Avereno ny an'i Kaisara&Andriamanitra (Elysé Azrael)
Pejy 3
Voalohany, mila mahafoy ny Kristiana marina. Matetika anenjehan'olona ny mpitondra fivavahana sy ny Fiangonana ny filazana fa mangoron-karena. Saingy rehefa tomorina akaiky, dia ireny mpanenjika ireny indrindra no tsy mpanao adidy sy tsy mahafoy afatsy "ariary zato" hatao rakitra!Faharoa, mampirisika ny olona hiasa Jesosy na dia tsy mivantana aza izany! Fahiny dia feno karazan-ketra nampihomehy toy ny hetran'alika, hetra isan-dahy, hetram-baravaran-kely sy hetran'ny varavaram-be... Mba hahafahantsika mandoa hetra, dia mila miasa isika. Aty Bemaha ambanivohitr'Antsirabe dia misy faritra voalaza fa "tsy mahazo mandray anjara fitenenana mihitsy ny olona raha tsy manana omby". Raha raisina amin'ny lafiny positif izany, dia mampahatsiahy ilay Tenin'Andriamanitra hoe "izay tsy miasa aoka tsy hihinana".
Alohan'ny hiverenan'ny Tompo, dia "mahefà be amin'ny asan'ny Tompo, fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo".

Hametraka hevitra
Midira aloha