany ny vokatry ny asany, fa tsy mbola tena tanaty rafi-piangonana.
128

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0258