NY ANATRA ARAKA NY OHABOLANA 12:1 (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 14
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Hoy ity Tenin'Andriamanitra ity:"izay tia fananarana no tia fahalalana, fa izay mandà anatra dia biby". Ny ohabolana, na biblika na ny ohabolana profana, dia samy noforonina hananarana avokoa, sy ho fampitàna fahalalana. Inona ary no ilàna ny anatra?
Voalohany, dia misy tombony ny fihainoana sy ny fankatoavana anatra: manjary "mi-anatra" ianao, izany hoe sady mandray fahalalana ianao no mahazo anatra. Ary rehefa "mi-anatra" tsara dia tafita. Izany hoe ilaina ny mananatra mba tsy hananan-tsiny, ary ilaina ny mankato anatra raha te hampitombo fahalalana sy hahatratra tanjona.
Faharoa, miteraka voka-dratsy ny tsy fihainoana sy ny tsy fitiavana anatra: "izay mandà anatra dia biby"; biby mitovy @ alika, kisoa, kadradraka, omby, fozaorana, sns. Ny tsy mandray anatra dia tsy mila ozonina, fa ho anarin'ny fiainana. Tsy tokony ho tafintohina ny olona raha mahatsiaro fa anarin'ny Tenin'Andriamanitra sy voakasiky ny toriteny, fa kosa tokony ho faly aza satria mbola tian'Andriamanitra matoa anariny!
14

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706