GREVY ANY NEPAL SY NY REVOLISIONA GENERATION Z (Elysé Azrael)
Rehefa feno ny kapoaka dia romotra ny voatsindry hazo lena
Pejy 2
Marihiko eto fa ireny no tena tolona raha mba hanoratra ny tantara. Tany Frantsa tamin'ny 1789 dia raikitra ny tolona rehefa nanao tsinontsinona ny fitarainan'ny vahoaka i Louis XVI, ka ny niafarany dia fahatapahan'ny lohany teo amin'ny guillotine. Rava ny fanjakana Rosiana an'i Nicolas IH le Tsar rehefa tsy niraharaha ny fijalian'ireo mitrongy vao homana (proletaires) marobe tany Rosia tamin'ny 1917... Betsaka ny ohatra ara-tantara, ka io tany Nepal tamin'ity volana Aogositra 2025 ity io no akaiky indrindra.Dia hoy ilay artista izay hoe: hihetsika sa tsy hihetsika? Inoako fa efa ampy hihetsehana ny zava-doza misy eto Madagasikara: vono moka tsy mazavazava tao Ambohimalaza nanjary nalaza ratsy tamin'ny anniversaire noir sns, delestazy tsy ankiato isan'andro, ireny karazana crimes rituels hafahafa tsy misy mangarahara ireny hatramin'izao toy ny halatra voamaso, varira sns. Mino dia mino aho fa raha tany Nepal izao conditions de vie eto Madagasikara izao dia efa ela no nisy maty sy velona...
Hametraka hevitra
Midira aloha