ZAVA-DOZA ATERAKY NY FANATONTOLOANA (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 15
Mpanoratra AZRAEL
Mandroso mankaiza?...
Pejy 1
Mbola tena tanora tokoa aho ankehitriny, nefa tsapako ho efa somary very amin'ny karazam-pandrosoana sy ny lamaody ankehitriny. Vao tamin'ny herinandro no nahita karazana "maquillage" sy sary toa "tsipitsipika" hafahafa manerana ny tarehina tovovavy maromaro teo Antsirabe. Tsy mason-joany ilay izy, fa tena lamaody vaovao tsy haiko izay anarany. Haingon'adala! ary nampanontany tena ahy hoe: mba Ray aman-dreny mahanatra zanaka ve ny RAD-n'itony?...
Mihamalaza koa ny fivarotan-tena "en ligne" indrindra fa amin'ny fesiboky ankehitriny, ary matoa mirongatra dia be mpanjifa...Manontany tena aho manoloana ireo zavatra roa loha ireo hoe: mandroso mankaiza marina isika Gasy? Izay ataon' ny vazaha ve dia alaintsika tahaka avokoa?
Raha izaho ihany no mamaly ny tenako dia TSIA! Tsy mila fivoarana aho raha fivoarana mira: fivarotan-tena, zava-mahadomelina, haingon'adala,sns. Izay vazaha nampiditra ireny zavatra ireny dia olon-tsy vanona, ary ny fijerentsika fotsiny ireny zavatra ireny dia famotehana taranaka!
15

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.185