Ny Sekoly Alahady (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 129
Mpanoratra AZRAEL
Manana Misiona hampianatra ny ankizy sy ny tanora ny Fiangonana
Pejy 3
Ny tena Sekoly Alahady voalohany amin'ny endriny ankehitriny dia vao tamin'ny taona 1780 tany Angletera no nipoirany. Kristiana laïka Anglikana nantsoina hoe Robert Raikes, imprimeur, no nataon'Andriamanitra fitaovana tamin'izany. Voalazan'ny tantara fa nanohina ny fony loatra ny nahita fa ny zaza zanaka mahantra tao an-tananany dia tsy mba afaka nianatra, fa niasa isan'andro tany amin'ny fanodinana lamba landy, afatsy ny Alahady ihany. Ary rehefa Alahady dia manendaka, mangalatra, ary manolana sy miteny ratsy no fialam-bolin'izy ireo. Namangy fonja maro koa i Robert Raikes ka nahita fa feno tanora vao herontrerony, ary saika zanaka mahantra avokoa izy ireo! Teo no nampitsiry ny heviny fa hampianatra hanoratra abidia sy Soratra Masina mbamin'izay azo ampianarina rehetra, amin'ny andro tokana mampahalalaka azy ireo izy, dia ny Alahady izany. Natahotra ihany ireo ankizy na dia nazoto aza tamin'ny voalohany, satria tsy nanana lamba tsara sy madio, ary tsy manam-bola rahateo izy ireo.
129

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0245