NY ANATRA ARAKA NY OHABOLANA 12:1 (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 13
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Feno tantaran'olona tsy nandray anatra ao anaty Baiboly, ary nizaka ny vokatr'izany avokoa ireo olona ireo; ohatra: ireo contemporains tamin'i Noa dia tsy niraharaha na dia efa naorina aza ny Sambofiara; i Farao mpanjakan'i Egypta dia voalaza fa "tsy nahoany" ny anatr'i Mosesy sy Arona; i Rehoboama dia tsy nihaino ny anatr'ireo zokiolona nanolo-tsaina azy fa naleony nanaraka ny hevi-taingin'ireo tanora tsy mbola mikantona loha malemy; i Jerosalema dia tsy niraharaha ny andro namangian'i Jesosy azy. Dia haintsika ny tohiny: fandringanana sy sazy ho valin'ny tsy niraharahiana ny fananarana azy!
Anisan'izay tsy nandray anatra tamin'ny tantara sy nihaino vahoaka ny Filoha Rajoelina, ka ireny hitantsika ireny ny vokany: naongan'ny Gen Z. Io tsy firaharahiana sy tsy fihainoana anatra io dia mampanenina, kanefa "ny nenina moa tsy ao aloha hananatra, fa aoriana handatsa". Ny tsy mampandroso an'i Madagasikara ity koa dia ny "tsy firaharahiana, tsy fiasana loha, tsy fakàna anatra amin'ny tantara".
13

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0688