GREVY ANY NEPAL SY NY REVOLISIONA GENERATION Z (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 60
Mpanoratra Elysé Azrael
Rehefa feno ny kapoaka dia romotra ny voatsindry hazo lena
Pejy 3
Tadidiko hatrany ny tenin'i St Augustin hoe: "à une loi injuste, nul n'est tenu d'obéir". Koa rehefa manalika sy manabado ary manadala dia ataovy amin'ny fanaovana azy.
Ny ohabolana Malagasy dia milaza fa "tsy misy ngeza tahaka ny vatolampy fa rehefa tsy miteny dia angerezan'ny vorona".
Ny fitondram-panjakana teto Madagasikara dia azo tamin'ny fanonganam-panjakana avokoa: 1972,1991,2002,2009... Ka nahoana no lasa fahotana ny fanongam-panjakana sy ny tolona rehefa mahazo seza elaisany?
Raha tena misy ny fiandrianam-pirenena na fiandrianam-bahoaka, fa tsy FIANDRIANAM-PANJAKANA fotsiny, dia omeo ny vahoaka ny fahefana sy ny zo (droits) ary fahafahana sahaza azy.
Nepal io manome lesona io ankehitriny. Aza miresaka tolona raha mbola kanosa sy matahotra basy sy lacrymogene ary gagazo! Misy ny ady masina (guerre sainte) sy ara-drariny (guerre juste) rehefa miaro tena sy miaro zo...
60

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1416