ZAVA-DOZA ATERAKY NY FANATONTOLOANA (AZRAEL)
Mandroso mankaiza?...
Pejy 3
Mba diniho ange: taloha tsy nisy izany aretina "vaky loha" izany, fa amin'izao izay zaza teraka rehetra dia tratry ny vaky loha avokoa!... Akaiky tokoa va re ny farany ka miseho avokoa ny loza, sa ny olona mihitsy no mitera-doza avokoa izay ataony? Za manokana dia mahita fa fanatontoloana ihany no ambadik'io: mino aho fa "virus" noforonina sy niniana naparitaka mihitsy ireny COVID, EBOLA, sns ireny! Fehiny, raha tiantsika ny handroso marina, ary raha tiantsika hitondra soa fa tsy loza ny fandrosoana, dia aza avela hifehy anao ny teknolojia, ny sakafo, ny lamaody, ny kolontsaina, indrindra fa ny avy any ivelany fa FEHEZO! Any an-dafy sasany any izao misy manaiky anaty Lalàna hoe: azo atao ny manao firaisana ara-nofo ankalamanjàna, dia hekenao ve ny hampiharana izany eto Madagasikara koa???
Tokony ho tonga saina avokoa na ny mpitondra fanjakana milaza tena ho "mpampandroso tanindrazana", na ny vahoaka, SAO MANDROSO MANKANY AN-KADY!
Hametraka hevitra
Midira aloha