PERIKOPA FLM-ALAHADY VI Man TRINITE (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 25
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Anisan'ny problematique lehibe mampisara-bazana ny Fiangonana Kristiana ry havana ny hoe: tokony hitandrina ny lalàna ve ny Kristiana sa tsia? Mamaly izany indrindra ity Perikopa ity, ka ny hofakafakaintsika ity tenin'i Jesosy ity hoe: "tsy tonga handrava ny laläna sy mpaminany Aho, fa hanatanteraka".
I)TOKONY HITANDRINA NY LALANA ARY VE NY KRISTIANA?
Eny no valiny! Ny mampalahelo anefa ry havana, dia be no mamaly hoe TSIA, satria hono "tsy ambany lalàna fa ambany fahasoavana"! Ary matetika dia olona mpanamarin-tena no mpampiasa ity raisonnement iray ity: misotro toaka satria ambany fahasoavana! Mihinam-paraky satria ambany fahasoavana! Manao akanjo mampitanjaka satria ambany fahasoavana... Io ilay tenenin'i Paoly hoe: "hanota va isika mba hitomboan'ny fahasoavan? SANATRIA IZANY!".
Ny tena marina ary dia izao: mitandrina ny laläna isika zanak'A/tra satria voavonjy, ary izay no atao hoe ETHIQUE DE RECONNAISSANCE. Izany hoe lasa fahafinaretana sy naturel amintsika ilay "tsy manota" (tsy miteny ratsy, sns".
25

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.023