Ilaina ihany ny Valifaty politika (Elysé Azrael)
Pejy 3
- Faharoa, tsy mahay Lalàna ny Malagasy: iza no tsy mahalala fa lalàna frantsay code civil tamin'ny andron'i Napoleon no miasa eto? Ary atao fanahy iniana soratana amin'ny teny frantsay daholo mba tsy hisy hahay: code pénal! actes de commerce e! amandement e! mandantement e! doublon e! Ssh... Ka aza gaga fa tsy mahay sy handany andro hanaja procédure sy hanangon-tsonia ary handany vola hitety fitsarana izany ny Gasy, fa tonga dia petahany amin'ny "ady gasy" ny azy: anirahana dahalo, fitsaram-bahoaka, fanonganam-panjakana, fandorana biraom-panjakana...Valifaty politika ihany no fanefitra (antidote) rehefa miseho azy ho manam-pahaizana sy miana-kendry ny mpisoloky fahefana. Ny ianarana lalàna eto Madagasikara dia mba hahaizana mandika azy, kanefa tsy mampigadra. Raha mbola olon'ny Frantsay koa no eto dia io ihany no sahaza azy. Raha mbola tsy ampifanarahina amin'ny fisainana malagasy koa ny lalàna dia tsy hisy fanarahan-dalàna izany eto, fa ho tohy vakana ny VALIFATY POLITIKA.

Hametraka hevitra
Midira aloha