ZAVA-DOZA ATERAKY NY FANATONTOLOANA (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 27
Mpanoratra AZRAEL
Mandroso mankaiza?...
Pejy 2
Famotehana miseho amin'ny endriny maro no ao ambadik'ity resaka fanatontoloana ity: famotehana kolontsaina, famotehana toekarena, famotehana ara-tsakafo, famotehana olombelona, sns. Eo amin'ny famotehana kolontsaina ohatra: iarahantsika mahita fa kolontsaina mamoafadin'ny amerikana no tena miparitaka (akanjo miboridandridana,dihy twerk, drill, gwetta, sns), ary zara raha mahazo sehatra ny hira gasy, dihy gasy, teny gasy... Famotehana ara-tsakafo: miha mihinana "paty" (nouilles) misolo ny vary foto-tsakafo ny gasy, kanefa toa hoe misy zavatra tsy mazavazava amin'ireny "saosy" ampiarahina aminy ireny (?); nisy "cousin"-ko narary tsinay izay dia nahagaga ahy fa nasain'ny dokotera nifady "jumbo" sy ireny "saosin'ny paty" ireny izy, fa mampahamaina sy mampifintina tsinay hono! Dia mitombo ny hagagako: tsy inoako hoe tsy fantatry ny tompon'andraikitra izany zava-doza aterak'ireny sakafo hafahafa ireny, fa tena feno zavatra tsy mazavazava ao...
27

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118