Ilaina ihany ny Valifaty politika (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 23
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Ny antom-pisian'ny principe de séparation du pouvoir dia ny mba tsy hanjakazakan'ny éxécutif tahaka ny nataon'ireo mpanjaka tyrans sasany fahiny, ary séparation stricte (tsisy fifandraisany na fifampijabahana ny fahefana 3) no tanjona tamin'izany, fa tsy séparation souple (misy fifandraisana sy fifampijabahana).
Diniho USA: any Amerika dia séparation stricte sy fédéralisme no ampiharina: tsy manam-pahefana amin'ny Fitsarana na ny Sénat mihitsy ny Filoha, torak'izany koa amin'ny fahefana mpanao Lalàna na ny Congres. Fa iza no modely sy lohalaharana amin'ny fandrosoana maneran-tany, fa tsy Amerika?
Ampitahao amin'ny aty Madagasikara, séparation souple ny aty: ny Filoha no président du Conseil Suprême de la Magistrature, afaka mamoaka ordonnance amin'izay rehetra tiany atao izy, grâce sy amnistie présidentiel à gogo, afaka mandrava ny Antenimieram-pirenena, sns. Dia izao no vokany: FANAMPARAM-PAHEFANA. Rajoelina teo farany iny dia titre officiel Mpanjaka sisa tsy nananany.
23

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0256