Ilaina ihany ny Valifaty politika (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 24
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny antom-pisian'ny fitsarana dia ny fampanjakana ny rariny na ny justice. Ny rariny anefa dia tsy hafa fa izay sahaza ny tsirairay, ka raha sazy no sahaza anao dia RARINY=VALIFATY. Ny valifaty mivantana (vengeance privée, faire justice soi-même) no voararan'ny Lalàna fa ny valifaty ara-dalàna na ny fiadiana rariny amin'ny fitsarana dia azo atao tokoa.
Tsy azo itokiana mihitsy anefa raha ny Fitsarana Malagasy noho ireto antony ireto:
- Voalohany, tsy mahaleo tena ny fitsarana: ny atao hoe tena mpitondra eto Madagasikara dia ny fahefana mpanatanteraka (Filoham-pirenena sy Governemanta), ary manjary irakiraka sy tohatra fiakarana ary fampiorenam-pahefana sisa ny fahefana mpanao Lalàna sy ny fahefana mpitsara. Tsy misy fitsarana sahy mitsara mpitondra am-perinasa izany eto, fa rehefa mirodana noho ny tolom-bahoaka vao ampiasain'izay mandresy indray ny fitsarana mba hamaliana faty ny resy. Ny fitsarana dia very hasina tanteraka noho izay maha lasa fitaovana sisa azy izay, fa tsy fahefana izany mihitsy eto.
24

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124