Avereno ny an'i Kaisara&Andriamanitra (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 7
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Inona kosa no nomen'Andriamanitra antsika? Zavatra tsy voavidin'ny vola mandrakizay: na dia manana panneau solaire aza ianao dia tsy misy dikany raha tsy omen'Andriamanitra Masoandro, na manana orona aza tsy velona raha tsy omeny Oxygène; eny amin'ny Hopitaly raha mividy oxygène herinandro ny mararinao dia omany ny vola an-tapitrisany! Izany rehetra izany anefa dia OMEN'ANDRIAMANITRA ANAO MAIMAIM-POANA!
  Raha asain'i Jesosy haverina amin'ny Kaisara ny zavatr'i Kaisara satria misy ny "sariny", dia tsy maintsy averina amin'Andriamanitra ihany koa NY OLOMBELONA TSY AN-KANAVAKA satria isika dia nohariany tahaka ny "sariny na ny endriny", araka ny voalazan'ny Genesisy 1.
Lesona roa ary no tsoahintsika amin'izao Tenin'Andriamanitra izao:
1) NY FAHAFOIZANA: mila tsapantsika fa "ny adidy tsy an'olon-dratsy", ary mitaky fahafoizana ny zavatra rehetra koa aza ny Fanjakan'ny Lanitra.
2) MILA MIASA ISIKA: Tsy mahaloa hetra, trosa ary tsy mahefa adidy ny kamo miasa.
Hojerentsika tsirairay ary ireo lesona ireo.
7

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0152